2010–2019
Indro ny Lehilahy!”
Aprily 2018


Indro ny Lehilahy!

Ireo izay mahita fomba hahitana marina an’ilay Lehilahy dia mahita ny varavarana mankany amin’ny fahasambarana lehibe indrindra sy ny balsama manasitrana ireo fahoriana tena mafy eo amin’ny fiainana.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, ry namako malala, feno fankasitrahana aho fa tafaraka aminareo amin’izao faran’ny herinandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mahafinaritra izao. Izaho sy i Harriet dia mifaly miaraka aminareo amin’ny fanohanana ireo Loholona Gong sy Soares ary ireo rahalahy sy anabavy maro hafa izay nandray antso vaovao lehibe nandritra ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity.

Na dia malahelo ilay namana malalako, Filoha Thomas S. Monson, aza aho, dia tiako sy tohanako ny mpaminany sy Filohantsika, Russell M. Nelson, ary ireo mpanolotsaina azy.

Feno fankasitrahana koa aho noho ny fiarahana miasa akaiky kokoa indray amin’ireo Rahalahy malala namako ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary voninahitra ho ahy izany.

Mialoha ny zava-drehetra, dia feno fanetrentena lalina sy tena faly aho noho ny maha-mpikambana ahy ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay ahitana lehilahy sy vehivavy ary ankizy an-tapitrisany vonona ny hanolotra fanampiana any amin’izay misy azy, na inona na inona fahaiza-manaony na antsony, ary miezaka amin’ny fony manontolo hanompo an’ Andriamanitra sy ireo zanany, amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Andro masina androany. Alahadin’ny Paska izany izay ankalazana ilay maraina lehibe izay nanapahan’ny Mpamonjintsika ny famatoran’ny fahafatesana1 sy nivoahany tamim-pandresena tao am-pasana.

Ilay andro lehibe indrindra teo amin’ny tantara

Vao haingana aho no nanontany tao amin’ny internet hoe: “Inona no andro iray tena nanova ny fizotran’ny tantara?”

Ny valin’izany dia nanomboka tany amin’ny manaitra sy hafahafa ka hatrany amin’ny mitondra hevi-baobao sy mampieritreritra. Anisan’izany, ny andro izay nidobohan’ny planeta kely tamin’ny fahagolan-tany iray tany amin’ny Saikinosy Yucatán. Na ny nahavitan’i Johannes Gutenberg ny miliny fanontana printy tamin’ny 1440; ary mazava ho azy ilay andro tamin’ny 1903 izay nampisehoan-dry Wright mirahalahy an’izao tontolo izao fa tena afaka manidina raolombelona.

Raha toa ka apetraka aminareo io fanontaniana io dia inona no holazainareo?

Mazava ny valin’izany ato an-tsaiko.

Mba hahitana ilay andro tena manan-danja indrindra teo amin’ny tantara, dia tsy maintsy miverina any amin’ilay alina teo amin’ny 2000 taona latsaka kely lasa izay isika, tao amin’ny Sahan’i Getsemane rehefa nandohalika nivavaka mafy i Jesoa Kristy ary nanolotra ny tenany ho onitra ho an’ny fahotantsika. Nandritra io sorona lehibe sy tsy misy fetra io, izay nifono fijaliana tsy nisy toy izany teo amin’ny vatana sy fanahy, no nivoa-dra ny mason-kodin’i Jesoa Kristy, ilay Andriamanitra mihitsy. Noho ny fitiavany lavorary dia nanolotra ny zavatra rehetra Izy mba hahazoantsika ny zava-drehetra. Ny sorona masina nataony izay sarotra takarina ary ny fontsika sy ny saintsika iray manontolo ihany no afaka mahatsapa azy, dia mampahatsiahy antsika ilay trosantsika, dia ny fankasitrahana avy amin’ny rehetra tokony hasetrintsika an’i Kristy noho ilay fanomezana masina natolony izany.

Rehefa nandroso ny alina dia nentina teo anoloan’ireo manampahefana ara-pivavahana sy ara-pôlitika i Jesoa izay nanaraby Azy, nikapoka Azy, ary nanameloka Azy ho faty tamin’ny fomba mahamenatra. Nihantona tamim-pangirifiriana teo amin’ny hazofijaliana Izy “[mandra-pahavita]” izany nony farany.2 Napetraka tao amin’ny fasana nindramina iray ny vata-mangatsiakany. Ary avy eo ny marainan’ny andro fahatelo, dia nivoaka avy tao am-pasana tamin’ny naha-olona feno voninahitra sy nitsangana tamin’ny maty azy Izy izay namirapiratra ary feno hazavana sy fahamboniana.

Eny, maro ireo zava-nitranga nandritra ny tantara izay nisy fiantraikany lalina teo amin’ny hoavin’ireo firenena sy vahoaka. Saingy raha atambatra izy ireo dia tsy afaka ny oharina akory amin’ny maha-zava-dehibe an’ilay zava-nitranga tamin’io maraina voalohan’ny Paska io.

Inona no mahatonga ilay sorona tsy misy fetra sy ilay Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ho toy ny zava-nitranga faran’izay manan-danja teo amin’ny tantara, izay nisy fiantraikany bebe kokoa noho ireo ady teto amin’izao tontolo izao sy ireo loza mahery vaika ary ireo fahitan-java-baovao ara-tsiantifika izay nanova ny fiainana?

Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny ho velona indray isika

Hita ao anatin’ny fanamby roa lehibe tsy hay resena izay atrehantsika tsirairay avy ny valin’izany.

Voalohany, ho faty daholo isika rehetra. Na tanora toy ny inona, na tsara tarehy toy ny inona, na mitandrina toy ny inona aza ianao, dia ho faty ny vatanao indray andro any. Hitomany anao ireo namanao sy ny fianakavianao. Tsy afaka ny hamerina anao ho velona indray anefa izy ireo.

Saingy noho i Jesoa Kristy dia tsy haharitra ny fahafatesanao. Hikambana amin’ny vatanao indray ny fanahinao indray andro any. Tsy hiharan’ny fahafatesana intsony izany vatana nitsangana tamin’ny maty izany,3 ary hiaina any amin’ny mandrakizay ianao, tsy hahatsapa fanaintainana sy fijaliana ara-batana intsony.4

Hitranga izany noho i Jesoa Kristy izay nanolotra ny ainy ary naka izany indray.

Nanao izany ho an’ireo rehetra izay mino Azy Izy.

Nanao izany ho an’ireo rehetra izay tsy mino Azy Izy.

Nataony izany na dia ho an’ireo izay nanaraby sy nanompa ary naniratsira ny anarany aza.5

Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny ho velona indray isika

Faharoa, nanota daholo isika. Hanakana antsika mandrakizay tsy hiaina miaraka amin’ Andriamanitra ny fahotantsika satria “tsy misy zavatra tsy madio afaka miditra ao amin’ny fanjakany.”6

Noho izany, dia tsy afaka niverina teo anatrehany ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra. Izany no nitranga mandra-pahatonga an’i Jesoa Kristy, ilay Zanakondry tsy manan-tsiny, nanolotra ny ainy ho fanonerana ny fahotantsika. Noho i Jesoa izay tsy nanan-trosa tamin’ny fahamarinana, dia afaka nanefa ny trosantsika Izy mba hanatanterahana ny fitakian’ny fahamarinana ho an’ny fanahy rehetra. Ary tafiditra ao anatin’izany izaho sy ianao.

Nanonitra ny saran’ny otantsika Izy.

Izy rehetra.

Tamin’io andro faran’izay manan-danja teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao io, dia nosokafan’i Jesoa ilay Kristy ny vavahadin’ny fahafatesana ary nesoriny ireo sakana izay nanakana antsika tsy hiditra ilay efitra masin’ny fiainana mandrakizay. Noho ilay Tompontsika sy Mpamonjintsika, izaho sy ianao dia nomena fanomezana tena sarobidy ary tsy voavidy vola. Na nanao ahoana na nanao ahoana ny lasantsika, dia afaka ny mibebaka sy manaraka ilay lalana izay mitondra any amin’ilay hazavana sy voninahitra selestialy isika, voahodidin’ireo zanaka mahatokin’ny Ray any An-danitra.

Ny antony hifaliantsika

Izany no ankalazaintsika ny Alahadin’ny Paska. Mankalaza ny fahavelomana isika!

Noho i Jesoa Kristy dia hitsangana avy ao amin’ny fahakiviana nateraky ny fahafatesana isika sy hamihina ireo izay tiantsika ary ho latsa-dranomaso satria diboky ny hafaliana ary feno fankasitrahana. Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny ho olona miaina mandrakizay isika, tontolo tsisy fiafarana.

Noho i Jesoa Kristy dia tsy hoe afaka ny ho voafafa fotsiny ny fahotantsika fa afaka ny hohadinoina ihany koa.

Afaka ny ho lasa madio sy nasandratra isika.

Masina.

Noho ilay Mpamonjy malalantsika dia afaka ny hisotro mandrakizay ny rano avy amin’ilay loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay isika.7 Afaka mitoetra mandrakizay ao an-tranon’ilay Mpanjakantsika mandrakizay isika, ao anatin’ny voninahitra tsy azo sary an-tsaina sy fifaliana tonga lafatra.

Moa ve isika “[Mahita] ilay Lehilahy”?

Na dia eo aza ireo zavatra rehetra ireo, dia maro ny olona eto amin’izao tontolo izao ankehitriny no tsy mahafantatra na tsy mino ilay fanomezana sarobidy nomen’i Jesoa Kristy antsika. Mety efa nandre mikasika an’i Jesoa Kristy izy ireo sy nahafantatra azy ho toy ny olona manana ny toerany teo amin’ny tantara, saingy tsy hitan’izy ireo amin’ny maha-tena Izy Azy Izy.

Rehefa mieritreritra an’izany aho, dia mahatsiaro ny Mpamonjy nijoro teo anoloan’i Pontio Pilato, mpanapaka Romana tany Joda, ora vitsy talohan’ny nahafatesan’ny Mpamonjy.

Fomba fijery arak’izao tontolo izao tanteraka no nentin’i Pilato nijerena an’i Jesoa. Nanana asa tsy maintsy natao i Pilato, ary nahitana andraikitra roa lehibe tao anatin’izany: fanangonana ireo hetra ho an’i Roma ary ny fitandroana ny filaminana. Nentin’ny sinedriona Jiosy iray teo anoloany ny lehilahy iray izay lazain’izy ireo fa manohintohina ireo zavatra anankiroa ireo.8

Rehefa avy nanontany ilay gadrany i Pilato dia nanambara hoe: “Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.”9 Saingy tsapany fa tsy maintsy mampitony ireo mpiampanga an’i Jesoa izy, ka dia nangataka ny hanatanterahana ilay fomba fanao teo an-toerana izay nanome fahafahana ny hamotsotra gadra iray mandritra ny vanim-potoan’ny Paska i Pilato. Moa ve izy ireo hangataka azy mba hamotsotra an’i Jesoa fa tsy i Barabasy mpandroba sy mpamono olona?10

Nangatahan’ireo andian’olona mahery setra nitabataba anefa i Pilato mba hamotsotra an’i Barabasy ary hanombo an’i Jesoa amin’ny hazofijaliana.

“Nahoana?” Hoy i Pilato nanontany. “Fa inona moa no ratsy nataony?”

Saingy nihorakoraka mafy kokoa fotsiny izy ireo. “Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!”11

Nodidin’i Pilato ireo lehilahiny mba hikaravasy an’i Jesoa, izay ezaka nataony farany mba hanomezana fahafaham-po an’ireo andian’olona mahery setra.12 Dia notanterahin’izy ireo izany, ka nihoson-dra sy notorotoroina Izy. Norabirabian’izy ireo Izy, dia nasiany fehiloha tsilo teo amin’ny lohany ary nampitafiny lamba volomparasy Izy.13

Nieritreritra angamba i Pilato fa ho afa-po amin’izany ireo andian’olona mahery setra izay lian-dra. Mety mba hangoraka ilay lehilahy izy ireo. “Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo,” hoy i Pilato, “mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza. … Indro ny Lehilahy!”14

Nijoro teo anatrehan’ny vahoakan’i Jerosalema Ilay Zanakalahin’ Andriamanitra, Izy tenany mihitsy.

Afaka nahita an’i Jesoa izy ireo saingy tsy nojeren’izy ireo tsara Izy.

Tsy nanana maso mba hijerena izy ireo.15

Raha amin’ny hevi-teny itarina dia asaina koa isika mba “[hijery] ilay lehilahy.” Miovaova ireo hevitra momba Azy eto amin’izao tontolo izao. Ireo mpaminany fahiny sy mpaminany maoderina dia mijoro ho vavolombelona fa Zanakalahin’ Andriamanitra Izy. Izaho ihany koa dia mijoro ho vavolombelona ny amin’izany. Zava-dehibe sy manan-danja ny fahafantarantsika tsirairay avy manokana. Noho izany rehefa misaintsaina ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoana nataony ianao, dia inona no hitanao?

Ireo izay mahita fomba hahitana marina an’ilay Lehilahy dia mahita ny varavarana mankany amin’ny fahasambarana lehibe indrindra sy ny balsama manasitrana ireo fahoriana tena mafy eo amin’ny fiainana.

Noho izany, raha rakotry ny alahelo sy ny fahoriana ianao, dia jereo ilay Lehilahy.

Raha mahatsapa ho very na hadino ianao dia jereo ilay Lehilahy.

Raha kivy na nilaozana na miahiahy na trotraka ianao, dia jereo ilay Lehilahy.

Hampahery anao Izy.

Hanasitrana anao Izy sy hampisy lanjany ny dia ataonao. Hampidina ny Fanahiny Izy ary hameno fifaliana lehibe izaitsizy ny fanahinao.16

Izy dia “mampahatanjaka ny reraka …, ary izay kely hery dia omeny hery be.”17

Rehefa mijery marina ilay Lehilahy isika, dia mahafantatra Azy sy mikatsaka ny hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapony. Mibebaka sy miezaka manatsara ny toetrantsika isika ary mihamanakaiky kokoa Azy isan’andro. Matoky Azy isika. Maneho ny fitiavantsika Azy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny sy ny fanajana ireo fanekempihavanantsika masina.

Amin’ny teny hafa dia lasa mpianany isika.

Mandrakotra ny fanahintsika ilay hazavany manadio. Mampitraka antsika ny famindrampony. Maivana ny enta-mavesatsika ary mitombo ny fiadanantsika. Rehefa mijery marina an’ilay Lehilahy isika dia mahazo ilay fampanantenana fa hanana hoavy feno fitahiana izay hanentana ny fanahintsika sy hanohana antsika ao anatin’ireo zava-tsarotra lalovana eo amin’ny fiainana. Rehefa manao jery todika isika dia hahatsapa fa misy lamina masina, ary misy antony avokoa ireo zavatra miseho.18

Rehefa manaiky ny sorona nataony, sy lasa mpianany ianao ary tonga any amin’ilay fiafaran’ny fiainanao eto an-tany amin’ny farany, dia inona no hitranga amin’ireo fahoriana nozakainao teto amin’ity tany ity?

Hanjavona izy ireo.

Ary ireo fahadisoam-panantenana sy famitahana ary fanenjehana natrehanao?

Hanjavona.

Ary ny fijaliana, ny ratram-po, ny fahatsapana ho meloka, sy ny henatra ary ny tebiteby nolalovanao?

Hanjavona.

Hadino.

Tokony hahagaga ve raha “miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, … mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany”?19

Tokony hahagaga ve raha miezaka amin’ny fontsika iray manontolo isika mba hijery marina an’ilay Lehilahy?

Ry rahalahy sy anabavy malalako, mijoro ho vavolombelona aho fa ny andro tena manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona dia ilay andro nandresen’i Jesoa Kristy, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra velona, ny fahafatesana sy ny fahotana ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Ary ny andro tena manan-danja indrindra eo amin’ny fiainako sy ny fiainanao dia ilay andro izay hahaizantsika “[mijery] ilay lehilahy”; rehefa hitantsika araka ny tena maha-izy Azy Izy; rehefa mandray amin’ny fontsika sy ny saintsika iray manontolo ilay heriny manavotra isika; rehefa manolo-tena ny hanaraka azy miaraka amin’ny fientanentanana sy hery vaovao isika. Enga anie izany mba ho andro izay miverimberina foana eo amin’ny fiainantsika.

Apetrako aminareo ny fijoroako ho vavolombelona sy ny tsodrano fa raha “mijery ilay lehilahy” isika, dia hahita ny tanjona sy fifaliana ary fiadanana eto amin’ity fiainana eto an-tany ity ary hahazo ny fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Môsià 15:23.

  2. Jaona 19:30.

  3. Jereo ny Almà 11:45.

  4. Jereo ny Apokalipsy 21:4.

  5. Jereo ny 1 Korintiana 15:21–23.

  6. 3 Nefia 27:19.

  7. Jereo ny Jaona 4:14.

  8. Jereo ny Lioka 23:2.

  9. Jaona 18:38. Mba hialan’i Pilato amin’ny fitsarana an’i Jesoa dia niezaka nandefa ilay raharaha tany amin’i Heroda Antipasy izy. Raha toa ka ho melohin’i Heroda, izay nandidy ny hamonoana an’i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny Matio 14:6–11), i Jesoa, dia azon’i Pilato ekena tsy am-piheverana any ilay fitsarana ary ambarany fotsiny fa toe-javatra teo an-toerana izay nekeny izany mba hitandroana ny filaminana.Saingy tsy niteny na inona na inona tamin’i Heroda i Jesoa (jereo ny Lioka 23:6–12), ka naverin’i Heroda tany amin’i Pilato indray Izy.

  10. Jereo ny Marka 15:6–7; Jaona 18:39–40. Nanoratra ny manampahaizana iray momba ny Testamenta Vaovao hoe: “Toa fomba fanao mandritra ny Paska ny famotsoran’ny Governora Romana ho an’ny vahoaka Jiosy gadra malaza sasany izay voaheloka ho faty” (Alfred Edersheim, The Life and Times of Jesus the Messiah [1899], 2:576). Ny dikan’ny anarana hoe Barabasy dia hoe “zanaky ny ray.” Mahaliana ny tsy fanampoizana ilay fangatahana ny vahoakan’i Jerosalema mba hisafidy ny iray tamin’ireo lehilahy anankiroa ireo.

  11. Jereo ny Marka 15:11–14.

  12. Faran’izay mafy izany fikaravasiana izany ka nantsoina hoe “fahafatesana eo anelanelana” (Edersheim, Jesus the Messiah, 2:577).

  13. Jereo ny Jaona 19:1–3.

  14. Jaona 19:4–5.

  15. Nanambara i Jesoa tany am-piandohana hoe: “Fa efa adala ny fon’izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho.” Ary niteny tamin’ireo mpianany tamim-demim-panahy i Jesoa hoe: “Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre” (Matio 13:15–16). Moa ve isika hamela ny fontsika ho lasa mafy, sa hanokatra ny masontsika sy ny fontsika isika mba hahafahantsika mahita marina ilay Lehilahy?

  16. Jereo ny Môsià 4:20.

  17. Isaia 40:29.

  18. Jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “Ilay dia mahafinaritrin’ny fiainana an-tany” (Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 14 jan. 2018), broadcasts.lds.org.

  19. 2 Nefia 25:26.