2021
Tobin’i Ziona—Miomana ny hanompo ny Tompo
Septambra/Ôktôbra 2021


Avia, hanaraka Ahy

Tobin’i Ziona—Miomana ny hanompo ny Tompo

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105

Sary
article on Zion’s Camp

Taorian’ny nandehanan’ilay vondrona mpikamban’ny Fiangonana fantatra amin’ny hoe Tobin’i Ziona kilômetatra maro mba hanampiana ireo Olomasin’ny Andro Farany namana, dia nilaza tamin’i Joseph Smith ny Tompo mba handrava ilay vondrona, eny na dia tsy nahatontosa ny tanjon’izy ireo azy izy ireo. Noho izany dia nolazain’ny sasany hoe tsy nahomby ny Tobin’i Ziona, saingy ireo izay nandray anjara tamin’izany kosa dia nijoro ho vavolombelona fa ny zavatra niainan’izy ireo dia nanomana azy ireo ho amin’ny fanompoana ny Tompo amin’ny hoavy.

Nandritra ilay dia lava nataon’izy ireo dia nitaraina sy niteny nanohitra an’i Joseph Smith ny sasany tamin’ireo olona tao amin’ilay vondrona, saingy ny sasany kosa dia nomba azy sy nianatra faharetana ary fankatoavana.

  • Febroary 1834: Nandray fanambarana ny hitady olona 100 farafahakeliny i Joseph Smith mba hankany Missouri ka hanampy ireo Olomasina haka indray ny tanin’izy ireo tany Jackson County.

  • Nihaona ireo vondrona 2 izay nandeha lalàna roa samihafa.

  • Lehilahy 205, sy zaza amam-behivavy niisa 25 teo ho eo no nandray anjara tamin’izany.

  • Teo amin’ny 32–64 kilometatra teo isan’andro no lalana nodiavin’izy ireo.

  • Nandeha nihoatra ny 1.450 kilometatra nitety faritany 4 ny ankamaroan’izy ireo.

  • Olomasina 13 no matin’ny fihanaky ny valanaretina kôlera tao amin’ny toby.

  • 8 tamin’ireo Apôstôly 12 voalohan’ny andro farany no nanompo tao amin’io toby io.

  • Ireo Fitopololahy voalohany rehetra nantsoina ho amin’ny andro farany dia mpikambana tao amin’ny toby avokoa.

  • Jona 1834: Nandray fanambarana ny Mpaminany Joseph izay manaiky ny fanoloran-tenan’ireo mpikambana tao amin’ilay toby ary nisaraka izy ireo avy eo.

Fifanakalozan-kevitra

Aminao, inona no dikan’ny hoe manavotra an’i Ziona? (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:15).