2021
Manampy ny hafa hiomana ho amin’ireo zavatra ilaina tsy ampoizina
Septambra/Ôktôbra 2021


Fitsipika momba ny fanompoana

Manampy ny hafa hiomana ho amin’ireo zavatra ilaina tsy ampoizina

Amin’ny maha-rahalahy sy rahavavy mpanompo antsika dia afaka manampy ireo rahalahy sy rahavavintsika hiomana amin’ny tontolo iray feno fanahiana isika.

Sary
a mother and her toddler son planting an indoor garden

Sary avy amin’ny Getty Images

Valanaretina, loza voajanahary, fitotonganana ara-toekarena tampoka, sy korontana ara-pôlitika, ary fifandonana feno herisetra—eny rarakopan’ireny izao tontolo izao nandritra ireo taona tao ho ato. Ankoatra ireo tranga lehibe ireo dia miatrika fanamby tsy ampoizina ihany koa isika eo amin’ny fiainantsika manokana, toy ny aretina, fisaraham-panambadiana, fahaverezan’ny fidiram-bola, sy ny sisa.

Ireo ezaka ataontsika mba hiomana amin’ireo zavatra tsy ampoizina dia afaka ny hahatonga ny tenantsika sy ny hafa tsy hitaintaina sy hieren-doza. Amin’ny maha-rahalahy sy rahavavy mpanompo antsika dia inona no azontsika hanampiana ireo olona akaikin’ny fontsika haharitra sy hamaha ireo fanamby sy olana tsy ampoizina?

Manome ohatra iray monja amin’izany i Carlomangno Aguilar avy any Angeles, Philippines. Rehefa fantany fa hihiboka ny ao amin’ny faritra misy azy noho ny valanaretina COVID-19 dia nilomay izy nividy vatsy, eny na dia hafa tamin’ny an’ireo manodidina azy aza ny lisitry ny entana novidiany. Nanana drafitra izy mba hiomanana amin’izany, dia ny fividianana ambioka sy zezika ho an’ny tanimboliny eo an-tokontaniny.

Sary
video still of man teaching about growing food

Nanokatra sehatra fizarana fampahalalana amin’ny internet i Carlomagno mba hampianarana momba ny fambolena sy fiompiana an-drenivohitra.

Mba hizakana tena kokoa dia an-taonany maro no naha-mpamboly sy mpiompy an-drenivohitra an’i Carlomagno. Nanompo ireo mpiara-belona taminy ihany koa izy tamin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo ny vokatry ny taniny sy ny fampianarana azy ireo hamboly ny sakafo haniny. Nanokatra sehatra fizarana fampahalalana amin’ny internet ihany koa izy ahitana ireo torohevitra sy horonan-tsary fanoroana ny fomba fanaovan-javatra izay azon’ny rehetra arahina, entina hanampina ireo rahalahy sy rahavavy ho lasa mizaka tena kokoa sy mba hiomana amin’ny hoavy.

Nampianatra ny Eveka W. Christopher Waddell, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Episkôpa mpiahy hoe: “Rehefa mampihatra fitsipika ara-panahy sy mikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo isika dia ho voatarika ka hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo ho antsika, isam-batan’olona sy fianakaviana, sy ny fomba tsara indrindra hampiharana ireo fitsipika manan-danjan’ny fahavononana amin’ireo zavatra ilaina ara-batana. Ny manomboka no dingana manan-danja indrindra” (“Mbola nisy hanina ihany,” Liahona, nôv. 2020, 44–45).

Ny fanampiana ny hafa hiomana ao anatin’ny tontolo miovaova be no fomba fototra hanehoana fitiavana tahaka ny an’i Kristy. ’Ndeha isika hifanampy hanao izany “dingana manan-danja indrindra” izany hanombohana azy.

Sosokevitra ho an’ny fanampiana ny hafa

Toy ny fanao, dia atombohy amin’ny alalan’ny fiaraha-mandinika sy fiarahana mila hevitra ombam-bavaka. Ireto sosokevitra manaraka ireto dia afaka manampy anareo handinika ny fomba hahafahanareo na ireo olona tompoinareo manomboka miomana mba hiatrehana ireo fanamby tsy ampoizina.

  1. Diniho amin’ny ambangovangony sy manontolo ny toe-javatra iray ary eritrereto ny ahafahan’izany rehetra izany hiara-hiasa ho amin’ny fahombiazana. Afaka miomana amin’ny fomba maro isika ho an’ireo lafy samihafa eo amin’ny fiainantsika. Manan-danja ny manangona sy mamokatra sakafo araka izay fahafahanao, miomàna ara-bola, manàna hery ara-pihetseham-po matanjaka, ary manaova drafitra ho an’ireo toe-javatra hamehana.

  2. Ifanakalozy hevitra ireo fanamby izay ampoizina indrindra fa hitranga eo amin’ny toerana onenanareo sy ny fomba hiatrehana azy ireny. Samy manana ny olana manokana hatrehany ireo faritra samihafa manerana izao tontolo izao. Raha toa ianareo ka mipetraka amina toerana misy horohorontany mateti-pitranga, dia ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahanareo miomana ao an-tokantrano mba hahatonga anareo ho hieren-doza, ohatra amin’izany ny fanohanana ny rindrina amin’ny fanaka mavesatra. Na raha toa ianareo ka mipetraka amina toerana misy rivodoza mateti-pitranga, dia ifanakalozy hevitra ny fomba hataonareo ao anatin’izany toe-draharaha izany, ohatra amin’izany ny fakana antoka fa mandeha hatrany ny vata fandraisam-peo mba handrenesana ireo vaovao na ny fifindrana ho amina toerana avo.

  3. Ifanakalozy hevitra ny hananganana tahirim-bola ho an’ny hamehana. Afaka manampy anao ny fanangonam-bola raha toa ka very asa ianao na misy fandaniana tsy nampoizina. Resaho ny fomba hanangonana vola, toy ny manomboka amin’ny kely sy manangona kely isaky ny mandray vola mandra-pahatratraranareo ny tanjonareo.

  4. Manangona vatsy ho an’ny fitaovana hiatrehana ny hamehana. Ny fananana fitaovana hiatrehana ny hamehana dia afaka manampy anareo ho vonana raha toa ka ilaina ny handaozanareo ny tranonareo mandritra ny fotoana fohy. Miaraha miasa amin’ny fieritreretana sy ny fanangonana ireo zavatra ilaina. Afaka vitaina ao anatina fotoana voafaritra izany ary tsy voatery hatao indray mandeha. Eritrereto ny toeram-pialofana, sakafo sy rano, vatsim-panafody, jiro, fifandraisana, antotan-taratasy manan-danja, vola, akanjo isoloana, zavatra ialana voly sy kojakoja ilaina (jeux, boky, kilalaon’ny ankizy, sy izay zavatra hafa ilaina).

  5. Manorena finamanana amin’ny olona tompoinao. Manan-danja ny manana fahaiza-manao amin’ny fiatrehana toe-javatra entina hifehezana ireo fihetseham-po izay manaraka ny olana. Iray amin’ireny fahaiza-manao ireny ny fananana fifandraisana tsara. Rehefa amafisinao orina ny fianamananao amin’ny olona dia hanampy azy ireo hanorina fifandraisana aman’olona izay afaka manome azy ireo fanohanana ara-batana na ara-pihetseham-po ianao.

  6. Miresaha momba ny tahirin-tsakafo. Afaka manampy ny fananana sakafo fanampiny vonona azo ampiasaina amin’ny hamehana. Mifamporisiha mba hanomboka amin’ny alalan’ny fanangonana vatsy ho an’ny fe-potoana fohy amin’ireo zavatra fahandronareo andavanandro izay azonareo ampiasaina sy fenoina indray. Avy eo dia manomboha manangona ireo foto-tsakafo ho an’ny fe-potoana lava. Raha toa ka tsy manana toerana ampy hanaovana tahirin-tsakafo ianareo na raràn’ny lalàna ny fanangonana sakafo betsaka, dia manaova tahirin-tsakafo mifanaraka amin’ireo toe-javatra iainanareo.