2021
Zarao ao amin’ireo pejin’ny zava-misy eo an-toerana ao amin’ny Liahona ny tantaranao
Jolay 2021


Fanentanana Handefa Lahatsoratra

Zarao ao amin’ireo pejin’ny zava-misy eo an-toerana ao amin’ny Liahona ny tantaranao

Manana zavatra niainana mampitombo finoana tianao hozaraina ve ianao?

Te handre vaovao avy aminao izahay!

Raha mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana ao Afrika Atsimo ianao ary lasa nihanatanjaka na nianatra zavatra vaovao avy amin’ny zavatra niainana manokana, dia te handre vaovao avy aminao izahay.

Asaina manokana ianao hizara zavatra niainana manokana mifandray amin’ireo lohahevitra ao amin’ny Drafitry ny Vondromparitra ho an’ny taona 2021, izay ahitana ny:

  • Fampitomboana ny finoana an’i Jesoa Kristy

  • Fandalinana ny Bokin’i Môrmôna

  • Fitandremana ny andro Sabata ho masina

  • Fizarana ny filazantsara

  • Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao

  • Famonjena ireo mpikambana malaindaina

  • Fanaovana tantaram-pianakaviana sy fitondrana ireo anaran’ny olona ao amin’ny fianakaviana any amin’ny tempoly

  • Fiomanana hanao asa fitoriana ny filazantsara

  • Fandoavana fahafolonkarena feno

  • Fiainana ny lalàn’ny fifadian-kanina

Ny zavatra tokony hatao:

  • Soraty mazava tsara sy amin’ny fomba tsotra ny zavatra niainanao, ka ataovy mifantoka hatrany amin’ireo fitsipiky ny filazantsara izany.

  • Tsy tokony hihoatra ny 800 ny teny mandrafitra ny tantaranao.

  • Alaivo antoka fa miompana amin’ny zavatra niainana manokana sy ny zavatra notsoahinao avy amin’izany ny lahatsoratra soratanao. Tsy havoaka ny lahatsoratra miendrika “lahateny”.

  • Alefaso email amin’ny africasouth-communication@ChurchofJesusChrist.org ny tantara alefanao.

  • Ampidiro eo amin’ny farany ambony eo amin’ilay taratasy ny anaranao feno, ny paroasinao, ny tsatòka, ary ny laharan’ny telefaonina.

Marihina fa:

  • Hatonta ny tantaranao. Miomana azafady hiara-hiasa amin’ireo mpamoaka lahatsoratra ato aminay.

  • Mety haharitra volana maromaro ianao vao haharay valiny avy amin’ny ekipanay.

  • Tsy voatery havoaka ny zavatra nalefa rehetra.