2021
Manakaiky sy manampy am-pitiavana ireo vao niova fo sy ireo mpikambana malaindaina
Janoary 2021


FAMPIANARAN’IREO FILOHAN’NY FIANGONANA

Manakaiky sy manampy am-pitiavana ireo vao niova fo sy ireo mpikambana malaindaina

“Mila finamanana, andraikitra ary famahanana amin’ny tenin’ Andriamanitra ny olona niova fo tsirairay.”

Noho ny fitomboana lehibe eo amin’ny isan’ireo niova fo, dia tsy maintsy manao ezaka lehibe hatrany hatrany isika mba hanampiana azy ireo eo am-pitadiavany ny lalana alehany. Mila zavatra telo ny tsirairay avy amin’izy ireo: namana, andraikitra, ary famahanana amin’ny “teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4). Adidintsika sy fahafahana ho antsika ny manome ireo zavatra ireo.

Finamanana

Miditra ho mpikamban’ny Fiangonana amim-pientanentanana noho ny zavatra hitany [ireo olona niova fo]. Tokony hanararaotra hanorina zavatra avy hatrany eo amin’izany fientanentanana izany isika. . . . Henoy izy ireo, tariho izy ireo, valio ny fanontaniany, ary aoka ianao mba ho eo hanampy azy ireo amin’ny toe-javatra misy rehetra sy ny toe-javatra iainana rehetra. . . . Manasa ny mpikambana rehetra aho hanakaiky sy hanampy amim-pinamanana sy amim-pitiavana ireo izay miditra ho mpikamban’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fiovam-po.

Manana adidy lehibe toy izany amin’ireo olona atao batisa mba ho lasa mpikamban’ny Fiangonana isika. Tsy azontsika tsinontsinoavina izy ireo. Tsy afaka mamela azy ireo hiady irery isika. Mila fanampiana izy ireo rehefa lasa zatra ireo fomba sy kolontsain’ity Fiangonana ity. Ary fitahiana sy fahafahana lehibe ho antsika ny manome izany fanampiana izany. . . . Ny tsiky am-pitiavana, ny fandraisan-tanana maneho finamanana, ny teny mankahery dia hitondra zavatra mahatalanjona.

Andao isika hanatona ireo olona ireo! Andao isika hinamana amin’izy ireo! Andao haneho hatsaram-panahy amin’izy ireo! Andao hankahery azy ireo! Andeha isika hampitombo ny finoan’izy ireo sy ny fahalalany mikasika ny asan’ny Tompo.

Miangavy anareo aho . . . mba hamihina ireo izay miditra ho mpikamban’ny Fiangonana sy mba hinamana amin’izy ireo sy hanao izay hahatsapany hoe tongasoa izy, ary hankahery azy ireo, dia hahazo vokatra mahatalanjona isika. Hitahy anareo ny Tompo mba hahafahanareo manampy ao anatin’ity dingana lehiben’ny fihazonana ireo niova fo ity.

Andraikitra

Miandry zavatra avy amin’ny olona ny Fiangonana. Manana fenitra ambony izy. Matanjaka ny fotopampianarany. Miandrandra ny olona hanao asa fanompoana betsaka izy. Tsy mijanona amin’izao sy manara-drenirano fotsiny izy ireo. Miandry azy ireo hanao zavatra izahay. Izany no manosika ny olona hanao asa. Mandray amim-pifaliana ny fahafahana manompo izy ireo, ary rehefa manao izany izy ireo dia mivoatra eo amin’ny fahaizany manao zavatra, eo amin’ny fahatakarany, ary ny fahamendrehany hanao zavatra sy hanao izany tsara.

Omeo zavatra atao ireo [mpikambana vaovao]. Tsy hitombo ny tanjaky ny finoan’izy ireo raha tsy misy fampiharana. Tahaka ny hozatra eo amin’ny sandriko ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona. Raha ampiasaiko sy kolokoloiko ireo hozatra ireo dia lasa matanjaka kokoa. Raha fatorako amin’ny lamba ny sandriko dia avelako eo, dia lasa malemy sy tsy ilaina izany, dia toy izany koa ny fijoroana ho vavolombelona.

Ny sasany aminareo dia milaza fa tsy vonona ny handray andraikitra. Kanefa tsy nisy tamintsika no vonona tamin’ny fotoana nahatongavan’ny antso. Izany no nitranga tamiko. Mihevitra ve ianareo fa vonona ny handray ity antso lehibe sy masina ity aho? Nahatsapa ho tsy nahavita azy aho. Nahatsapa ho tsy nahay aho. Mbola mahatsapa ho tsy mahavita azy aho. Mbola mahatsapa ho tsy mahay aho. Saingy miezaka mandroso aho, mangataka fitahiana avy amin’ny Tompo sy miezaka manao ny sitrapony ary manantena sy mivavaka mba hanekeny ny fanompoana ataoko. Ny andraikitra voalohany nomena ahy tato amin’ny Fiangonana dia mpanolotsaina ny filohan’ny kôlejin’ny diakona fony aho roa ambin’ny folo taona. Tsy nahatsapa ho nahay aho. Nahatsapa ho tsy nahavita azy aho. Saingy niezaka aho, tahaka ny ataonareo mihitsy, dia tonga taorian’izay ireo andraikitra hafa. Tsy nety nahatsapa ho nahay mihitsy aho, kanefa nanana mandrakariva fahatsapana fankasitrahana sy fahavononana hiezaka.

Tokony homena andraikitra avy hatrany ny olona niova fo tsirairay izay miditra ho mpikamban’ity Fiangonana ity. Mety ho zavatra kely ihany izany, kanefa hanova zavatra eo amin’ny fiainany.

Mazava ho azy fa tsy hahalala ny zavatra rehetra ilay mpikambana vaovao. Mety hanao fahadisoana izy. Dia maninona anefa? Manao fahadisoana daholo isika rehetra? Ny zava-dehibe dia ny fivoarana izay tonga avy amin’ny fahazotoana.

Famahanana amin’ny teny soan’ Andriamanitra

Mino aho . . . fa manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara ireo olona niova fo ireo. Mino aho fa mino ny tompo Jesoa Kristy izy ireo ary mahafantatra fa tena Andriamanitra Izy. Mino aho fa tena nibebaka marina tamin’ny fahotany izy ireo ary tapakevitra ny hanompo ny Tompo.

[Hoy] i Môrônia mahakasika azy ireo taorian’ny nanaovana batisa azy ireo: “Ary rehefa noraisina tamin’ny batisa izy, ary niasana sy nodiovin’ny herin’ny Fanahy Masina, dia noraisina ho isan’ny vahoakan’ny fiangonan’i Kristy; ary nalaina ny anarany mba hahatsiarovana azy sy hamahanana azy amin’ny teny soan’ Andriamanitra, hitehirizana azy amin’ny lalana tsara, hitanana azy hiambina lalandava amim-bavaka, tsy hiantehitra afa-tsy amin’ny fahamendrehan’i Kristy izay tompony sy mpanefa ny finoany” (Môrônia 6:4).

Amin’izao fotoana izao, tahaka ny tamin’izany fotoana izany, ny olona niova fo dia “noraisina ho isan’ny vahoakan’ny fiangona[na] . . . mba hahatsiarovana azy sy hamahanana azy amin’ny teny soan’ Andriamanitra, hitehirizana azy amin’ny lalana tsara, hitanana azy hiambina lalandava amim-bavaka.” . . . Andao isika hanampy azy ireo eo am-pianarany mandeha amin’ny maha-mpikambana azy.

Ny [mpikambana vaovao tsirairay] dia tsy maintsy ampidirina ho mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana na ny Fikambanana Ifanampiana, ny Zatovovavy, ny Zatovolahy, ny Sekoly Alahady, na ny Kilonga. Tsy maintsy amporisihina izy hamonjy ny fivoriana fanasan’ny Tompo mba handray ny fanasan’ny Tompo, hanavao ireo fanekempihavanana natao tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy.

I Gordon B. Hinckley no Filohan’ny Fiangonana faha-15, nanompo nanomboka tamin’ny 12 martsa 1995 ka hatramin’’ny 27 janoary 2008.