2021
Fanajana ireo zanak’ Andriamanitra rehetra
Septambra/Ôktôbra 2021


Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Fanajana ireo zanak’ Andriamanitra rehetra

Sary
women sitting in circle enjoying sharing stories in group meeting

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanentana antsika mba “hampitombo hatrany hatrany ny olona tiavintsika mandra-pitiavantsika ny olombelona rehetra” (Fampianaran’i Russell M. Nelson) [2018], 83). Ahoana no hanorenantsika fiarahamonina izay hahafahan’ny olona rehetra miara-miaina amim piraisan-kina dia eo aza ny fahasamihafana maro misy eo anivon’ireo zanak’ Andriamanitra?

Ao anatin’ny lahatsoratra hoe “Manorina an’i Ziona” (pejy 12) nosoratany dia manasa antsika ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hampiray ny fontsika sy ny saintsika eo am-panasantsika ny rehetra hanatona an’i Kristy. Ny “Mandresy ny fanavakavahana sy ny fitsarana an-tendrony: Afaka manorina fifanatonana isika” (pejy 18) dia afaka manampy amin’ny ezaka ataontsika mba ho iray. Mazava ho azy fa mba hampiray antsika dia mitaky ny fandraisantsika ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika isika fiangonana sy ny isam-batan’olona. Mianara misimisy kokoa ao amin’ny “Toy izany no hiantsoana ny Fiangonako” nataon’ny Filoha Henry B. Eyring (pejy 8).

Tsy didy fotsiny ihany ny fanorenana firaisan-kina ao anatin’ny fahasamihafana (jereo ny Jaona 17:21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27, fa fahafahana ho antsika ihany koa hianatra avy amin’ireo rahalahy sy anabavintsika avy amin’ny kolontsaina sy firazanana ary foto-piaviana hafa ary mba ho tahian’izy ireo. Manantena izahay fa ny laharan’ity volana ity dia hanampy antsika rehetra hiaina kokoa ao amin’ny firaisan-kina ao amin’i Kristy.

Amim-pitiavana,

Loholona Walter F. González

Ao amin’ny Fitopololahy

Mpanoro hevitra ao amin’ny Liahona