2021
Inona no nampianarin’ny famafana amin’ny kifafa ahy momba ny maha-ray aman-dreny
Martsa 2021


Fanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fitaizana

Inona no nampianarin’ny famafana amin’ny kifafa ahy momba ny maha-ray aman-dreny

Monina any Utah, Etazonia, ny mpanoratra.

Nahafahana namaly ny vavaka nataoko ny raharaha ataon’ny zanako.

Sary
children cleaning a floor with brooms and a mop

Sary nataon’i David Green

Nifoha aho indray maraina ary nahatsiaro ho reraka be. Tsapako ho navesatra ny adidiko amin’ny maha-ray aman-dreny ahy, ary fantatro tsara ny fahalemeko. Toa nisy elanelana be teo amin’ny fomba nieritreretako izany izaho amin’ny maha-ray aman-dreny ahy izany sy ny tena izaho amin’ny zava-misy.

Nandohalika nivavaka aho ary nilaza tamin’ny Raiko any an-danitra ny halehiben’ny fitiavako Azy. Nolazaiko taminy ny halehiben’ny fitiavako ireo zanaka nitahiany ny ankohonanay. Dia nanomboka nilaza taminy ny fiezahako ho ray aman-dreny tsara aho nefa nahatsapa hoe tsy nety tsara ny zavatra nataoko. Rehefa nivavaka aho dia nieritreritra hoe ahoana no mety hahatonga ny zanako ho tsara kokoa raha toa ka Andriamanitra tenany mihitsy no mitaiza azy ireo.

Dia nisy sary tonga tao an-tsaiko. Nalaiko sary an-tsaina ny zanako mamafa ny gorodona ao an-dakozia. Iray amin’ireo asa anendrena azy ireo hanampiana ny fianakavianay izany. Indraindray ny fijerena azy ireo manao izany dia mahatonga ahy hiferotra aina satria mbola mianatra izy ireo ary misy faritra be tsy hitany. Saingy avelako izy ireo hanao izany sy ny raharaha hafa fanao isan’andro ihany koa, satria manana vina lehibe kokoa ho azy ireo aho. Fantatro fa hianatra sy hitombo amin’ny alalan’io fampiharana tsy lavorary io izy ireo. Amin’ny farany, ho vitan’izy ireo ny hanao izany amin’ny fomba haingana sy mety tahaka ny ahavitako azy. Izany fahitana azy ireo tompon’andraikitra sy mahaleo tena izany dia mahafa-po kokoa noho ny hoe izaho no tsy maintsy hanao ny zava-drehetra. Tsy mitaiza zanaka mba hahomby amin’ny fotoana fohy aho — Miezaka manampy azy ireo hahomby rehefa ela ny ela aho.

Dia nanontany tena aho raha toa ka marina ho an’ny ray aman-drenintsika any an-danitra ihany koa ny zavatra toy izany. Fantatry ny Ray any an-danitra fa tsy vitantsika ny manao asa tonga lafatra amin’ny maha-ray aman-dreny antsika. Angamba mety hampiferotra aina Azy ny zavatra sasany ataontsika, saingy avelany atao izany satria fantany fa mianatra sy mitombo isika. Izy no manana ny fomba fijery maharitra faratampony. Mahita antsika indray andro any ho tonga ray aman-dreny toa Azy Izy, afaka mitia tanteraka, mampianatra amin’ny fomba mahomby ary manao môdely tonga lafatra. Rehefa mitavozavoza fanao zavatra isika, dia fantany fa mampivelatra toetra tsara toy ny faharetana sy fiantrana isika. Ary noho izany, amin’ny fahendreny dia avelany hiasa sy tsy hahomby ary hanandrana indray isika.

Raha mba afaka ny ho ray aman-dreny tonga lafatra sahady aho! Tahaka ny nosoratan’i Joseph Smith dia matetika aho no mianjera amina “hadisoana kidaladala maro” (Joseph Smith—Tantara 1:28). Fa mahazo fampiononana aho amin’ny fahafantarana fa mahatakatra ny foko Andriamanitra, izay midika fa fantany ny fiezahako ho mora ampianarina. Mahatsapa fifaliana aho rehefa manontany hoe “Ahoana no ahafahako manao an’io tsaratsara kokoa?” ny zanako ary toa te hivoatra no fahitana azy ireo. Farafaharatsiny mba afaka ny ho toy izany ho an’ny Ray any an-danitra aho.

Rehefa nandeha tao an-tsaiko ireo eritreritra rehetra ireo dia nisy fotoana nahakivy ahy indray. “Saingy ahoana raha mandratra ny zanako ny hadisoana amin’ny maha-ray aman-dreny ahy?” Hoy aho nanontany. “Tsy te hihazona azy ireo aho, na dia lasa zavatra mahafinaritra aza aho ao anatin’izany.”

Dia niverina tao an-tsaiko indray ny sarin’ny fanadiovana ataon’ny zanako. Rehefa avy miezaka mafy mamafa ny gorodona ny zanako vavy ary avy eo maika be handeha hilalao na hamita asa hafa, dia matetika no manasa ireo faritra misy zavatra miraikitra tavela aho. Dia nieritreritra ny famindram-po sy herin’i Jesoa Kristy tsy manam-petra aho, izay ny Sorompanavotana nataony dia mandrakotra ny toe-javatra miraikitra eo amin’ny fiainana. Manonitra ny lesoka amiko amin’ny maha-ray aman-dreny ahy ny fahasoavany, tahaka ny anoneran’ny fahasoavany ny fanaintainana izay iaretan’ny zanako noho ny lesoka amiko. Amin’ny fomba izay tsy takatry ny iray amintsika, ny Sorompanavotana nataony dia afaka manasitrana izany rehetra izany.

Mampahery ahy tokoa ny fanambarana manokana azoko tamin’io andro io. Tsapako ny Fanahy nampianatra ahy fa ny ezaka tsara indrindra ataoko, miaraka amin’ny Tompo, dia ampy. Fantatro fa ny Ray any an-danitra dia hanohy hiasa amin’ny fiainan’ny zanako, tsikelikely, mba hanao amin’ny fomba tonga lafatra izay zavatra nataoko tamin’ny fomba tena tsy lavorary. Rehefa eo ny fanampiany dia afaka ny hamirapiratra amin’ny zony manokana ny zanako indray andro any, hamirapiratra toy ny hoe ny Ray any an-danitra no nitaiza azy ireo voalohany. Afa-tsy ny hoe mahavita manova ahy ao anatin’ilay dingana ihany koa ny drafitra ataony — manamasina sy mamolavola ahy ho tonga tahaka azy bebe kokoa. Endrey ny halehiben’ny fahendren’ny Andriamanitsika!