Antso ao amin’ny misiôna
Toko 3: Mandalina sy mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy


“Toko 3: Mandalina sy mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Torio ny filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Mandalina sy mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Torio ny filazantsarako.

Sary
The Baptism of Christ (Ny batisan’i Kristy), nataon’i Joseph Brickey

Toko 3

Mandalina sy mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ireo lesona ato amin’ity toko ity dia ahitana ireo fotopampianarana sy fitsipika ary didy ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ireto lesona ireto dia izay nasain’ireo mpaminany sy apôstôly velona hianaranao sy hampianarinao. Omena ato izy ireo mba hahafahanao manampy ny hafa hahatakatra mazava kokoa ny fotopampianaran’i Kristy.

Ny fanasana mba hatao batisa no fizarana voalohany ato amin’ity toko ity. Ahitana ireto lesona efatra manaraka ireto ny ambin’ilay toko:

Halalino ireo soratra masina ary raketo ny fotopampianarana ao anatin’ny lesona tsirairay. Rehefa manao izany ianao dia hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana halalininao ny Fanahy. Hanampy anao Izy hamantatra izay hambara sy hatao mba hanampiana ny hafa handray tenivavolombelona momba ny fahamarinana. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85.)

Hanjary ho fantatry ny olona feno kokoa ny Mpamonjy rehefa manao izay nanasany azy ireo mba hatao izy ireo. Manolora fanasana ao amin’ny lesona tsirairay, ary ampio ny olona hanaja ny fanolorantenan’izy ireo. Rehefa manaja ireo fanolorantena ny olona dia manomboka miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy miomana hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izy ireo.

Ampianaro ireo lesona rehetra mialoha sy aorian’ny batisa. Ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno no mandray andraikitra eo amin’ny fampianarana ny lesona ao amin’ireo fotoana roa ireo. Mandray anjara ny misiôneran’ny paroasy rehefa azo atao izany. Jereo ny toko 10 sy 13 mba hahitana fampahalalana momba ny fampandraisana anjara ny mpikambana ao amin’ny fampianarana.

Miomàna hampianatra

Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia avereno jerena ireo fampahalalana momba ny olona tsirairay ao amin’ny appli Torio ny Filazantsarako. Manaova drafitra ho an’ny lesona izay mifototra amin’ny zavatra ilain’ilay olona. Saintsaino ny zavatra tokony ho fantany sy tsapany mandritra ny fitsidihina hanaovana fampianarana. Hampivelatra ny ezaka ataonareo ny Fanahy rehefa maka fotoana hiomanana sy hanaovana drafitra ianareo.

Ireto misy fanontaniana vitsivitsy ho anao sy ny mpiara-mitory aminao mba hodinihinareo ombam-bavaka eo am-piomananareo hampianatra.

  • Inona no fanasana hatolotsika mba hanampiana ilay olona hanorina finoana an’i Kristy sy hivoatra? Ny fanasana no fomba hanampianareo ny olona hibebaka sy hiaina ny “ny herin’ilay Mpanavotra” (Helamàna 5:11). Diniho ny fivoaran’ilay olona sy ny toe-javatra iainany ary ireo zavatra ilainy. Mampidira fanasana iray na maromaro ao amin’ny drafitry ny lesonao avy eo.

  • Inona no fotopampianarana sy fitsipika hanampy ilay olona hanaja ny fanolorantena nasaintsika nataony? Fantaro ombam-bavaka ny fotopampianarana sy fitsipika izay hanampy ny olona hahatakatra ny antony maha-manan-danja ny fitandremana ny fanolorantenan’izy ireo ho azy ireo sy ho an’ny Tompo.

  • Ahoana no fomba hanampiantsika ilay olona hianatra ilay fotopampianarana. Mba hiomanana hampianatra ilay fotopampianarana dia halamino sy fintino izay hampianarinao amin’ny fampiasana ny lesona 1–4. Fantaro ireo fanontaniana, soratra masina, ohatra, ary haino vaky jery mifanaraka izay hanampy ilay olona hahatakatra izay ampianarinao. Jereo ny toko 10 mba hahitana fampahalalana momba ny fomba hanatsarana ny fampianaranao

  • Inona avy ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra noho ny fanekena sy fanajana ny fanolorantena? Rehefa mandalina ilay fotopampianarana ianao dia fantaro ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra. Rehefa mampianatra ianao dia mpampanantenà fitahiana ary mijoroa ho vavolombelona momba azy ireny.

  • Iza ireo mpikambana tokony handray anjara? Mandritra ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro dia fantaro ireo mpikambana afaka ny hanampy anareo hampianatra sy hanohana ilay olona. Ifanakalozy hevitra mialoha ny lesona ny momba ny fandraisan’izy ireo anjara. Jereo ny toko 10.

  • Inona no azontsika atao hanampiana ny olona hanaja ireo fanolorantenan’izy ireo aorian’ny fandaozantsika azy ireo? Jereo ny fivoarana amin’ny alalan’ny fifandraisana fohy isan’andro mba hanampiana ny olona hanaja ny fanolorantenan’izy ireo. Mitadiava fomba hampidirana ireo mpikambana eo amin’ny fanampiana ireo ampianarinareo mba hanaja ny fanolorantena nataon’izy ireo. Izany fifandraisana izany dia mety ahitana ny famakiana toko iray avy ao amin’ny bokin’i Môrmôna na soratra masina hafa. Raha toa ka tsy manaja ny fanolorantena natao teo aloha ny olona iray dia mety ho tsara kokoa ny manampy azy amin’izany mialoha ny handrosoana fanolorantena iray hafa. Jereo ny toko 11.

  • Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo ho tsara kokoa amin’ny fotoana manaraka? Aorian’ny fotoam-pampianarana tsirairay dia tombano ny zavatra niainan’ny olona ampianarinao. Mitombo ve ny finoan’izy ireo an’i Kristy? Mahatsapa ny Fanahy ve izy ireo? Mibebaka sy manao ary mitandrina fanekempihavanana ve izy ireo? Mivavaka, mandalina ny bokin’i Môrmôna, ary miangona ve izy ireo? Manaova dafitra mba hanampiana azy ireo.

Mampianara avy amin’ny fonareo araka ny fitarihan’ny Fanahy

Raha niresaka tamin’ny elders sy rahavavy, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

“Ny tanjontsika dia ny hampianatra ny hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny fomba izay mamela ny Fanahy hitarika ny misiônera sy ireo izay ampianarina. Tena ilaina ny mianatra ireo fitsipika ao anatin’ireo [lesona], saingy tsy tokony hampianarina toy ireny famelabelarana efa hay tsianjery fotsiny ireny izany. Ny misiônera dia tokony hahatsapa ho manana fahalalahana hampiasa ny teniny manokana rehefa bitsihin’ny Fanahy. Tsy tokony hanao fitanisan-javatra natao tsianjery izy, fa tokony hiresaka avy amin’ny fo amin’ny alalan’ny teniny manokana. Afaka tsy manaraka ny filaharan’ireo lesona izy, ka hanome izay hanentanin’ny Fanahy azy fa tokony hataony, araka izay mahasoa sy izay zavatra ilain’ilay [olona]. Tokony hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ireo fampianarana zarainy izy amin’ny alalan’ny fanambarana ny finoany manokana sy amin’ny alalan’ny teniny manokana.

Sary
misiônera mihaona amin’ny lehilahy iray

Manasà sy mampianara araka ny zavatra ilain’ny tsirairay

Manana fahafahana ianao hampianatra ireo lesona amin’izay fomba mety hanampy ny olona hiomana feno kokoa ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Ny lesona ampianarinao, sy ny fotoana hampianaranao izany, ary ny fotoana laninao amin’izany dia miankina indrindra amin’ny zavatra ilain’ny olona ampianarinao sy ny fitarihan’ny Fanahy. Ohatra, rehefa mampianatra olona izay tsy avy amina finoana kristiana ianao dia mety mila manomboka amin’ny fanampiana azy ireo hanana fifandraisana lehibe kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy fahatakarana ny drafiny (jereo ny “Mampianatra olona tsy avy amina finoana kristiana” ao amin’ny toko 10).

Avelao hitarika anao ho amin’izay fanasana hatolotra sy ny fotoana hanolorana izany ny Fanahy. Ny fanasana mety tsara izay atolotra amin’ny fotoana mety tsara dia afaka manosika ny olona hanao zavatra izay hampiorina ny finoany. Ireo fihetsika ireo dia afaka mitondra any amin’ny fiovam-po mahery vaika (jereo ny Môzià 5:2; Almà 5:12–14).

Mampianara lesona izay tsotra sy mazava ary fohy. Amin’ny ankapobeny ny fotoam-pampianarana iray dia tsy tokony hihoatra ny 30 minitra ary afaka mamangy olona iray ao anatin’ny 5 minitra monja ianao.

Hila fihaonana maromaro ianao matetika mba hampianarana ireo fitsipika ao amin’ny lesona iray. Matetika ny olona no hahatakatra tsara kokoa ny hafatrao raha toa ka mampianatra lesona fohy ianao, sy mampianatra matetitetika, ary mampianatra ampahany kely avy ao amin’ny loharanom-pitaovana.

Fandalinana ny soratra masina

Inona no asaina ampianarinao?

Nahoana no zava-dehibe ny mandalina ny fotopampianarana ao anatin’ireo lesona?