2021
“Toy izany no hiantsoana ny Fiangonako”
Septambra/Ôktôbra 2021


“Toy izany no hiantsoana ny Fiangonako”

Rehefa mampiasa ny anarana fenon’ny Fiangonana isika dia ho voatahy sy mitahy ny hafa.

Sary
various people walk by a Church sign in Korean

Any Afrika, ireo olona izay nikaroka fiangonana mba hikambanana dia nilaza no nahazo tsindrimandry. Tao anatin’ny nofin’izy ireo dia nahazo toromarika izy ireo ny hitady fiangonana iray izay antsoina amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Teo am-pikarohan’izy ireo dia fiangonana iray ihany no hitan’izy ireo izay ny anaran’ny Mpamonjy no ivon’ilay izy—Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany.

Any Amerika Latina dia maro ireo Olomasin’ny Andro Farany izay nitatitra fa niteraka fahasorenana ny fanasan’izy ireo ny naman’izy ireo hivavaka ao amin’ny “Fiangonana Môrmôna.” Niova izany rehefa fanasana ny handeha hivavaka ao amin’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany no nataon’izy ireo. “Raha ny Fiangonan’i Jesoa Kristy no iantsoana ny fiangonanareo,” hoy ny navalin’ireo namany, “dia ho avy izahay ka hizaha.”

Aty Etazonia, dia nisy ankizilahy Kilonga iray nanasa ireo mpiray monina aminy hanatrika ny batisany. Nilaza ny mpitandrina ny antokom-pivavahana iray fa tsy ho nandeha nanatrika batisa ao amin’ny “Fiangonana Môrmôna” na oviana na oviana izy. Saingy noho ny fahitany fa mifantoka amin’i Jesoa Kristy ny fiangonan’ilay ankizilahy kely dia tonga nanatrika izany ilay mpitandrina sy ny vadiny.

Raha nangataka ny adiresy mailaka an’ny Fiangonana ny mpiasa mpanao famandrihan-toerana tamin’ny orinasa misahana fitaterana anabakabaka iray dia namaly ilay mpikambana hoe: “ldschurch.org.”

“Fiangonana inona izany?” hoy ilay mpiasa nanontany.

“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany,” hoy ny navalin’ilay mpikambana.

“Mandeha miasa aho isan’andro vaky izao tsy afaka miresaka na oviana na oviana akory momba ny Tompo,” hoy ilay mpiasa. “Mampamiratra ny tontolo androko ny mahalalala fa amin’izao isika miteny izao aho dia miresaka amina Kristianina iray hafa.”

Novain’ilay mpikamban’ny Fiangonana faingana ny adiresy mailaka ahafantaran’ny orinasa misahana fitaterana anabakabaka azy ka nampiany ilay adiresy mailaka vaovao ampiasain’ny Fiangonana: ChurchofJesusChrist.org.1

Fampanantenana tanteraka

Sary
family walking in front of a Church building

Ireo tantara mahavariana ireo dia maneho ny fahatanterahan’ny fampanantenana iray nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ny ôktôbra 2018 ka naveriny indray ny aprily 2020.

“Mampanantena anareo aho fa raha toa isika ka hanao ny tsara indrindra vitantsika mba hamerina amin’ny laoniny ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo, Izy izay tompon’ity Fiangonana ity no handrotsaka ny heriny sy ireo fitahiany amin’ny lohan’ireo Olomasin’ny Andro Farany toy izay mbola tsy fahitantsika” hoy ny Filoha Nelson. “Hanana ny fahalalana sy ny herin’ Andriamanitra isika mba hanampy antsika hitondra ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny manerana ny firenena ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra mba hanampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.”2

Vao tsy ela izay, tamin’ny alalan’ny tamba-jotran-tserasera ampiasaiko, dia nanasa ireo mpikamban’ny Fiangonana aho hilaza amiko momba ireo fitahiana noraisin’izy ireo avy amin’ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonana. Tohina ny foko raha naharay valin-teny mihoatra ny 2.600.

Tiako hozaraina aminareo ny sasantsasany tamin’ireo. Ho toy ny zavatra tsy zoviana aminareo izy ireo satria naharay fitahiana nitovitovy tamin’izany ianareo rehefa nanaraka ny torohevitry ny Filoha Nelson.

Akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy

Nampihetsi-po ahy ny fijoroana ho vavolombelon’i Jacob ny amin’ny fomba nanampian’ny anarana fenon’ny Fiangonana azy hifantoka amin’ny Mpamonjy: “Tsikaritro fa nihanisy fiantraikany tsikelikely tamin’ny lafy rehetra an’ny fiainako ny fifantohako tamin’i Jesoa Kristy,” hoy izy tamiko. “Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo aho dia mieritreritra Azy sy ny sorona fanavotana nataony. Rehefa mamaky soratra masina aho dia mahatsikaritra kokoa ny teniny sy ireo teny hafa manondro Azy. Nitarika ahy ho akaiky kokoa Azy izany ary nanampy ahy hahatakatra kokoa ny anjara asa sahaniny amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra ahy Azy.”

Nahatsapa tena ho voatahy aho raha nianatra ny dikan’ny Mpamonjy amin’i Beth sy i Bryce: “Nahatsapa fifandraisana akaiky kokoa amin’ny Mpamonjy ahy aho,” hoy i Beth. “Rehefa anontaniana aho hoe fiangonana inona no ivavahako, dia valiko fa mpikambana ao amin’ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho ary mahatsapa tena ho ao amin’ny toerana tokony hisy ahy aho ao amin’izany. Isan’ny vahoakany aho. Isan’ny fianakaviany aho. Azy aho.”

Nolazain’i Bryce tamiko fa ny anarana marin’ny Fiangonana dia nanampy azy “hahatsiaro hoe iza no tompoiko ary iza no olona izay lasa itoviako bebe kokoa. Mampatsiahy ahy izany fa ny Mpamonjy no ilay hany tokana manome ireny fampianarana ireny ary tsy avy amin’olombelona izy ireny.”

“Misy hery ao amin’ny anaran’ny Mpamonjy”

Sary
Christus statue

Nilaza toy izao i Haley, misiônera mitory filazantsara amin’ny fotoana feno: “Misy hery sy fahefana kokoa entin’ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo rehefa mampianatra ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny amin’ny hafa izahay. Isaky ny miteny aho hoe -Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany,- dia manamafy sy mijoro ho vavolombelona ny Fanahy fa io no Fiangonan’ny Tompo tafaverina amin’ny laonina eto an-tany ankehitriny. Tiako ny mampiasa ilay anarana marina satria izaho ihany koa dia manampy ny tenivavolombeloko amin’izany fahamarinana izany!”

Ary nilaza tamiko i Nicola hoe: “Taloha, raha niteny aho hoe-Môrmôna- dia matetika no nisy fisalasalana tao ao amin’ireo izay tsy isan’ny fiangonantsika. Mila ho renao ireny mihitsy ny tamberina mifamahofaho ao an-tsain’izy ireo ny amin’ny zavatra rehetra ren’izy ireo momba ny hoe -ireo Môrmôna.- Ankehitriny kosa dia misy fiadanam-po, izay matetika fandraisana tsara. Misy hery ao amin’ny anaran’ny Mpamonjy. Mitondra fiadanana izy. Nitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny filazantsara amin’ny filazana monja ny anarana marin’ny Fiangonana. Mahatsapa ny Fanahy aho isaky ny milaza izany. Indraindray dia izay no hany azoko lazaina momba ny zavatra inoantsika, saingy ampy izany.”

Manazava ireo fiheveran-diso

Nilaza i Harold, profesora ao amina oniversite iray aty Etazonia, fa ny fampiasana ny anarana fenon’ny Fiangonana dia nanampy azy hanazava ireo fiheveran-diso. Nolazainy ahy fa ny mpianatra iray raha niezaka ny namintina ny fifanakalozan-kevitra momba ny antokom-pivavahana dia nilaza hoe: “Amiko angamba ny antokom-pinoana rehetra dia Kristianina, ankoatra ireo Môrmôna.”

Fotoana tsara indrindra izany hanazavana izany fiheveran-diso izany ka hoy i Harold: “Nolazaiko ireo mpianatra fa ny hoe -Môrmôna- dia anarampetaka nomena ireo mpikamban’ny Fiangonana noho ny finoantsika ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ho soratra masina fahiny mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy.”

Nolazain’i Mary tamiko ny tao am-pony raha nozaraina tamiko ny fomba nitahian’ny fampiasana ny anarana fenon’ny Fiangonana azy tamin’ny fampianarana ireo zanany: “Tsy misavorovoro firy ny sain’ireo zanako ankehitriny rehefa mampianatra azy ireo aho fa Olomasin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao isika toy izay ny milaza fa hoe -Môrmôna- isika. Sahiran-tsaina izy ireo taloha ka nanontany ahy hoe: -Nahoana isika no antsoina hoe Môrmôna? Midika ve izany fa tsy Kristianina isika?- Tsapako fa nanampy azy ireo io fanovana io rehefa miresaka amin’ireo ankizy hafa any am-pianarana izay tsy mpikamban’ny Fiangonana.”

“Misiônera an’i Jesoa Kristy aho”

Nampanantena ny Filoha Nelson fa rehefa mampiasa ny anarana marin’ny Fiangonana isika dia “Hanana ny fahalalana sy ny herin’ Andriamanitra” entina hampielezana ny filazantsara. Nitondra aingam-panahy ho ahy i Teresa tamin’ny tantarany momba ny zava-nitranga raha nanontany azy momba ny Fiangonana ny namana iray tany am-piasany. Ho fanarahana ny torohevitry ny Filoha Nelson dia natombok’i Teresa tamin’ny fizarana ny anarana fenon’ny Fiangonana izany.

“Liana tamin’ny Fiangonana izy,” hoy izy tamiko. “Nozahany amam-bolana maro izany ary avy eo, tamin’ny fomba nahagaga, dia nataon’ny zanako lahy, izay eveka, batisa izy. Faly be aho tamin’izay andro izay, ary faly toraka izany koa ny fianakaviako. Marina ilay fampanantenana.”

Nilaza i Jordan fa olona maro no mbola tsy mahafantatra ny anaran’ny Fiangonana. “Ny fampiasana ny anarana fenon’ny Fiangonana,” hoy izy, “dia manome ahy fahafahana hanazava ny maha-ivon’ny Fiangonana an’i Kristy sy ny antony iantsoantsika ny tenantsika ho Olomasin’ny Andro Farany.”

Raha nanontany an’i Chloe ny lehilahy iray raha toa izy ka “misiônera Môrmôna,” dia nijoro ho vavolombelona nahery vaika izy hoe: “Tsia, misiônera an’i Jesoa Kristy aho.” Nolazain’i Chloe tamiko fa naneho faniriana hanaraka ny Mpamonjy ilay lehilahy, koa nampianariny azy fa Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany dia tarihin’ ny Mpamonjy. Avy eo dia nomeny fampahalalana momba ny Fiangonan[’i Jesoa Kristy] izy.

“Hantsoinareo amin’ny anarako ny fiangonana”

Sary
sister missionaries talking to a family in front of a Church building

Toy izao no nambaran’ny Mpamonjy raha nanambara tamin’i Joseph Smith ny anaran’ny Fiangonany: “Satria toa izany no hiantsoana ny fiangonako amin’ny andro farany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4). Ary toy izao no nolazainy tamin’ireo Nefita: “Hantsoinareo amin’ny anarako ny fiangonana,” satria “ahoana no maha-fiangonako azy raha tsy antsoina amin’ny anarako izy?” (3 Nefia 27:7, 8).

Mijoro ho vavolombelona miaraka amin’ny Olomasin’ny Andro Farany iray antsoina hoe Tommie aho fa rehefa mampiasa ny anarana fenon’ny Fiangonana isika dia ho voatahy sy mitahy ny hafa. Toy izao no nolazain’i Tommie tamiko: “Rehefa mizara amin’ny hafa ireo fitahiana avy amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany ahy aho amin’ny fotoana mahatezitra na maha-ao anatin’ny tahotra ny olona dia tsapako fa manampy ny hafa hahafantatra aho fa misy toeram-pialofana amin’ireo fotoan-tsarotra miaraka amin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy, izay miraharaha azy ireo sy manaraka Azy.”

Fanamarihana

  1. Isaorako ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nizara tamiko ireo tantara ireo.

  2. Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 89; jereo ihany koa ny “Manokatra ny lanitra mba hahazoana fanampiana,” Liahona, mey 2020, 73.