2021
Ny fanoharana momba ny andriandahy: Fianarana ho an’ny fankatoavana
Septambra/Ôktôbra 2021


Avia, hanaraka Ahy

Ny fanoharana momba ny andriandahy: Fianarana ho an’ny fankatoavana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101

Ilay fanoharana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–62 dia ahitana fanoharana nomena mba hanazavana ny antony nanalana an-tery ireo Olomasina tsy ho ao Missouri.

Ao amin’ilay fanoharana ireo mpanompo dia nanomboka nanangana tilikambo kanefa avy eo nanapakevitra fa “tsy misy ilana” izany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:49). Saingy noho ny tsy nananganan’izy ireo ilay tilikambo dia tsy nanana filazana fanairana izy ireo rehefa misy fahavalo tafiditra ka manimba ny tanimboaloboka.

Sary
illustrations from parable of the nobleman

Nisy andriandahy iray nanome toromarika ireo mpanompony mba hamboly tanimboaloboka ka hanangana fefy manodidina ireo hazo sy tilikambo iray mba hahafahan’ny mpitily iray miambina ilay tany.

Ireo mpanompo dia namboly ilay tanimboaloboka sy nanangana ny fefy saingy nanapa-kevitra ny tsy hanangana ilay tilikambo.

Nisy fahavalo tsy nampoizina nandrava ilay tanimboaloboka.

Sary nataon‘i Ben Simonsen

Misy fotoana ve aho manana ahiahy momba ireo didin’ Andriamanitra?

Efa nisy fotoana ve ianao, tahaka ireo mpanompo ireo, nanontany tena raha toa ka tena ilaina marina ny didy iray? Mampianatra antsika io fanoharana io fa ireo didin’ Andriamanitra dia miaro antsika sy manampy antsika hiaina amim-pahasambarana (jereo ihany koa ny Môzià 2:41; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10).

Inona no afaka ataontsika rehefa tsy takatsika ny antony ilàna didy iray?

  • Mandinika ilay lohahevitra sy mivavaka mba hanampian’ny Tompo antsika hahatsapa “raha marina izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8).

  • Mahatsiaro ireo fotoana tany amin’ny lasa izay nahitana fitahiana vokatry ny fankatoavana.1

  • Manao asa amim-pinoana omban’ny fatokiana fa hotakatsika izany “aorian’ny fizahan-toetra ny finoan[tsika]” (Etera 12:6).

Sary
article on parable of the nobleman

Fanamarihana

  1. Neil L. Andersen, “Fahatsiarovana ara-panahy nanamarika ny fiainana,” Liahona, mey 2020, 18–22.