2021
Fanampiana avy any ampitan’ny voaly
Septambra/Ôktôbra 2021


Fanampiana avy any ampitan’ny voaly

Raha nandry tao anatin’ny fanaintainana tany amin’ny hôpitaly aho dia nahatsapa tena ho irery mandra-pahatsiarovako ireo razambe malalako.

Sary
translucent fabric

Sary avy amin’ny Getty Images

Bevohoka ny zanakay voalohany aho tamin’ny 2017. Nientanentana ery izaho sy i Luca vadiko saingy natahotra ny amin’ny fahaterahan’i Juan Lionel kely.

Nanomboka nihetsi-jaza aho indray alim-be tamin’ny fiandohan’ny volana febroary 2018. Valo volana monja no nitondrako vohoka saingy toa ho teraka mialoha ny tokony ho izy ilay zanakay. Nandroaka zavatra vitsy izahay dia nilomay fangaina ho any amin’ny tobim-pahasalamana. Tsy nahatsapa tena ho vonona ny hiteraka aho, saingy nivavaka aho, nangataka an’ Andriamanitra mba ho ny sitrapony no ho tanteraka na dia eo aza ny tahotro.

Rehefa tonga tany amin’ny tobim-pahasalamana izahay dia nampandrenesina ny zinekôlôgy mikarakara ahy saingy nilaza fa tsy ho tonga izy raha tsy afaka kelikely. Niantso sy nandefa hafatra tamin’ireo ray aman-dreniko sy ireo iray tam-po amiko ny vadiko saingy mbola natory tsy nisy taitra izy ireo. Nanohy niantso sy nandefa hafatra izy ny alina manontolo saingy tsy nisy olona namaly. Nahatonga ahy hahatsapa tena ho irery tokoa izany.

Vao mainka aho nahatsapa tena ho irery rehefa nitombo ny fanaintainako tamin’ny fihetsehan-jaza. Tampoka teo anefa dia nisy zavatra mahatalanjona nitranga. Nanomboka nieritreritra momba ireo razambeko aho—indrindra indrindra fa ny renibeko izay nitaiza ahy, Rosa Mercado, sy i Javiera Balmaceda reniny.

Rehefa nahatsiaro azy ireo aho dia tsapako tao am-poko sy tao an-tsaiko fa samy teo izy ireo niaraka tamiko tamin’izay fotoana izay. Tsapako ny fanatrehan’izy ireo izay nahery vaika sy feno fanehoam-pitiavana aoka izany hany ka tsy ampy ny teny hanehoako ny zavatra tsapako. Tsy nahita azy ireo aho, saingy tsapako teo akaiky teo izy ireo, nankahery sy nanohana ary nitia ahy tamin’ny fitiavan-dreny sy amin’ny maha-fianakaviako azy ireo. Tsapako fa anjely nanompo ahy izy ireo tamin’ny fotoan-tsarotra niainako.

Taona maro taloha, tany amin’ny tempoly, ny reniko, ny raiko, ireo iray tam-po amiko, ary izaho sy ny vadiko dia nanatanteraka ôrdônansy isoloana tena ho azy ireo ary ôrdônansy isoloana tena ho an’ireo razambe hafa. Tsapako fa ny herim-po noraisiko sy ny fahatsapana nananako fa teo akaiky teo ireo razambeko dia fanomezam-pahasoavana avy tamin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra.

Hatramin’izay dia nahatsapa ny fanahin’ireo razambeko aho tamin’ny tranga hafa, manampy ahy sy manoro lalana ahy amin’ny maha-reny sy vady ahy ary amin’ireo lafy manan-danja hafa amin’ny fiainako.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy hamela antsika irery eo amin’ny lalam-piainantsika Andriamanitra. Raha toa isika ka manao ny asany dia hahazo fanampiana avy any ampitan’ny voaly. Handray fitiavana, fahalalana, sy tanjaka, ary fiadanana “mihoatra noho ny fahalalana rehetra” isika (Filipiana 4:7).