2021
Niainga tamina karazan’asa madinidinika ka tonga tompon’orinasa: ny fomba nanorenan’ny fianakaviana mahatoky iray tsikelikely ny orinasan’izy ireo
Jolay 2021


HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA EO AN-TOERANA

Niainga tamina karazan’asa madinidinika ka tonga tompon’orinasa: ny fomba nanorenan’ny fianakaviana mahatoky iray tsikelikely ny orinasan’izy ireo

“Nilaza i Thatayaone Pule fa ilay dian’ny fianakaviany naharitra mba hananganana orinasa dia nanomboka tamin’ny -fivoriana fampianarana ny fomba fitsinjovana ny vodiandro merika- iray.”

Tena sambatra isika fa miaina ao anatin’ny andro sy fotoana izay handiavan’ireo mpaminany ny tany. Toy ireo mponin’ilay izao tontolo izao fahiny sy ireo izay monina ao amin’ilay izao tontolo izao vaovao, dia manana tombontsoa masina handre ny feon’ny lanitra isika amin’ ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika. Ny zavatra iray manokana izay nanaitra ahy nandritra ny lahateny voalohan’i Russell M. Nelson taorian’ ny nanohanana azy ho filohan’ny Fiangonana dia ny nilazany hoe: “Ry rahalahy sy anabavy malalako, miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takina mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy Masina matetika kokoa sy mazava kokoa”1.

Eo ambanin’ny fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra misy antsika, dia manana an’ilay fantatra amin’ny hoe “drafitry ny vondromparitra” isika. Izany raha ny marina dia drafitra iray ahitana ireo laharam-pahamehana ambaran’ny mpaminany na zavatra izay tian’ireo mpaminany hifatohantsika amin’izao andro farany izao. Variana foana aho rehefa mitsidika ny tokantranon’ireo mpikambana ary mahita ny tahadikan’ ny drafitry ny vondromparitra eo amin’ny vata fampagantsiahan’izy ireo na eny anelanelan’ny soratra masin’izy ireo na ao amin’ny trano fandraisam-bahinin’izy ireo. Izany dia marika fa vonona isika ny hahafantatra ary handray andraikitra eo anatrehan’ireo laharam-pahamehana ambaran’ny mpaminany.

Ireto manaraka ireto ireo lafin-javatra tena ifantohantsika ao anatin’ny drafitry ny vondromparitsika:

  1. Hampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy,

  2. Hanangona an’i Isiraely sy hanompo ny olon-drehetra, ary

  3. Ho lasa mizaka tena

Androany aho dia te hiresaka mikasika ny fizakan-tena. Matetika tokoa rehefa miresaka mikasika ny fizakan-tena isika dia tonga ity fieritreretana ity hoe, mifono fahatongavana ho mpanankarena na fananana ny ampy tanteraka izany. Mety marina izany amin’ny ampahany, saingy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia mianatra isika fa ny “fizakan-tena dia ny fahafahana sy ny fanoloran-tena ary fanaovana ezaka mba hamatsy ireo zavatra ilaina ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ho an’ny tena sy ny fianakaviana.”2

Nianatra zavatra maro dia maro tamin’ireo olomasina mahatoky maro dia maro manerana ny vondromparitra misy antsika aho izay nifofotra mba ho lasa mizaka tena. Te hizara aminareo ny tantaran-drahalahy Thatayaone Pule aho izay mipetraka any Kanye, Botswana. Efa hatrany amin’ny Kilonga no nahafantarako azy ary nahita ny fitomboany tao amin’ny Fiangonana aho.

Tsy mpikamban’ny Fiangonana ny ray aman-dreniny, ka nanaraka ny fandaharan’asa ho an’ny zatovo izy tamin’ny alalan’ny fanampian’ny hafa azy izay nandray azy ho toy ny zanak’izy ireo lahy. Nandeha nanao asa fitoriana izy rehefa feno 19 taona. Taorian’ny asa fitoriany dia nody izy ary tonga dia nanambady. Noho izy sy i Lesego vadiny izay mbola tanora tokoa ary mbola tsy nahavita ny fianarany tany amin’ny ambaratonga ambony, dia niaraka nanao karazan’asa madinidinika izy roa toy ny fanadiovana tokontanin’olona sy ny fanasana ny lamban’izy ireo mba hahafahana mahazo karama. Lasa nividy sy nivarotra voankazo sy anana izy ireo. Nanokatra toerana fanaovana internet izy ireo tamin’ny alalan’ny vola tahirin’izy ireo. Taty aoriana dia nahita asa izy ka lasa mpametaka caméra de surveillance. Noho izy atokisana dia lasa tompon’andraikitra misahana sampana iray eo anivon’ny orinasa izy ary efa-taona taty aoriana dia tafakatra ho tale misahana ny toerana iray ihodinan’ny orinasa. Tsy nanakana azy hanohy ny fifoforany mba hizaka tena anefa izany. Nirotsaka tao amin’ny fiompiana alika indray izy ary izany dia nitondra azy tany amin’ilay zavatra tena tiany hatao, dia ny fiompiana sy ny fambolena! Namidiny ireo alikany ary nividianany osy ny vola azo tamin’izany ary biby lehibe fiompy taty aoriana.

Farany dia nividy tany lehibe fanaovana fiompiana sy fambolena i Thatayaone izay hamboleny katsaka, pastèque, tsaramaso ary sorgho amin’izao fotoana izao. Rehefa nihatsara ny toe-javatra niainan’izy ireo dia nanohy nianatra Rahavavy Pule mba hahazoana mari-pahaizana momba ny fitantanana orinasa.

Nahay nampihatra ireo zavatra nianarana tany am-piangonana teo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro ity fianakaviana mahafinaritra ity. I Thatayaone dia eveka tao anatin’ny taona vitsy lasa izay ary lasa fitahiana lehibe ho an’ny fianakaviany sy ireo mpikamban’ ny Fiangonana ary ireo olana maro hafa eo anivon’ny fiarahamonina izay nitodika tany aminy mba haka torohevitra raha vao zavatra mahakasika ny fizakan-tena. Nandritra ny iray tamin’ireo fifampiresahana nataoko tamin’ny Eveka Pule dia nanontany azy ny tena niantombohan’ireo zavatra rehetra ireo aho, ka ny valin-teniny dia hoe: “Niantomboka izany rehetra izany taorian’ny fanatrehako fivoriana fampianarana ny fomba fitsinjovana ny vodiandro merika tany am-panaovako asa fitoriana.”

Ry rahalahy sy anabavy malala, izaho sy ianao, tahaka ny Eveka sy Rahavavy Pule, dia afaka mampihatra ireo fampianarana maro izay raisintsika amin’ny alalan’ireo fandaharan’asa tena tsara atolotry ny fiangonana. Rehefa mampihatra ny zavatra nianarantsika isika, dia afaka mampivoatra ny toe-javatra iainantsika manokana sy iainan’ny fianakaviantsika. Hanome fahafahana antsika izany avy eo mba hanolo-tanana sy hanompo ny hafa. Amin’ny alalan’ny fanoloran-tanana no hahatongavantsika ho fitahiana ho an’ireo mpiara-dia amintsika mandritra ity dia eto an-tany ity.

Rehefa mitodika any amin’ireo mpaminany isika ary manaraka ny torohevitra omen’izy ireo dia hahita fitahiana lehibe ho tonga eo amin’ny fiainantsika. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy ho tototr’ireo feo maro mifanipaka henontsika eto amin’izao tontolo izao; feo izay miteny antsika mba hilavo lefona, sy miteny amintsika fa mafy loatra ilay izy, ary feo izay miezaka ny mandetika ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy. Efa nihaona sy nifanerasera tamin’ny maro taminareo aho ary nihanatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananako rehefa nahita anareo nivavaka mba hahazo fanambarana mahakasika ny fomba hahatongavana ho mizaka tena sy nandray andraikitra teo anatrehan’izany. Fantatro fa mihaino sy mamaly ny vavaky ny mahatoky ny Raintsika any An-danitra. Vonona ny hanampy sy hitarika anao Izy, toy ny nitarihany ny fianakaviana Pule any Kanye izay mahatoky. Matokia ny fotoany ary manaova asa mba hanatanterahana ny tanjonao ho lasa mizaka tena. Atombohy amin’ny zavatra kely izany ary tohizo ny asa. Rehefa manao izany ianao, dia “hiteny ao an-tsainao sy ao am-ponao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina” ny Raintsika any An-danitra3. Fantatro fa maniry ny hitahy ny zanany Izy. Nahita ireo fitahiana avy Aminy teo amin’ny fiainako aho ary teo amin’ny fiainan’ny olona maro tsy tambo isaina izay nifanerasera tamiko. Mivavaka aho mba hatoky ireo fampanantenany isika ary hanaraka ireo fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany.

I Clement M. Matswagothata dia nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny aprily 2018. Manambady an’i Busisiwe Novelty Buthelezi izy. Manan-janaka telo izy ireo. Mipetraka any Gaborone, Botswana ny Loholona sy Rahavavy Matswagothata.

Naoty

  1. Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika”, Liahona, Mey 2018, 96.

  2. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ChurchofJesusChrist.org.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2.