2021
Fiaretana sy faharetana ary finoana
Janoary 2021


TANTARAN’NY FIANGONANA

Fiaretana sy faharetana ary finoana

“Nahita solosaina efa tonta izy dia namboariny, nampifandraisiny tamin’ny internet ary tamin’ny fampiasana ny tambazotran-tserasera dia nifandray tamina misiônera vehivavy nanompo tao amin’ny misiônan’i Temple Square, Utah Salt Lake City, izy.”

Manerana ny soratra masina isika dia mianatra momba ny mpaminany sy ny hafa izay niaritra tao anatin’ny fahasarotana tena mafy, anisan’izany i Paoly Apôstôly, i Abinadia, ny Kapiteny Môrônia, ary i Samoela ilay Lamanita. Ao amin’ny Helamàna 13:2–4 isika dia mamaky momba an’i Samoela izay nandeha tao Zarahemlà, tanàna Nefita mba hitory fibebahana, saingy “natsipin[’ny vahoaka] tany ivelany izy, ary efa saika hiverina any amin’ny taniny ihany izy.

“Nefa indro, tonga taminy ny feon’ny Tompo fa tokony hiverina indray izy ary haminany amin’ny vahoaka.

“. . . koa nandeha izy ary niakatra teo amin’ny manda . . . ary naninjitra ny tanany sy nihiaka tamin’ny feo mahery.”

Tsy misy olona maniry ny hihosina amin’ny olona izay naneho mazava tsara fa tsy mandray anao izany, saingy nankatò ny Tompo i Samoela ary niverina tany Zarahemlà. Izy dia niaritra nanao zavatra izay fantany fa tena sarotra be, izay mety hiteraka ny fahafatesany mihitsy aza.

Ny hoe miaritra dia ny manohy hatrany manao ezaka. Izany dia ny tsy fiovaovana amin’ny fiezahana manatratra tanjona na fahatanterahan-javatra iray. Izany dia ny fiezahana tsy tapaka manatanteraka zavatra nampanaovina eny fa na dia miatrika sakana sy fanemorana aza izany.

Nisy ohatra iray momba ny fiaretana nitranga vao tsy ela tao Kasungu, Malawi. Raha nahare momba ny Fiangonana i Weston Kapasule nandritra ny fianarany teôlôjia dia naniry mafy ny hianatra misimisy kokoa momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy izy, saingy tamin’ny 2013 dia mbola tsy voatendry hiasa tao amin’ny tanàna ambanivohitra fiaviany ireo misiônera. Tsy kivy anefa i Weston. Nahita solosaina efa tonta izy dia namboariny, nampifandraisiny tamin’ny internet ary tamin’ny fampiasana ny tambazotran-tserasera dia nifandray tamina misiônera vehivavy nanompo tao amin’ny misiônan’i Temple Square, Utah Salt Lake City, izy. Tao anatin’ny enin-taona taorian’izay dia nampianarina misiônera isan-karazany tamin’ny alalan’ny internet i Weston, niaraka tamin’i Amram Musungu, teratany Keniana sady mpikambana misiônera mavitrika monina ao Salt Lake City, Utah, Etazonia amin’izao. Nandritra izany fotoana izany, rehefa nahafantatra momba ny fanirian’i Weston ny hanana ny filazantsara teo amin’ny fiainany ireo filohan’ny misiôna tao amin’ny misiônan’i Lusaka Zambie, dia nandefa misiônera zokiolona izy ireo mba hanompo azy sy hizara tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna sy boky torolalana ary loharanom-pitaovana hafa.

Saingy mbola tsy fotoana hanaovany batisa tamin’izany. I Kasungu dia lavitra an’i Blantyre na Lilongwe, ireo faritra roa nisy ny Fiangonana tao Malawi sy nanombohany nanorina sampana mafy fototra. Zava-dehibe ny fampivoarana ireo ivom-paritra ireo, izay fantatra amin’ny hoe foiben’ny tanjaka, mialoha ny hitondrana ny Fiangonana any amin’ireo faritra lavitra manodidina. Io fomba fanorenana ny Fiangonana manomboka amin’ireo foiben’ny tanjaka ireo dia manome antoka ny hisian’ny mpitarika matanjaka sy fototra iorenan’ny fanohanana ireo mpikambana sy ireo vao niova fo. Rehefa tsara orina ny foiben’ny tanjaka dia azo atao ny manorina sampana fanampiny, araka ny fotoan’ny Tompo, tahaka ilay mitsangana ao Kasungu amin’izao.

Raha nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny filazantsara, sy niaritra tamin’ny fianarana tsy tapaka misimisy kokoa, ary niandry tamim-paharetana ny batisa sy ny fahatongavan’ny Fiangonana tao Kasungu i Weston dia nizara ny zavatra nianarany tamin’ny fianakaviana sy ny hafa izy, izay nizara ihany koa tamin’ny hafa tao Kasingu. Nahazo lalana nony farany ny hipetrahan’ireo misiônera tao tamin’ny faraparan’ny taona 2019, ary rehefa avy niaritra tamim-paharetana nandritra ny taona maro dia nanomboka natao batisa ireo mpikambana tao amin’ny vondron’i Kusungu tamin’ny andro voalohan’ny febroary 2020. I Weston no anisan’ny voalohany niditra ny ranon’ny batisa. Nisy olona maherin’ny zato niaraka taminy.

Sarotra tamin’i Weston sy ireo olona tao Kasungu izay nikatsaka ny fitahian’ny Fiangonan’i Tompo ve ny fiaretana? Tena saotra mihitsy. Saingy tsy nanakana azy ireo hikatsaka sy hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na tamin’ny fampiroboroboana ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo ny fiatrehana zava-tsarotra.

“Mino aho fa teo ny famindrampon’ Andriamanitra,” hoy i Weston. “Tsy tokony hanalavitra an’io fahamarinana io isika ka hiverin-dalana. Izany mihitsy no nandrafitra anay ka nahatonga anay ho toy izao ankehitriny. Koa niaritra aho. . . . Fantatro fa tian’ Andriamanitra handalo tamin’izany dingana izany [izahay] mba ho tonga tahaka izao ankehitriny izao.”

Ankehitriny dia misy sampan’ny Fiangonana iray ao Kasungu ary be ny fifaliana.