2021
Inona no fitahiana raisin’ny madio am-po?
Septambra/Ôktôbra 2021


Avia, hanaraka Ahy

Inona no fitahiana raisin’ny madio am-po?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97

Sary
men working on Kirtland Temple

Sary nataon’i Dan Burr

Ao amin’ireo fizarana ireo isika dia hianatra momba ny didy nomen’ny Tompo ireo Olomasina tany aloha mba hanorina tempoly iray.

“Ny madio am-po … dia hahita an’ Andriamanitra”

Ao amin’ny fizarana 97 ny Tompo dia mampanantena fa raha manangana tempoly ny Olomasina ka mitandrina izany ho masina, “ny madio am-po rehetra izay hiditra ao dia hahita an’ Andriamanitra” (andininy 16). Rehefa avy nilaza io andininy io nandritra ny lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany iray ny Loholona David B. Haight (1906–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia hoy izy hoe:

“Marina tokoa fa tena nahita ny Mpamonjy ny olona sasany, kanefa rehefa mijery ao anatin’ny rakibolana ny olona iray dia mahita fa misy dikany maro ny teny hoe mahita, toy ny hoe lasa mahafantatra Azy, mahay manavaka Azy, mahalala Azy sy mahalala ny asany, mahatsapa ny lanjany na lasa mahatakatra ny momba Azy.

“Afaka mahazo fahatakarana sy fitahiana avy any an-danitra toy izany ny tsirairay avy amintsika.”1

Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao an’ Andriamanitra naneho ny Tenany tao amin’ny tempoly?

Asa atao handalinana soratra masina

Mamariparitra ny sasany amin’ireo fitahiana raisin’ireo madio am-po ireto soratra masina ireto:

Fifanakalozan-kevitra

Inona no zavatra tianao indrindra amin’ny fahafahanao mankao amin’ny tempoly?

Fanamarihana

  1. David B. Haight, “Temples and Work Therein,” Ensign, Nov. 1990, 61.