2021
Ahoana no ahafahako manampy mandresy ny fanavakavahana?
Septambra/Ôktôbra 2021


Ahoana no ahafahako manampy mandresy ny fanavakavahana?

Ireto misy fomba enina izay hahafahantsika mahafoy ny fanavakavahana sy mamporisika ny fanajana.

Sary
women sitting in circle enjoying sharing stories in group meeting

Inona no azoko atao mba handresena ny fanavakavahana?

1. Jereo aloha ny ao anaty. Azontsika atao ny manolo-tena mba hamantatra ao anatintsika sy mahafoy ny “toetra sy fihetsika maneho fanavakavahana.”1

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe, “Raha misy amintsika manao fanavakavahana amin’ny firazanana iray hafa dia mila mibebaka!”2

2. Katsaho ny hahatakatra. Makà fotoana hihainoana ireo izay niaina fanavakavahana. Anisan’izany ireo boky, sy sarimihetsika ary tati-baovao azo antoka momba ilay lohahevitra.3

I Darius Gray izay mpikambana sy mpitarika Afrikana-Amerikanina malaza ato amin’ny Fiangonana dia nilaza hoe: “Raha miezaka ny tena mihaino ireo izay antsointsika hoe -ny hafa- isika ka ny tena fifantohantsika amin’izany dia ny mamela azy ireo hizara ny fiainany, ny tantarany, ny fanantenany ary ny fanaintainany, dia tsy hoe handray fahatakarana misimisy kokoa ny hafa fotsiny isika, fa ho dingana lehibe amin’ny fanasitranana ireo ratra vokatry ny fanavakavaham-bolonkoditra ihany koa izany zavatra atao izany.”4

3. Mitenena. Raha maheno olona mizara hevi-diso na ratsy momba ny firazanana ianao dia mitenena amin-katsaram-panahy nefa amin’ny fomba mazava.

Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia tsy maintsy manao izay vitantsika isika hamongorana ny fanavakavaham-bolonkoditra.”5

Nampianatra ny Loholona Gerrit W. Gong hoe: “Asaina isika hanova izao tontolo izao ho tsara kokoa, avy ao anatiny mankany ivelany, olona iray, fianakaviana iray, fiarahamonina iray isaky ny mandeha.’’6

Inona no azoko atao raha toa ka niaina fanavakavahana aho?

Sary
man in wheelchair communicates cheerfully with employees at the office

1. Mamelà ary mahazoa namana iray vaovao. Rehefa malahelo noho ny fihetsika ataon’ny hafa isika dia afaka mampianatra sy mamela ary mikatsaka fomba hanorenana fifandraisana.

Nandritra ny naha-Fitopololahin’ny Vondromparitra ny Loholona Fred A. -Tony- Parker dia nilaza izy hoe: “Isaky ny iharan’ny fanavakavaham-bolonkoditra aho dia mahita fahombiazana rehefa miatrika izany mivantana, mamela ilay olona ary miresaka mivantana momba ilay olana. Raha milaza zavatra manafintohina amiko ny olona iray dia mila mitady fomba hanampiana azy hahatakatra ny antony mampandratra izany aho. Fahafahana hamelana- izany no sady fahafahana hanorenana fifandraisana mba tsy hahitan’ilay olona an’i Tony Parker ho ilay Afrikana - Amerikanina fa ho toy ny zanak’ Andriamanitra iray. Nampianatra famelana ny hafa i Jesoa (jereo ny Matio 18:21–35) ary nampianatra Izy fa rehefa tafintohina isika dia tokony hanatona ilay olona ary hamaha izany (jereo ny Matio 18:15).”7

2. Mianara lesona izay afaka manampy anao avy amin’ireo zavatra niainana mampalahelo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7).

Ny Révérend Amos C. Brown dia nizara tantara momba an’i Howard Washington Thruman. Nipetraka teo akaikina ramatoa iray izay nampijaly ny fianakaviany i Howard satria olona mainty hoditra izy ireo—tonga ka hatramin’ny fanariana zezika avy ao amin’ny tranon’akohony eo an-tokotanin-dry Thurman mihitsy.

Rehefa narary ilay ramatoa dia nitondran’ny renin’i Howard lasopy sy raozy izy. Tamim-pankasitrahana no nanontanian’ilay ramatoa ny toerana niavian’ireo voninkazo. Nanazava i Ramatoa Thurman hoe: “Rehefa nanipy ireo zezika ianao dia nanomana ilay tany kosa Andriamanitra.”

“Izany no tokony ataontsika eo anivon’ny faharatsiana,” hoy ny Révérend Brown. “Raiso ireo zezika ary manàna kosa finoana an’ Andriamanitra mba hampiasa izany hambolena sahana raozy iray.”8

3. Mitodia amin’i Kristy mba hahazoana fahasitranana sy fitarihana. Ny fatokisanao ny Mpamonjy ao anatin’ny fanaintainanao sy ny fanarahana Azy dia afaka mitondra fiadanana.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ankoatra ny fanavotana antsika amin’ny ota tamin’ny fanefana ny fitakian’ny fahamarinana eo amintsika dia “manefa ny trosa ananantsika amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fanasitranana sy ny fanarenana antsika tamin’izay fijaliana nozakaintsika tamim-pahatsoram-po ihany koa” i Jesoa Kristy.9

Nametraka ny ohatra tonga lafatra tokony arahintsika ny Mpamonjy. Nampianatra antsika ny tokony hataontsika Izy rehefa tafintohina (jereo ny Matio 18:15) sy enjehina (jereo ny Matio 5:38–48) eny na dia rehefa helohina ho faty tsy ara-drariny aza isika (jereo ny Lioka 23:34).

Fanamarihana

  1. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 38.6.14, ChurchofJesusChrist.org.

  2. Russell M. Nelson ao amin’ny “President Nelson Shares Social Post about Racism and Calls for Respect for Human Dignity,” Newsroom, June 1, 2020, newsroom.ChurchofJesusChrist.org.

  3. Jereo ny “Seeking Information from Reliable Sources,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 38.8.45.

  4. Darius Gray, “Healing the Wounds of Racism,” 5 apr. 2018, blog.ChurchofJesusChrist.org.

  5. Dallin H. Oaks, “Tiavo ny fahavalonareo,” Liahona, nôv. 2020, 28.

  6. Gerrit W. Gong, “Ny firenena sy ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra,” Liahona, nôv. 2020, 38.

  7. Fred A. “Tony” Parker, “The Savior Heals Our Hurts,” Ensign, jona 2018, 44–45.

  8. “We Are Family: A Discussion on Overcoming Prejudice with Elder Jack N. Gerard and the Reverend Amos C. Brown,” Liahona, sept. 2021, endrika nomerika.

  9. D. Todd Christofferson, “Fanavotana,” Liahona, mey 2013, 110.