2021
Ny mpanjifako sa ny antsoko?
Septambra/Ôktôbra 2021


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ny mpanjifako sy ny antsoko?

Raha niezaka nanatontosa ireo andraikitro ao amin’ny fisoronana aho dia nasehon’ny Tompo ahy fa fantany ny toe-draharaha ara-bola nisy ahy.

Sary
briefcase

Sary avy amin’ny Getty Images

Rehefa nantsoina ho filohan’ny kôlejin’ny loholona aho tamin’ny taona 2000, dia fito monja ny loholona nanatrika ny fivorian’ny fisoronana. Sady tsy nahomby ihany koa izahay tamin’ireo fampianarana isan-tokantrano nataonay, izay antsoina ankehitriny hoe fanompoana.

Fantatro fa niatrika fanamby lehibe aho ny amin’ny fitaomana ireo loholona amin’ny fanatontosana andraikitra. Koa ho fanombohana dia nanapa-kevitra izahay ny hamerina handrafitra ireo fanendrena andraikitra sy hampitombo ny fanaraha-maso.

Koa satria aho mpisolovava miasa tena dia tsy eo an-toerana lava. Be asa be aho saingy niriko ny hanatanteraka ireo andraikitro ao amin’ny fisoronana.

Indray andro dia tsy maintsy nandeha fiara fitateram-bahoaka aho hankany amin’ny tanàn-dehibe iray hihaona amin’ny mpanjifa iray. Koa satria tsy dia nanam-bola firy aho dia nanantena fa hanaiky ny hanome vola mialoha ahy ilay mpanjifa.

Raha teny an-dalana ny haka fiara fitateram-bahoaka aho dia nanapa-kevitra ny handeha hijery ny sasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ny kôlejy sy namporisika azy ireo hamangy ireo fianakaviana iandraiketan’izy ireo. Nanadino ny sasany tamin’izy ireo saingy nanolo-tena ny hanao izany. Ny sasany nanolo-tena ny hanao ny famangian’izy ireo tamin’io herinandro io mihitsy.

Nampientanentana ahy ery ny fanolorantenan’izy ireo ka nanapa-kevitra aho ny hamangy sy hamporisika ireo mpikambana hafa tao amin’ny kôlejy. Tsy tsikaritro akory fa hay efa tamin’ny roa ambinifolo mahery. Koa naleoko nanapa-kevitra ny hankany amin’ny biraoko handinika ny toe-draharaha an’ilay mpanjifako toy izay handao ny tanàn-dehibe.

Tsy nampoiziko fa rehefa tonga tany amin’ny biraoko aho dia indro hitako ilay mpanjifako nijoro teo ivelany niaraka tamina olona iray hafa. Nohazavaiko tamin’ilay mpanjifa fa saika hamerina hijery ny toe-draharaha nisy azy aho ka hanao tatitra aminy ny ampitson’io. Nilaza izy fa tonga izy mba hampifankafantatra ahy amin’ny mpanjifa iray vaovao. Rehefa avy nifampiresaka izaho sy ilay namany dia nifanaraka tamin’ny sarany tokony haloany amiko hanampiana azy hamaha ny raharaha ara-pitsarana natrehany. Tampoka avy teo dia nanolo-tena ny hanome vola ahy mialoha ilay mpanjifa.

Fahagagana izany ho ahy. Fantatry ny Ray any An-danitra fa niezaka ny ho mahatoky Taminy aho. Fantany ihany koa ireo filàko. An-taonany no nitahiany ahy tamin’ny fomba maro, saingy tamin’ity indray mandeha ity dia tamin’ny endriny ara-bola no nitahiany ahy. Izy dia mitazona ny teny nomeny ao amin’ny soratra ho an’ireo izay manompo Azy, izay manao hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” (Matio 6:33).

Ary nanao ahoana ilay kôlejin’ny loholona nisy anay? Notahian’ny Tompo izahay rehefa niroso tao anatin’ny fanahin’ny firaisan-kina. Tsy ela dia nisondrotra ho 100 isan-jato ny tahan’ny famangianay isan-tokantrano, ary nitombo ho 35 ny isan’ny loholona mahatoky nanatrika ny fivorian’ny fisoronana nataonay.

Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka ny ho fitaovana ao amin’ny asan’ny Tompo isika rehetra ary afaka mahita fifaliana sy fitahiana amin’ny fanompoana Azy sy ny fanompoana ny hafa.