2021
Manome lanja ny mozika ao anatin’ny fanompoam-pivavahana
Martsa 2021


Manome lanja ny mozika ao anatin’ny fanompoam-pivavahana

Tao — ary mbola ho ao — anatin’ny fanompoam-pivavahana foana ny mozika, na any am-piangonana na ao an-trano.

Sary
family gathered around piano

Tsy herinandro maro taorian’ny nanorenana ny Fiangonana akory dia nitarika an’i Emma Smith ny Tompo mba “hanao fifantenana hira masina, … izay zavatra ankasitrahako, mba hatao ao amin’ny fiangonako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:11). Nila fomba hianarana ireo fahamarinana ara-pilazantsara vao naseho sy hiombonany amin’ny fiderana an’ Andriamanitra ireo Olomasina. Ary ny fihirana dia hanan-danja ao anatin’ny fanompoam-pivavahana ataony sy ny fianarany.

Taona maro lasa izay, rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny fianakaviako dia namporisika anay hianatra ny mozikan’ny finoanay vaovao ny ray aman-dreniko. Tadidiko mazava tsara izany fotoana izany:

  • Mitadidy ny “La prière” (Cantiques, no. 81) miaraka amin’ny fianakaviako.

  • Mihaino ny “Ô! ry Ray” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, no. 84) dia mianatra fa manana Ray any an-danitra sy Reny izay afaka ny ho hitako indray indray andro any aho.

  • Mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra eo am-pihirana ny “Mon Père céleste m’aime” (Boky fihirana ho an’ny ankizy, 228–29)—na dia nipetraka tany amin’ny tany efitra aza aho ary ny tena marina dia mbola tsy nahita voandelaka maniry!

Miroso haingana be mankany amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo tamin’ny faraparan’ny febroary 2020. Mpikambana maro tao amin’ny paroasinay no niatrika homamiadana, ary tena nahazo fiononana lalina rehefa nihira ny “Fototra mafy orina” ny paroasy (Fihirana sy hiran’ny ankizy, no. 12). Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia nisy zava-nitranga nanakorontan-tsaina nisesy: fanokana-monina, fanafoanana ny fiangonana, fifanesena horohorontany sy horohorontany kely. Dia nanomboka nandeha tao an-tsaiko indray io hira io:

Aza matahotra fa miaraka aminao Aho, aza raiki-tahotra,

Fa Andriamanitrao ary mbola hanampy anao Aho.

Hampatanjaka anao sy hanampy anao ary hampijoro anao Aho,

Tohanan’ny tànako marina sy mànana ny hery rehetra.

Indraindray dia ohatra ny hoe mitombo saika isan’andro ny fanamby ankapobeny sy ho an’ny tena manokana. Mihoatra noho ny hatramin’izay, mila ny sakafo ara-panahin’ny fihirana, hiran’ny Kilonga sy mozika masina hafa, isika.

Tsy misy fiovana amin’ny tanjona na ny maha-zava-dehibe

Na izany aza, rehefa nanova ho fandaharam-potoana adiny roa ny fivorian’ny fiangonana isika, dia nanontany tena ny sasany raha nihena ny anjara asan’ny mozika amin’ny fanompoam-pivavahana ataontsika na tsia. Tsia no valiny.

  1. Ny hira masina dia mbola ampahany amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo rehetra, ao anatin’izany ny fanampiana amin’ny fanomanana ny fontsika ho amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Ny hiran’ny amboarampeo sy ny fiangonana ary ny mozika masina hafa dia mbola azo alahatra mialoha mba hitondra fanatsarana ny fivoriana, toy ny taloha ihany. Nandritra ny areti-mandringana COVID-19, ny mozika masina dia mbola ampahany lehibe tamin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo nohafohezina, na dia feon-javamaneno fotsiny aza izany.

  2. Ny zanakay izao dia mandany ny antsasaky ny fotoanany ao amin’ny Kilonga ianarana ny filazantsara amin’ny alalan’ny mozika.

  3. Amin’ny ora faharoa dia tsy misy hira fanokafana na famaranana ho an’ny kilasy ho an’ny olon-dehibe sy ny tanora. Saingy mbola azo ampiasaina ao an-dakilasy hampianarana sy hanomezana aingam-panahy ny mozika.

  4. Mora noho ny hatramin’izay ny mihaino mozika masina amina fitaovana nomerika, amin’ny alalan’ny fampiasana ny application Mozika Masina izay an’ny Fiangonana.

Tsy dia misy toromarika, be kokoa ny fikasana

Nisy ihany anefa ny tsy fifankahazoan-kevitra. Indray alahadin’ny paska dia nisy mpampianatra iray niala tsiny tamin’ny kilasy Fotopampianaran’ny Filazantsara nohazoniny: “Fantatro fa tsy tokony hihira ato amin’ny Sekoly Alahady isika, fa tena tiako anefa ny hiara-mihira ny hoe ‘Velona ilay Mpanavotra ahy’.” Mety ho tsy irery io mpampianatra io amin’ity tsy fahazoan-kevitra ity.

Raha ny tena izy dia mbola tena zava-dehibe amin’ny fanompoam-pivavahana ataontsika toy ny taloha ihany ny mozika. Mijoro ho vavolombelona amin’izany ny fanavaozana ny mari-pamantaran’ny fihiranantsika sy ny fanangonana hira ho an’ny ankizy izay eo am-pandehanana amin’izao fotoana izao. Tao anatin’izany ezaka izany, ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany dia nandrotsaka fihirana sy hira ary lahatsoratra vaovao miavaka izay miisa 16 000.

Saingy satria fotoana raikitra voafetra kokoa no anaovana hira amin’ireo fivoriana alahady sasany, dia mila mieritreritra sy manao zavatra am-pahatsiarovan-tena kokoa isika amin’ny fandaminana sy fampiasana ny mozika.

Sary
group of children singing

Fitsipika roa lehibe no afaka manampy antsika hihazona ny mozika hanan-danja ao anatin’ny fanompoam-pivavahana ataontsika:

1. Tena ilaina amin’ny fampianarana

Mety hihevitra ny lahateny sy ny fifanakalozan-kevitra ho fitaovana voalohany amin’ny fampitana hafatra ara-pilazantsara any an-trano sy any am-piangonana isika. Ary mety handany ny ankamaroan’ny fotoanantsika amin’ireo singa ireo isika. Saingy ny mozika dia tsy fanampin-javatra atao haingo fotsiny. Tena ao anatin’ny fampianarana miaraka amin’ny hery sy ny Fanahy izy io.

Tahaka ny nanoroan’ny Apôstôly Paoly hevitra ny olomasina tany am-boalohany hoe: “Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao anatinareo amin’ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’ Andriamanitra” (Kolosiana 3:16).

Ny mozika dia afaka mitondra ny Fanahy eo noho ho eo amin’ny lesona na fivoriana. Ny fisafidianana hira iray hohiraina mandritra ny fianarana Sekoly Alahady na fifanakalozan-kevitra momba ny Avia, hanaraka Ahy dia mendrika ny hoeritreretina tsara sy feno vavaka toy ny amin’ny soratra masina safidìntsika hovakìna na ny ampahan’ny lesona safidìntsika hozaraina. Ny mozika izay voafidy am-bavaka dia afaka manohina ny fo, mamela fahatsapana ara-panahy izay mety haharitra mandritra ny androm-piainana.

2. “Vavaka ho ahy”

Amin’ny fotoana sasany, isika rehetra dia mety hiaina fotoana ahatsapantsika ho torotoro, fotoana ahitantsika fa tsy mazava ny làlana eo alohantsika. Indraindray dia mety ho toy ny hoe mitohy manipy mankany amin’ny lanitra ilay zavatra ilaina maika fotsiny isika, fa tsy misy valiny na vahaolana. Amin’ny fotoana toy izany dia mety halaim-panahy hanatsoaka hevitra isika fa tsy miraharaha Andriamanitra na tsy mendrika ny fikarakarany isika. Indraindray aza mety ho te hiala amin’ny vavaka mihitsy isika.

Amin’ny fotoana ahatsapantsika hoe tsy misy fifandraisana ara-panahy amin’ny lanitra, dia misy fahamarinana mampionona ity: ny mozika masina dia tena afaka ny ho endrika vavaka iray. Ny Tompo tenany mihitsy no nanazava izany rehefa nanendry an’i Emma hanao ny fihiranantsika voalohany Izy: “Fa finaritra amin’ny hiran’ny fo ny fanahiko; eny, ny hiran’ny marina dia vavaka ho Ahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12; nampiana fanasongadinana).

Ary rehefa manolotra Azy am-pahatsorana ny hiran’ny fontsika isika, dia nampanantena ny Tompo fa hamaly mandrakariva amina fitahiana: “Ary hovaliana amin’ny fitahiana eo ambony lohany izany. Koa asandrato ny fonao ary mifalia” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12–13).

Tamin’ny fotoan-tsarotra iray teo amin’ny fiainako dia tsy afaka namantatra ny valin’ireo vavaka vokatry ny foko nandritra ny fotoana ela aho. Nandalo fahasahiranana manokana ny namako tiako iray. Saingy rehefa niara-nitendry ary nihira fihirana sy hiran’ny filazantsara izahay, dia matetika no niaina fahatsapana fampiononana sy fijoroana ho vavolombelona. Fantatro izao fa nanatanteraka ny fampanantenany ny Tompo tamin’izany. Namaly ireo hiran’ny foko hatrany hatrany Izy. Ary tena nanampy ahy nanandratra ny foko sy nanohy hatrany izany.

Sary
young woman visiting a cemetery

Photograph by Robert Casey

Amin’ny alahady rehetra

Amin’ny alahady rehetra dia afaka mahazo antoka isika fa ny sasany ao amin’ny fiangonantsika, ny sasany ao amin’ny kilasintsika, ary ny sasany ao amin’ny fianakaviantsika dia ao anaty rano lalin’ny fijaliana manokana. Ny sasany kosa ho eny amin’ny lohasaha milamina miaraka amin’ny fitahiana mitobaka. Nefa ny sasany kosa dia hianatra fotsiny ireo fahamarinana fototra ao amin’ny filazantsara.

Rehefa mitazona ny mozika amin’ny toerana sahaza azy ao anatin’ny fanompoam-pivavahana ataontsika isika dia afaka hanampy ny rehetra hahita fahafahana mahatsapa ny Fanahy, hianatra ireo fahamarinana ara-pilazantsara, ary hidera ny Tompo noho ny fahatsarany. Dia afaka hanampy ny rehetra hahita ireo hiran’ny fon’izy iroe ho voavaly amina fomba izay ny Raintsika mandrakizay be fitiavana ihany no afaka manao azy.