2021
Avelao ny hazavanao hamiratra
Janoary 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

Avelao ny hazavanao hamiratra

“Raha nikarokaroka tao izy, tsy misy azo amaritana izany afa-tsy hoe fitaomana avy amin’ny Fanahy, dia tonga tany amin’ny tapany ilan’ny tany.”

I Nairobi dia fonenan’ny mponina maherin’ny 4 tapitrisa. Fantatra amin’ireo arabeny feno fihetsiketsehana sy ny vahoakany tia mivondrona ary tontolo mahafinaritra ny maso, dia tsy sarotra ny mahita ny antony mahatonga io Tanàna maitso eo ambany masoandro io raisina ho ivon’i Kenya. Miaraka amin’ireo tsatòkan’i Ziona anankiroa sy vondrona 54 miparitaka manerana ny faritra maro dia tsy mitsaha-mitombo ho lasa ivon-toeran’ny tanjaka io firenena mavitrika ao Afrika Atsinanana io; toerana matanjaka isian’ny olomasina izay manaja ny Tompo sy mikatsaka ny handeha eo amin’ny lalany.

I Stephen Owino dia mponina efa ela ao amin’ilay tanàna ary mpamaky lain’ny andro maoderina ara-bakiteny izy. Miorina tsara ao amin’ny finoana matanjaka izay ananany ny fahalianana sy ny faharetana amin’ny fikatsahana ny fahamarinana. Ny tantara mampihetsi-pon’ny fiovam-pony dia ahitana mpandray anjara anankiroa, avy amin’ny kaontinanta roa samy hafa, izay niara-niasa mba hanampy azy teo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra izay nodiaviny tsara. Io raim-pianakaviana manan-janaka telo io izay malefaka sy sariaka dia nitolona tamin’ireo fanontaniana izay nananan’i Joseph Smith sy izay tsy maintsy apetrak’ireo mpikatsaka marina ny fahamarinana ihany koa. Iza moa aho? Inona no tanjon’ny fiainana? Inona no fiangonana tokony hidirako ho mpikambana?

Ny dian’i Stephen teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia nanomboka tamin’ny fanaovany fikarohana tsotra tamin’ny internet ireo fiangonana tao Kenya tamin’ny 2018. Nandritra ny iray tamin’ireo fikarohana ireo no sendra nahitany filazana nandalo momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary nieritreritra izy hoe: “Mba lava koa izany anarana izany raha anarana fiangonana.” Raha nikarokaroka tao izy, tsy misy azo amaritana izany afa-tsy hoe fitaomana avy amin’ny Fanahy, dia tonga tany amin’ny tapany ilan’ny tany, niresaka tamin’i Tonya Isom nikatsaka fahafahana hihaona amin’ireo misiônera mba hahafahany mianatra bebe kokoa momba ny finoany. Nahoana no i Tonya? Noho ny antony izay tsy hainy hazavaina dia niavaka tamin’ireo sary hafa rehetra ny sariny tao amin’ny pejy Facebook ôfisialin’ny Fiangonana ary nahatsapa izy fa afaka nanampy azy i Tonya hahita ireo valim-panontaniana tadiaviny.

Herinandro maromaro no lasa vao namaky ny hafatr’i Stephen i Tonya. Tao anatin’ny valin-teniny dia nasiany rohy mankany amin’ny tranonkala ôfisialin’ny Fiangonana ary nanoro lalana an’i Stephen ny amin’ny fomba ahafahana mifandray amin’ireo misiônera eo an-toerana. Tamin’ny alalan’ny localisateur d’église tao amin’ny internet dia nanampy an’i Stephen hahita ny trano fiangonana akaiky indrindra izy, izay eo amin’ny 16 km miala ny fonenany ao Alamo, Californie.

Ny fotoana tena mety amin’ny Tompo

Tamin’ny 24 janoary 2020 i Tonya dia nanampy an’i Stephen hifandray amin’i Elder James Steward sy ny namana mpiara-manompo aminy, izay misiônera amin’ny fotoana feno nanompo tao amin’ny paroasy misy azy ao Californie tamin’izany fotoana izany. Tao anatin’ireo telo volana nanaraka izay dia nitafasiry tamin’i Stephen tamin’ny alalan’ny WhatsApp ireo misiônera ireo, nizara taminy ny hafatry ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Namporisihan’izy ireo hamaky ny Bokin’i Môrmôna izy ary handeha tsy tapaka any am-piangonana.

Koa satria mipetraka ao Nairobi i Stephen, ny andraikitra hampianatra sy hanomana an’i Stephen ho amin’ny batisa dia nomen’ny Filohan’ny Misiônan’i Nairobi Kenya, i Khumbulani Mdletshe an-dRahavavy Clementine sy Fretton ary Dingli, izay misiônera amin’ny fotoana feno nanompo tao Nairobi.Nanomboka nampianatra an’i Stephen ireo lesona misiônera izy ireo.

I Elder Steward, izay nihazona rakitsoratra elektrônika momba ny fivoaran’i Stephen, dia tena faly rehefa nahare fa natao batisa i Stephen enim-bolana taorian’ny nifankahitan’izy ireo. Nantsoin’i Elder Steward hoe “ny fotoana tena mety amin’ny Tompo” io traikefa voalohany nananany hampianatra amin’ny internet io, mbola taloha lavitra ny nahalasa fomba fiasa izany tao amin’ny misiônany.

Tamin’ny 23 aogositra 2020 i Elder Steward, niaraka tamin’i Tonya (sy mpikambana sasany tao amin’ny fianakavian’i Tonya), dia nanao antso an-tsary mba hijery ny batisan’i Stephen sy ny fandraisana azy ho mpikambana ary ny fanendrena azy ho ao amin’ny Fisoronana Aharôna taorian’izay teo ambany fametrahan-tanan’ny eveka Benard Oliech, tao amin’ny paroasin’i Upper Hill ao Nairobi. Tena mahavariana ny mijery ny zava-bitan’ny teknôlôjia maoderina, hoe mandritra izao fotoan’ny COVID-19 izao dia mbola mandeha hatrany ny asan’ny Tompo. Ireo izay nanatrika ilay batisa tamin’ny alalan’ny sary dia nanoritsoritra ny fahatsapana ny Fanahy avy tamin’ireo toerana samihafa nisy azy teto amin’izao tontolo izao.“Fahagagana amin’ny andro maoderina izany,” hoy i Tonya.

Nahita fampiononana tamin’ny fizarana ny filazantsara i Tonya. Tena mino izy fa: “Izay omena be no takiana be.” Tao anatin’ny antso an-tsary natrehan’ireo mpikambana tao amin’ny paroasin’i Upper Hill dia nananatra ny rehetra izy hoe: “Tsarovy fa lehibe ny hasarobidin’ny fanahy eo imason’ Andriamanitra.”

Manenika izao tontolo izao amin’ny hazavana

Tahaka ireo mpikamban’ny Fiangonana an’arivony maneran-tany dia tsy menatra i Stephen manenika izao tontolo izao amin’ny hazavan’ny filazantsaraa iainany amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Ary iza no mahalala? Mety misy fanahy very hafa any amin’ny ampahany amin’izao tontolo izao, akaiky na lavitra an’i Stephen, hahita ny tara-pahazavana zarainy dia hahita namana, ary hahazo fanavotana noho izany.

I Screven Usi dia mpikambana ao amin’ny paroasin’i Upper Hill Ward, Tsatòkan’i Nairobi Kenya West.