2021
Ny lovan’ny fizakan-tena: lesona avy amin’ny raibeko
Jolay 2021


HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Ny lovan’ny fizakan-tena: lesona avy amin’ny raibeko

“Tsy tranga indray miseho na asa vita indray mandeha ny fizakan-tena. Zavatra katsahina mandritra ny androm-piainana izany. Zavatra ezahantsika atao tsy tapaka izany.”

Raha lehibe tany Brezila aho dia nitantaran’ny raiko tantara momba ny raibeko mikasika ny fomba nifindrany monina avy tany Alemana nankany Brezila fony kely dia kely sy ny tsy nananany fahafahana handranto fianarana. Mpandoko teo amin’ny firaha-monina nisy azy ny raibeko. Reharehany tokoa ny asany ary nanao izay tsara indrindra vitany mandrakariva izy mba hihoatra ny zavatra andrasan’ireo mpanjifa ny zava-bitany. Vokatr’izany dia nanana asa betsaka foana izy. Afaka namelona tsara ny vadiny sy ireo zanany dimy izy tamin’ny alalan’ ny asany. Tsy nanan-karena izy ireo. Mbola sarotra ihany ny fiainana kanefa nanan-trano izy ireo ary nanana ireo zavatra ilaina fototra teo amin’ny fiainana. Sambatra izy ireo.

Tao anatin’izany tontolo izany no nahalehibe ny raiko. Nitovitovy tamin’izany ihany, tsy afaka nahavita ny ambaratonga faharoa ny raiko, kanefa nianatra avy tamin’ny rainy izy ny hanao lalandava izay tsara indrindra vitany. Mpamily no asany ary taty aorina dia lasa mpivarotra ho ana orinasa mpiantoka iray izy. Niasa mafy mandrakariva izy mba hanatratrarana ireo isan’ny entana mila lafo ka hahazoana tambin-karama ambony kokoa. Afaka namelona tsara ny fianakavianay izy tamin’ ny alalan’ny asa mafy nataony. Saingy misy lafin-javatra roa hafa teo amin’ny fiainan’ny raiko izay nanampy azy ho lasa mizaka tena: nandoa fahafolonkarena feno lalandava ny raiko ary nametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana teo amin’ny fiainany. Tsaroako izahay mianakavy niaraka namaky soratra masina sy nivavaka, nifoha maraina hanatrika seminera, mandeha any am-piangonana miaraka amin’ireo rahalahy sy anabaviko, manolotra ny valopin’ny fahafolonkarena amin’ny eveka. Tamin’ny alalan’ireny zavatra niainana bitika sy tsotra ireny no nampianaran-draiko anay ny lanjan’ny fizakan-tena ara-batana sy ny fizakan-tena ara-panahy ihany koa.

Tsy tranga indray miseho na asa vita indray mandeha ny fizakan-tena. Zavatra katsahina mandritra ny androm-piainana izany. Zavatra ezahantsika atao tsy tapaka izany. Mila manao izay tsara indrindra vitantsika foana isika ary indrindra indrindra mila marin-toetra amin’ny mpampiasa na mpanjifantsika. Inona no dikan’izany hoe marin-toetra amin’ny mpampiasa antsika izany? Amiko izany dia midika fa mandritra ireo ora fiasana aho dia hanao ny asako ary tsy hanao lalao ao amin’ny telefaoninako, ohatra. Raha mivarotra voatabia eny an-tsena ohatra aho dia ireo voatabia tsara indrindra no hovarotako fa tsy hataoko ho fanahy iniana ny manisy voatabia lo any amin’ny faravodin’ny harona. Inona no mitranga rehefa manao lalao ao amin’ny telefaoninantsika isika mandritra ny ora fiasana na manisy voatabia lo ao amin’ny harona? Mety hanana tombontsoa isika mandritra ny fotoana fohy saingy tsy hanana fivoarana maharitra isika. Tsy afaka mitahy antsika ny Tompo raha tsy marin-toetra isika. Misy soratra masina iray tonga ao an-tsaiko izay hita ao amin’ny 2 Nefia 9:28–29 manao toy izao: “Rehefa mahay izy dia manao azy ho hendry, ary tsy mihaino ny torohevitra Andriamanitra fa avelany izany noho ny fiheverana fa avy amin’ny tenany no ahafantarany, koa adalana ny fahendreny fa tsy mahasoa azy izany. Ary ho faty izy.

“Nefa tsara ny mahay raha mihaino ny torohevitra Andriamanitra.”

Tsy misy lalana manivaka ho an’ny fizakan-tena maharitra. Mitaky fotoana izany, mitaky fahafoizan-tena izany, mitaky fanaovana drafitra izany, ary tsy mora izany. ’Ndeha isika hanararaotra ny fahafahana rehetra ananantsika mba hianarana. Tsy fantatsika hoe rahoviana, na aiza, na amin’ny fomba ahoana no hilantsika ireo fahalalana norantovintsika. Io no fitsipika iray nianarako avy tamin’ny vadiko ary nitahy tamin’ny fomba lehibe tokoa ny fiainanay ara-nofo sy ara-panahy izany. Raha nandinika ny vadiko nampitombo ireo talentany aho dia nahatsikaritra fa ireo fahaiza-manao novoleny dia niteraka fahafahana ho azy mba hahafahany manompo ny hafa ankoatra ny ankohonanay. Noho izany dia afaka tsoahantsika avy amin’izany fa rehefa lasa mizaka tena isika dia hitahy ny fiainantsika sy ny an’ireo hafa manodidina antsika ihany koa.

Nahoana no manan-danja ny hoe mizaka tena? Ho ahy dia tena tsotra ny valiny: raha tsy mizaka tena isika, dia hametra ny fahafahantsika manampy sy manompo ny hafa.

Mivaky toy izao ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:11: “Ary indro, ianao no David, ary antsoina ianao hanampy, ka raha manao izany ianao ary mahatoky ianao dia hotahina na ara-panahy na ara-nofo, ary ho lehibe ny valisoanao. Amena.”

Eto ny Tompo dia niresaka tamin’i David Whitmer tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph, saingy afaka solointsika amin’ny anarantsika ny ao amin’io andininy io satria nantsoina hanampy ihany koa isika. Isika rehetra dia nasaina hanangona an’i Isiraely avy amin’ny lafy roan’ny voaly. Tahaka ny nampanantenaina an’i David, raha manao ny tsara indrindra vitantsika isika mba hanampiana Azy, dia hiahy antsika Izy na ara-panahy na ara-nofo.

Mila mandray an-tanana izay hiafarantsika isika. Ireo safidy ataontsika anio no hamaritra ny hoavintsika. Tsy maintsy hendry isika amin’ireo safidy ataontsika; tsy maintsy miasa mafy isika; ary ny lehibe indrindra dia tsy maintsy avelantsika hanjaka eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra, araka ny nianarantsika avy amin’ny Mpampinany malalantsika1. Rehefa mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika isika sy manao izay tsara indrindra vitantsika eo amin’ny asa nampandraiketina antsika, dia hahazo fitahiam-be isika.

Ny Loholona Ciro Schmeil dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny aprily 2020. Teraka tany Ponta Grossa, Brezila izy. Manambady an’i Alessandra Machado Louza izy. Manan-janaka roa izy ireo.

Naoty

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka”, Liahona, nôvambra 2020, 92.