2021
Riga, Letonia
Septambra/Ôktôbra 2021


Tafaorina eto ny Fiangonana

Riga, Letonia

Sary
view of city of Riga, Latvia

Sary nalaina tao amin’ny stock.adobe.com

Riga, renivohitr’i Letonia, dia seranan-tsambo miala kely ny renirano izay eo amin’ny vavan’ny Renirano Daugava. Tamin’ny 1993 no nananganana ny sampana voalohany an’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany tany Letonia tao Riga. Ankehitriny dia i Riga no foiben’ny Misiônan’i Baltique. Ny Fiangonana any Letonia dia ahitana:

mpikambana 1.272

vondrona mpikambana 5

misiôna 1

Fotoana iarahana

Sary
family walking together in city

Ny zavatra tsotra toy ny fiarahana mandehandeha dia afaka ny ho fialamboly mampiorina. “Tsy misy mahasolo ny fotoana irahana,” hoy i Aleksandr Samigullin avy ao Riga, izay mankafy ny miaraka amin’i Svetlana vadiny sy ireo zanany.