2021
Fiovam-po sy fifaliana maharitra
Janoary 2021


HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Fiovam-po sy fifaliana maharitra

“Na dia efa filohan’ny fikambanana ifanampiana azy aza izy dia mangetaheta ny hanompo bebe kokoa, ary tsy nitaraina akory, fa nanantena ny hanana antso sy andraikitra MISIMISY KOKOA raha ny marina. Nampanetry tena ahy lalina ireo faniriana tsara nananany mba hanompo ary nampianarina lesona kanto aho tamin’ny alalan’ny ohatra miavaky ny fiovam-po lalina nasehony.”

Iray amin’ireo tanjon’ny Fiangonana efa hatry ny ela ny hisian’ny fiovam-po lalina amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay nampanantenain’ireo mpaminany fa hitarika ho amin’ny fifaliana sy fahasambarana maharitra.1

Taloha kelin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, izaho sy ny vadiko dia nanana fahafahana niaina io fifaliana sy fahasambarana io teo anivon’ny vondrona Olomasina iray tany Windhoek, Namibie. Tamin’io izahay dia nanatri-maso Olomasina nampiseho ny fiovam-pon’izy ireo tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nahakasika lalina ahy ireto ohatra telo manaraka ireto.

Fifaliana amin’ny alalan’ny asa fanompoana:

Nandritra ny fivorian’ny mpitarika natao ny Sabotsy, taorian’ny fanomezana fampiofanana dia notohizanay tamin’ny fotoana ho an’ny fanontaniana sy valiny ny fivoriana. Nisy anabavy iray nipetraka teny amin’ny seza lava farany nanangana ny tanany ary nanambara ny tenany ho ny Filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny distrika, dia nametraka izao fanontaniana manaraka izao: “Afaka manana antso fanindroany na fanintelony eny fa na dia faninefany mihitsy aza ve isika ato amin’ny Fiangonana?” Avy hatrany aho dia nihevitra fa hoe mety ho sahiran-tsaina momba ireo rahavavy lasa mitondra enta-mavesatra noho ireo zavatra takin’ny asa fanompoana ato am-piangonana angamba izy, indrindra fa ao amina distrika izay vitsy ny fitambaram-ben’ny isan’ny mpikambana. Koa dia notohizako tamin’ny fanazavana fa miezaka isika ato amin’ny Fiangonana ny hanaraka fitsipika iray hoe antso iray ihany isaky ny mpikambana. Tsy nampoiziko anefa fa toa nalahelo sy diso fanantenana izy tamin’io valin-teny io. Tao anatin’ireo fifanakalozan-kevitra mahafinaritra taorian’izay dia lasa takatro ny fahadiovana sy ny fahamarinan’ny fikasana nofonosin’ny fanontaniany. Na dia efa filohan’ny fikambanana ifanampiana azy aza izy dia mangetaheta ny hanompo bebe kokoa, ary tsy nitaraina akory, fa nanantena ny hanana antso sy andraikitra MISIMISY KOKOA raha ny marina. Nampanetry tena ahy lalina ireo faniriana tsara nananany mba hanompo ary nampianarina lesona kanto aho tamin’ny alalan’ny ohatra miavaky ny fiovam-po lalina nasehony. Rehefa nihavao ny fahatakarana ara-panahy nanananay dia noresahanay ny amin’ny fomba hahafahana mahita fifaliana lehibe amin’ny fananana na dia antso iray aza rehefa manompo sy mikatsaka fahafahana manompo tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy ankoatra ireo fivoriana sy andraikitra manokana sahanintsika. Eo am-pahatsiarovana io zavatra niainana nampanetry tena io aho dia mahatsiahy ny tenin’ny Mpamonjy raha namangy ireo Nefita Izy, izay manao hoe “tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho . . .”2.

Fifaliana amin’ny alalan’ny fahafoizantena:

Nandritra ny tolakandron’io fivorian’ny mpitarika natao ny Sabotsy io ihany dia nahatsikaritra zatovo vitsivitsy niditra tsimoramora tao amin’ilay fivoriana aho dia nihaino tsara tamim-panajana ireo fampianarana sy ireo fifanakalozan-kevitra izy ireo. Nahagaga ahy ny nahita azy ireo satria ireo olon-dehibe ao amin’ny filankevitry ny distrika sy ny sampana no nasaina hanatrika ilay fivorian’ny mpitarika, ary amin’ny ankapobeny dia tsy marisika ny zatovo hanatrika fivoriam-piangonana hafa izay maharitra ela, indrindra rehefa tsy mahakasika azy ireo izany. Taorian’ilay fivoriana dia nihaona tamin’ireo zatovo mahafinaritra ireo izahay ary namantatra bebe kokoa ny mombamomba azy ireo. Gaga aho raha nandre fa vao avy niala fiara fitateram-bahoaka avy tany amin’ny toerana adiny fito niala teo izy ireo. Nankany amin’ny trano fiangonana avy hatrany izy ireo nomban’ny faniriana hahatsapa ny Fanahy mandritra ny fivoriamben’ny disitrika izay natao tamin’io faran’ny herinandro io. Hita niharihary fa dia heniky ny hafaliana izy ireo noho ny fahafahany niaraka tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana naman’izy ireo tany amin’ny toerana lavitra ny misy ny fonenan’izy ireo any Namibia avaratra. Maro tamin’izy ireo no mpikambana vao niova fo, ary maro ireo teo am-piomanana ny handeha hitory ny filazantsara na dia mipetraka any amin’ny tanàna izay tsy misy rantsan’ny Fiangonana akory aza. Notarihin’ny mpitory filazantsara iray efa niverina izay mamirapiratry ny fifaliana avy amin’ny filazantsara izy ireo, izay mifanentana tsara aminy ny anarany antsoina hoe “Happy” (Faly). Vantany vao tapitra ilay fivoriana Alahadin’ilay fihaonambe dia nandray fiara fitaterana indray ity vondrona tanora mahatalanjona ity hanao dia maharitra adiny fito iverenana mba hahatongavan’izy ireo ara-potoana any an-trano fa hianatra sy hiasa ny Alatsinainy. Talanjona aho tamin’ny fahavononan’izy ireo hanao dia avy lavitra izay mitaky fahafoizantena lehibe manokana mba hihainoana ny tenin’ny Tompo ary mahafinaritra ahy ny mahafantatra ankehitriny fa misy sampan’ny Fiangonana natsangana any amin’ny tanan’i Ongwediva, izay misy azy ireo hatramin’izay fotoan’izay.

Fifaliana amin’ny alalan’ny fanasana:

Ny ohatra fahatelo amin’ny fivam-po lalina dia nanomboka taorian’ny fivoriana Sabotsy hariva an’ny fihaonambe ho an’ny olon-dehibe. Fivoriana nahafinaritra heniky ny Fanahy izany, izay nahitana mpikambana maro nizara ny zavatra niainany faran’izay manokana ny amin’ny fomba nahitan’izy ireo ny Fiangonana na ny fomba niverenan’izy ireo tato amin’ny vala tamin’ny alalan’ny fitiavan’ny mpiara-mivavaka iray. Ny Fanahy dia nampianatra anay rehetra mazava tsara ny hery ara-panahy lehibe izay mifaningotra amin’ny fanasana tsotra am-pitiavana mba ho “avy sy hizaha” na mba “hiverina hody”.

Nasaiko avokoa ireo tonga nanatrika mba hieritreritra olona iray ao amin’ny fianakaviana izay malaindaina, na olona tsy iray finoana amintsika, izay azon’izy ireo antsoina ny alin’io ihany ary hanasa azy hiaraka aminay ny ampitson’io. Ny ampitso marainan’io, taorian’ilay fivoriana Alahady maraina an’ny fihaonambe izay nankahery ny fanahy dia tohina aho raha nanatona ahy ireo mpikambana maro be dodona ery ny hampahafantatra anay amin’ireo namana tsy mpikambana sy ireo fianakaviana nalaindaina, izay nasain’izy ireo ny omaly alin’io mba ho avy hiaraka amin’izy ireo hanatrika ny fivoriana mandritra ny Sabata tamin’io fihaonambe io. Zavatra niainana nahafaly tokoa ny nahatsapa mivantana ny fitiavana tsapan’ireo izay nasaina, ary ny fitiavana sy ny finoan’ireo izay nandray andraikitra tamin’ilay fanasana noraisina ny omaly alin’io. Tena nahatsapa marina ilay hafaliana nofariparitan’i Almà izy ireo tamin’ny naha-fitaovana teo am-pelatanan’ny Tompo azy ireo tamin’ny alalan’ny fanasana ny hafa ho avy sy hianoka ny fifaliana entin’ny filazantsara.3

Tao anatin’ireo volana lasa hatramin’io fahafahana nifandray tamin’ireo rahalahy sy anabavy tany Namibia io dia matetika aho no mieritreritra ilay fampanantenan’ny Tompo manao hoe: “na aiza na aiza no iangonan’ny roa [na mihoatra izany] amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho”.4 Miova fo aho, ary hatanjahana ny fijoroako ho vavolombelona rehefa mianatra avy amin’ny Olomasina toy ireny momba ny tena dikan’izany hoe mpianatr’i Kristy izany aho. Ary mahatsapa fifaliana lehibe aho avy amin’ny fahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra mirotsaka amin’ireo izay miara-mivory mba hifankahery amin’ny alalan’ny “fiasan’ny Fanahy sy [amin’ny] alalan’ny herin’ny Fanahy Masina”.5

Ianarantsika avy amin’ny alalan’ireo ohatry ny fiovam-po marina izay tsotra kanefa mahery vaika ireo ny dikan’ny hoe “mpankatò ny teny [. . .], fa [tsy] mpihaino fotsiny ihany”.6 Hitantsika ny fahasamihafan’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fiovam-po. Misy maha-samy hafa ny “mahafantatra ny marina” sy ny “fampiharana izay fantatsika fa marina”. Nampianatra i Jesoa Kristy fa ny fiovam-po dia mitombo amin’ny alalan’ny fahavononana ny hanao asa am-pinoana. Nampianariny tamin’ny fomba tsotra fa amin’ny fanaovana ny sitrapony no hahafantarantsika ny fotopampianarany.7 Ny tsirairay avy amin’ireo ohatra telo norazaiko ireo dia sady fanehoana ivelany ny fiovam-po no asa fanehoana finoana izay ahafahan’ny fiovam-po amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy hilentika lalina kokoa ao am-pon’ireo mpikambana marina sy mahatoky.

Enga anie isika hikatsaka ny hampiorina lalina ny fiovam-pontsika amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nataony eo amin’ny sehatra rehetra amin’ny fiainantsika. Tafiditra ao amin’izany ny fanompoana ny hafa, sy ny fahafoizantena hihainoana ny tenin’ny Tompo, ary ny fizarana am-pitiavana sy am-pientanentanana ny fifaliana entin’ny filazantsara. Mijoro ho vavolombelona aho fa na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainantsika dia izany no hitondra fifaliana sy fahasambarana maharitra ho antsika tsirairay avy.

I S. Mark Palmer dia voatendry ho Fitopololahy Manam-pahefana Ambony tamin’ny aprily 2016. Vadin’i Jacqueline Ann Wood izy; manan-janaka enina izy ireo.

Fanovozan-kevitra ambany pejy

  1. Jereo ny Quentin L. Cook, “Fiovam-po lalina sy maharitra ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo,” Liahona, Nôv. 2018, 8–11; Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana”, Liahona, Nôv. 2018, 6–8; jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “ Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy ”, Liahona, Nôv. 2016, 81–84.

  2. 3 Nefia 19:35.

  3. Jereo ny Almà 26:3.

  4. Matio 18:20.

  5. Môrônia 6:9.

  6. Jakoba 1:22.

  7. Jereo ny Jaona 7:17.