2010–2019
Manompo amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra
Aprily 2018


Manompo amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra

Hanompo amin’ny anarany isika, miaraka amin’ny heriny sy ny fahefany, ary ilay hatsaram-panahiny feno fitiavana.

Ry rahalahiko malala, misaotra anareo noho ny fanoloran-tenanareo ho an’ny Tompo sy ho amin’ny asany masina. Tena fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo. Amin’ny maha-Fiadidiana Voalohany vaovao anay, dia misaotra anareo izahay noho ireo vavaka sy ny fanohanana atolotrareo. Feno fankasitrahana izahay noho ny fiainanareo sy ny fanompoana ataonareo ho an’ny Tompo. Ny fikelezanareo aina amin’ny adidy sy ny asa fanompoana tsy mila tambiny dia zava-dehibe eo amin’ny antsonareo tsy misy hafa amin’ny maha-zava-dehibe ny anay eo amin’ny antsonay. Ny nanompoako nandritra ny androm-piainako tato amin’ity Fiangonana ity dia nianarako fa tsy misy dikany mihitsy ny hoe aiza ianao no manompo. Ny zavatra tena manan-danja amin’ny Tompo dia ny hoe ahoana no fomba hanompoanao.

Maneho fankasitrahana lalina aho ho an’ny Filoha Thomas S. Monson, izay ohatra ho ahy tao anatin’ny 50 taona mahery. Ary maneho ny fitiavako lalina an’ireo mpanolotsainy aho, dia ny Filoha Henry B. Eyring sy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf. Midera azy ireo aho noho ny asa fanompoana nataon’izy ireo ho an’ny Tompo sy ireo mpaminaniny. Ireo mpanompo roalahy feno fanoloran-tena ireo dia samy nahazo andraikitra vaovao. Manohy manompo amim-pahavitrihana sy amim-panoloran-tena izy ireo. Samy tiako sy omeko voninahitra izy ireo.

Tena fitahiana miavaka ny manompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo izay marina sy velona, miaraka amin’ny fahefany sy ny heriny. Ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronan’ Andriamanitra, tafiditra amin’izany ny fanalahidin’ny fisoronana dia mitondra ny lehibe indrindra amin’ireo fitahiana ara-panahy rehetra ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany izay mendrika. Hitantsika mirotsaka amin’ny vehivavy sy ny lehilahy ary ny ankizy manerana izao tontolo izao ireo fitahiana.

Mahita vehivavy mahatoky izay mahatakatra ilay hery tsy afa-misaraka amin’ny antson’izy ireo sy eo amin’ny fanafiana masina azy ireo ary eo amin’ireo ôrdônansy hafa any amin’ny tempoly isika. Ireo vehivavy ireo dia mahafantatra ny fomba hahazoana fanampiana avy amin’ireo herin’ny lanitra mba hiarovana sy hampatanjahana ny vady aman-janak’izy ireo sy ny olon-kafa izay tian’izy ireo. Izy ireo dia vehivavy matanjaka ara-panahy izay mitarika sy mampianatra ary manompo tsy amin-tahotra ao amin’ny antson’izy ireo miaraka amin’ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra!1 Feno fankasitrahana azy ireo tokoa aho!

Tahaka izany ihany koa, dia mahita lehilahy mahatoky isika izay miaina ho mendrika ny hahazo ireo tombontsoa tokony ho azy amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana azy. Mitarika sy manompo amin’ny fahafoizan-tena araka ny fomban’ny Tompo izy ireo, dia amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy ary amim-paharetana. Mitahy, mitarika, miaro ary mankahery ny hafa izy ireo amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana izay hazoniny. Mitondra fahagagana ho an’ireo olona izay tompoiny izy ireo sady mitandrina ny fanambadiany sy ny fianakaviany tsy ho azon-doza. Mandositra ny faharatsiana izy ireo ary loholona masina ao Isiraely.2 Feno fankasitrahana indrindra aho noho izy ireo!

Ankehitriny dia afaka milaza ahiahy ve aho? Izao ilay izy: Maro loatra amin’ireo rahalahy sy anabavintsika no tsy tena mahatakatra tsara ny hevitry ny hoe herin’ny fisoronana sy ny hoe fahefan’ny fisoronana. Ny zavatra ataony dia toy ireny hoe aleony manome fahafaham-po ireo faniriana sy filàna feno fitiavan-tena ananany toy izay mampiasa ny herin’ Andriamanitra hitahiana ireo zanany.

Matahotra aho sao maro loatra amin’ireo rahalahy sy anabavintsika no tsy mahatakatra ireo tombontsoa izay tokony ho azy ireo.3 Ny sasany amin’ireo rahalahintsika ohatra dia manao zavatra toy ireny tsy mahatakatra ny atao hoe fisoronana sy ny zavatra azon’izy ireo atao noho ny fisoronana ireny. Mamelà ahy ianareo hanome ohatra mazava vitsivitsy.

Vao tsy ela akory izay, dia nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo aho izay hanomezana anarana sy tsodranon-dray ho an’ny zazakely iray. Notazonin’ilay raim-pianakaviana vao herotrerony teny an-tanany ilay zanany sarobidy, dia nomeny anarana, ary avy eo dia nanao vavaka nahafinaritra izy. Saingy tsy nomeny tsodrano ilay zaza. Nahazo anarana io zazavavikely io fa tsy nahazo tsodrano! Io loholona io dia tsy nahafantatra ny mahasamy hafa ny vavaka sy ny tsodranon’ny fisoronana. Tamin’ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana nananany dia tokony ho afaka nanome tsodrano ny zanany izy saingy tsy nanao izany. Hoy aho tao an-tsaina hoe: “Endrey izany fahafahana very fotsiny!”

Mamelà ahy hilaza ohatra hafa. Mahafantatra rahalahy isika izay manokana rahavavy ho mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga na Zatovovavy na Fikambanana Ifanampiana, saingy tsy manome tsodrano ho azy ireo, dia tsodrano hahafahan’izy ireo manatanteraka ny antsony izany. Famporisihana sy torolalana fotsiny no omen’izy ireo. Mahita raim-pianakaviana mendrika isika izay tsy manome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny vady aman-janany akory, nefa izany mihitsy no tena ilain’izy ireo. Naverina teto amin’ity tany ity ny fahefan’ny fisoronana, saingy mbola betsaka loatra ireo rahalahy sy anabavy izay misedra fitsapana mafy eo amin’ny fiainana kanefa tsy mbola nandray tsodranon’ny fisoronana tena izy. Tena mampalahelo izany! Zava-mampalahelo izay azontsika hialana.

Ry rahalahy, mihazona ny fisoronana masin’ Andriamanitra isika! Manana ny fahefany isika hitahiana ny vahoakany. Eritrereto ilay fanomezan-toky miavaka izay nomen’ny Tompo antsika raha nilaza Izy hoe, “Na zovy na zovy tsofinao rano dia hotahiako.”4 Voninahitra ho antsika ny miasa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy hitsofana rano ireo zanak’ Andriamanitra araka izay sitrapony ho azy ireo. Ry filohan’ny tsatòka sy eveka isany, iangaviako ianareo mba hanao izay hahatakaran’ny olona tsirairay ao amin’ireo kôlejy izay iadidianareo ny fomba fanomezana tsodranon’ny fisoronana, anisan’izany ny fahamendrehan’ny tena manokana sy ny fiomanana ara-panahy takiana amin’izy ireo mba hahafahany miantso tanteraka ny herin’ Andriamanitra.5

Ho an’ny lehilahy mpihazona ny fisoronana rehetra, manasa anareo aho hitaona ireo mpikambana hitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo, hifady hanina sy hivavaka, handalina ny soratra masina, hanao fitsaohana any amin’ny tempoly, ary hanompo amim-pinoana amin’ny maha-lehilahy sy vehivavin’ Andriamanitra azy ireo. Afaka manampy ny olon-drehetra isika hahita amin’ny masom-pinoana fa ny fankatoavana sy ny fahamarinana dia hisarika azy ireo hanakaiky an’i Jesoa Kristy kokoa, ary hahafahan’izy ireo hankafy ny fiarahan’ny Fanahy Masina, ary hiaina fifaliana eo amin’ny fiainana!

Ny toetra iray mampiavaka hatrany ny Fiangonan’ny Tompo izay marina sy velona dia ny asa iray izay voarindra sy misy mitarika hatrany hanompo ny zanak’ Andriamanitra tsirairay sy ny fianakavian’izy ireo avy.6 Koa satria Fiangonany ity, dia isika, amin’ny maha-mpanompony antsika, no hanompo ny tsirairay tsy misy hafa amin’ny nataony.7 Hanompo amin’ny anarany isika, miaraka amin’ny heriny sy ny fahefany, ary ilay hatsaram-panahiny feno fitiavana.

Ny zavatra iray niainako tany Boston 60 taona mahery lasa izay dia nampianatra ahy hoe hatraiza no mety ho herin’ny fahafahana manompo olona iray isaky ny mandeha.Tamin’izany fotoana izany aho dia dokotera mpiofana ho mpandidy tao amin’ny hôpitaliben’i Massachusetts, miasa isan’andro ny antoandro, isaky ny roa andro amin’ny alina, ary indray mandeha miasa indray mandeha tsy miasa amin’ny faran’ny herinandro. Voafetra ny fotoana nananako ho an’ny vadiko sy ireo zanakay efatra ary ny zavatra atao any amin’ny Fiangonana. Na izany aza, dia nanendry ahy ny filohan’ny sampana hamangy ny tokantranon’i Wilbur sy Leonora Cox, sady nanantena fa mety hiverina hanatrika ireo fivoriam-piangonana indray Rahalahy Cox. Efa nofehezina tany amin’ny tempoly izy sy i Leonora.8 Saingy efa an-taonany maro no tsy nivavaka i Wilbur.

Namangy tany an-tokan-tranony izaho sy ny mpiara-mamangy tamiko. Rehefa niditra izahay dia noraisin-dRahavavy Cox tamim-pientanentanana,9 saingy Rahalahy Cox kosa dia niala faingana nankany amin’ny efitrano iray hafa ary nanakatom-baravarana.

Nanatona ilay varavarana nihidy aho ary nandondona. Kelikely avy eo aho dia naheno feo niteny hoe “Mandrosoa.” Nosokafako ny varavarana ka hitako Rahalahy Cox mipetraka akaikina karazana fitaovana fandefasana radio. Nandrehitra sigara izy tao anatin’io efitrano kely io. Mazava fa tsy nahafaly azy loatra ny fahatongavako.

Talanjona aho nanopy ny masoko nanodidina ary nilaza hoe: “Rahalahy Cox, efa ela aho no naniry hianatra momba ny asa fandefasana radio. Mety afaka mampianatra ahy momba izany ve ianao? Miala tsiny aloha fa tsy afaka mijanona ela kokoa aho anio hariva, saingy afaka miverina amin’ny fotoana hafa ve aho?”

Nisalasala kely izy aloha ary avy eo niteny hoe eny. Izay no nanombohan’ny fifandraisana izay lasa finamanana tena nahafinaritra. Niverina tany aho dia nampianatra ahy izy. Nanomboka nitia azy aho, sy nanaja azy. Rehefa nisesy ireo famangiana dia nipoitra ny hatsaran’io lehilahy io. Lasa mpinamana tena akaiky izahay, tahaka izany koa ireo vady malalanay mandrakizay. Avy teo, rehefa nandeha ny fotoana dia nifindra monina ny fianakavianay. Nanohy nikarakara ny fianakaviana Cox ireo mpitarika teo an-toerana.10

Teo amin’ny valo taona taorian’io famangiana voalohany io dia natsangana ny tsatòkan’i Boston.11 Fantatrao ve hoe iza no filohan’ny tsatòka voalohany tamin’izany? Eny! Ny Rahalahy Cox! Nandritra ireo taona taty aoriana dia efa filohan’ny misiôna koa izy ary koa filohan’ny tempoly.

Taona maro taty aoriana, izaho efa mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, dia voatendry aho hanangana tsatòka vaovao tao amin’ny Comté de Sanpete, Utah. Nandritra ireo dinidinika fanao mahazatra dia sady faly aho no taitra nihaona indray tamin-dRahalahy Cox namana tsy foiko! Nahatsapa ho notaomin’ny Fanahy aho hiantso azy ho patriarikan’ilay tsatòka vaovao. Rehafa avy nanokana azy aho dia nifamihina izahay ary nitomany. Gaga ireo olona tao amin’ilay efitra hoe inona koa no mampitomany an’ireto lehilahy lehibe ireto. Saingy izahay dia nahafantatra. Rahavavy Cox ihany koa. Ranomasom-piafaliana ny anay! Tsaroanay mangina ilay dia tsy mampino tao anatin’ny fitiavana sy fibebahana izay nanomboka 30 taona lasa mahery izay, indray hariva tao an-tranon’izy ireo.

Tsy tapitra teo akory ny tantara. Niitatra ny fianakavian-dry Rahalahy sy Rahavavy Cox ka nahitana zanaka 3, zafikely 20 ary zafiafy 54. Manginy fotsiny ny fiantraikan’izy ireo teo amin’ny misiônera an-jatony sy olona an’arivony fanampiny tao amin’ny tempoly, ary olona an-jatony fanampiny izay nandray tsodranon’ny patriarika tamin’ny tanan’i Wilbur Cox.Hanohy hipaka amin’ny taranaka maro manerana izao tontolo izao ny fitaoman’izy sy Leonora.

Ny zava-mitranga tahaka io nitranga tamin’i Wilbur sy Leonora Cox io dia mitranga isan-kerinandro, inay anie ho isanandro, ato amin’ity Fiangonana ity.Manatanteraka ny asan’i Jesoa Kristy Tompo, miaraka amin’ny heriny sy ny fahefany, ireo mpanompony feno fahafoizantena.

Ry rahalahy isany, misy varavarana maro azontsika sokafana, tsodranon’ny fisoronana azontsika omena, fo maro azontsika sitranina, enta-mavesatra maro azontsika entina, fijoroana ho vavolombelona maro azontsika hamafisina, fiainana maro azontsika vonjena, ary fifaliana maro azontsika entina ao an-tokantranon’ireo Olomasin’ny Andro Farany, dia izany rehetra izany satria mihazona ny fisoronan’ Andriamanitra isika. Isika no ireo lehilahy izay “nantsoina sy nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao […], araka ny fahalalana mialoha tao amin’ Andriamanitra, noho ny finoan[tsika] fatratra,” hanatanteraka ity asa ity.12

Anio hariva aho dia manasa anao ara-bakiteny hiara-hijoro amiko ao amin’ity firahalahiantsika goavana maharitra mandrakizay ity. Rehefa manonona ny anjara fanompoanao ao amin’ny fisoronana aho dia iangaviana ianao hitsangana ary hijanona eo ihany aloha. Ireo diakona, mitsangàna azafady! Ireo mpampianatra, mitsangàna! Ireo mpisorona! Ireo eveka! Ireo loholona! Ireo mpisorona avo! Ireo patriarika! Ireo fitopololahy! Ireo apôstôly!

Izao ry rahalahy isany, iangaviana ianareo hitsangana eo ihany ary hiara-hihira amin’ny amboaram-peo ireo andininy telo amin’ny “Rise Up, O Men of God.”13 Eo am-pihiranareo dia eritrereto ny adidinareo amin’ny maha-tafika maherin’ Andriamanitra anareo, hanampy hanomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Tompo fanindoany. Izany no andraikitsika. Izany no tombontsoantsika. Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.