2010–2019
Fanompoana entanim-panahy
Aprily 2018


Fanompoana entanim-panahy

Mandray kokoa ny Fanahy Masina isika rehefa mifantoka amin’ny fanompoana ny hafa. Izany no antony ananantsika andraikitra ao amin’ny fisoronana mba hanompo ho an’ny Mpamonjy.

Ry rahalahiko malala, feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako miresaka aminareo mandritra ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany manan-tantara ity. Nanohana ny Filoha Russell M. Nelson isika ho filoha faha-17 an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Noho izaho voatahy miara-miasa aminy isan’andro, dia tsapako ny fanamafisana avy tamin’ny Fanahy fa Andriamanitra no niantso ny Filoha Nelson hitarika ny Fiangonana marin’ny Tompo.

Ijoroako ho vavolombelona ihany koa fa ny Tompo no niantso ny Loholona Gerrit W. Gong sy ny Loholona Ulisses Soares hanompo ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Tiako izy ireo ary manohana azy ireo aho. Hitahy fiainana maro manerana izao tontolo izao sy taranaka maro izy ireo amin’ny alalan’ny asa fanompoany.

Mbola manan-tantara noho ny antony iray hafa ihany koa ity fihaonambe ity. Ny Filoha Nelson dia nampandre momba ny dingana iray nentanim-panahy eo amin’ny drafitra nalamin’ny Tompo ho an’ny Fiangonany. Io drafitra io dia ahitana rafitra vaovao ho an’ireo kôlejin’ny fisoronana any amin’ny paroasy sy tsatòka mba hahafahantsika manatontosa tsara kokoa ireo andraikitsika ao amin’ny fisoronana. Ireny andraikitra ireny dia misy hifandraisany amin’ny fikarakaran’ny fisoronana ireo zanaky ny Raintsika.

Ny drafitry ny Tompo ahafahan’ireo Olomasiny manolotra fikarakarana am-pitiavana dia naka endrika maro nandritra izay taona maro izay. Tany ampiandohan’ny vanimpotoana tany Nauvoo, dia nila fomba voarafitra ny Mpaminany Joseph Smith hikarakarana ireo mpikambana vaovao nahantra marobe tonga tao an-tanàna. Anisan’izy ireny ny efatra tamin’ireo ray aman-drenin’ny raibeko sy renibeko: ry Eyring, ry Bennion, ry Romney, ary ry Smith. Narafitry ny Mpaminany ara-jeografika ny fikarakarana ireo Olomasina ireo. Nantsoina hoe “paroasy” ireo fizarazaran’ny tanàna ireo tao Illinois.

Rehefa niampita ireo lohasaha ny Olomasina, dia narafitra ho “vondrona” ny fifampikarakaran’izy ireo. Ny iray tamin’ireo rain’ny raibeko (avy amin’ny raiko) dia niverina teo ampodiana avy tany amin’ny asa fitoriana nataony tany amin’ny faritra antsoina ankehitriny hoe Oklahoma raha nahita vondrona iray teny an-dalana. Nalemin’ny aretina tokoa izy ka nitsilany tao anatin’ny sarety kely izy sy ny namany.

Nandefa zatovovavy anankiroa ny mpitarika ilay vondrona mba hanampy izay mety ho tao anatin’ilay sarety. Ny iray tamin’izy ireo, izay rahavavy tanora niova fo tany Suisse, dia nijery ny iray tamin’ireto misiônera ireto ka nahatsapa fangorahana. Navotan’io vondrona Olomasina io ity misiônera ity. Sitrana izy ka afaka nandeha an-tongotra namita ny dia nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake niaraka tamin’ilay tanora mpanavotra azy teo anilany. Nifankatia izy ireo ary dia nifanambady. Lasa rain’ny raibeko izy, i Henry Eyring, ary renin’ny raibeko, Maria Bommeli Eyring.

Hoy ity rahavavy ity, taona maro taty aoriana, rehefa milaza momba ilay fahasahiranana lehibe tamin’ny fiampitana kaontinanta iray ny olona: “Tsia, tsy sarotra izany. Teny am-pandehanana izahay dia niresaka nandritra ny dia manontolo momba ny maha fahagagana ny nahitanay roa ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy. Izany no fotoana nahasambatra indrindra tsaroako.”

Nanomboka tamin’io dia nampiasa fomba maro ny Tompo hanampiana ny Olomasiny hifampikarakara. Izao isika dia nomeny kôlejy maro matanjaka kokoa sy miray hina eny anivon’ny paroasy sy tsatòka, kôlejy izay miasa mifandrindra amin’ireo rafitra rehetra ao amin’ny paroasy.

Ireo paroasy monisipaly sy ireo vondrona, ary ireo kôlejy nampatanjahana dia samy nitaky zavatra roa farafahakeliny raha tiana hahomby teo amin’ny fanirian’ny Tompo ny hifampikarakaran’ireo Olomasina amin’ny fomba hikarakarany azy ireo. Nahomby izy ireo rehefa nanana fitiavana tahaka ny an’i Kristy ho an’ny tsirairay mihoatra noho ny fanirian’izy ireo hahazo tombontsoa ho an’ny tenany. Ny soratra masina dia miantso izany hoe “fiantrana … ny fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47). Ary nahomby izy ireo rehefa mitarika ireo mpikarakara ny Fanahy Masina hahafantatra ny zavatra hain’ny Tompo fa tsara indrindra ho an’ilay olona izay ezahiny ampiana.

Imbetsaka tato anatin’ny herinandro maromaro no nisy mpikamban’ny Fiangonana naneho fihetsika teo imasoko toy ireny hoe efa novinanian’izy ireo izay ho ataon’ny Tompo, araka ny fanambarana natao teto androany. Mamelà ahy hanome ohatra roa fotsiny ihany. Ny iray: lahateny tsotra iray nandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo nataon’ny mpampianatra iray 14 taona tao amin’ny Fisoronana Aharôna izay mahatakatra ny zavatra azon’ny mpihazona ny fisoronana tanterahina mandritra ny fanompoan’izy ireo ny Tompo.Faharoa: mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray, izay nentanim-panahy hanompo fianakaviana iray niaraka tamin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy.

Voalohany, avelao aho hizara aminareo ireo tenin’ilay zatovolahy nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo tao amin’ny paroasy. Nanatrika tany aho. Ezaho tadidiana hoe nanao ahoana ianareo fony ianareo 14 taona ary henoy izy nilaza zavatra mihoatra noho izay tokony ho fantatry ny zatovolahy tanora toy izany:

“Tena tiako izany hoe mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra ato amin’ny paroasintsika izany, nanomboka tamin’ny naha-14 taona ahy tamin’ny taon-dasa. Mbola manana ireo andraikitra rehetra sahanin’ny diakona ny mpampianatra, miampy vaovao hafa vitsivitsy.

“Satria mpampianatra ny sasany amintsika, ary ho tonga toy izany ny hafa indray andro any, ary voatahy ny olona rehetra ato amin’ny Fiangonana noho ny fisoronana, dia manan-danja tokoa ho antsika rehetra ny mahafantatra bebe kokoa momba ireo adidin’ny mpampianatra.

“Voalohany indrindra: ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:53 dia milaza hoe: -Ny andraikitry ny mpampianatra dia ny mitandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana, ary ny miaraka amin’izy ireo sy ny manatanjaka azy.-

“Avy eo, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:54–55 dia milaza hoe:

“-Ary ny mijery mba tsy hisy heloka ao amin’ny fiangonana, na fifanamafisam-po, na fandaingana, na fifosana, na fitenenan-dratsy;

“-Ary ny manao izay hiarahan’ny fiangonana mivory matetika, ary koa ny manao izay hahatontosan’ny mpikambana rehetra ny andraikiny.-”

Notohizan’ilay zatovolahy hoe:

“Milaza amintsika ny Tompo fa andraikitsika ny tsy mikarakara fotsiny ny Fiangonana fa mikarakara ny olona ao anatin’ny Fiangonana ihany koa amin’ny fomba izay ho nanaovan’i Kristy izany satria Fiangonany ity. Raha toa ka miezaka mitandrina ireo didy isika, mifaneho hatsaram-panahy, marin-toetra, namana tsara, ary mankamamy ny fiarahana, dia ho afaka hanana ny Fanahy miaraka amintsika ary hahafantatra izay tian’ny Ray any An-danitra hataontsika isika. Raha tsy manao izany isika dia tsy afaka manatontosa ny antsontsika.”

Nanohy niteny izy hoe:

“Rehefa misafidy ny hametraka ohatra tsara ny mpampianatra iray amin’ny fanaovana tsara ny famangiana isan-tokantrano, ny fiarahabana ireo mpikambana any am-piangonana, ny fanomanana ny fanasan’ny Tompo, ny fanampiana ao an-tokantrano, ary ny fampihavanana, dia misafidy ny hanome voninahitra ny fisoronana ao aminy izy izay ary manatontosa ny antsony.

“Ny hoe mpampianatra tsara dia tsy midika fotsiny hoe tompon’andraikitra rehefa any am-piangonana na mandritra ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana. Nampianatra i Paoly Apôstôly hoe: -Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana- (1 Timoty 4:12).”

Dia hoy ilay zatovolahy hoe:

“Na aiza na aiza misy antsika, na inona na inona ataontsika, dia afaka ny ho ohatra tsara amin’ny fahamarinana isika amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra.”

“Mamangy isan-tokantrano an-dry Brown izaho sy ny dadako.1 Isaky ny mandeha any izahay dia mahafinaritra foana ny mitsidika sy mifankafantatra amin’izy ireo. Ny zavatra iray tena tiako momba an-dry Brown dia na oviana na oviana izahay no mankany dia vonona ny hihaino izy rehetra ary manana tantara mahafinaritra ho zaraina foana izy ireo.

“Rehefa fantatsika tsara ireo olona ao amin’ny paroasintsika noho ny fampianarana isan-tokantrano, dia manamora ny fanaovana ilay adidy manaraka sahanin’ny mpampianatra izany dia ny fiarahabana ireo mpikambana rehefa any am-piangonana. Manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy hahatsapa ho tiana sy ho vonona handray ny fanasan’ny Tompo ny fanampiana ny olona hahatsapa ho tongasoa sy ho isan’olona ao am-piangonana.

“Rehefa avy miarahaba ireo mpikambana izay tonga ao am-piangonana ireo mpampianatra dia manampy izy ireo amin’ny fanomanana ny fanasan’ny Tompo isaky ny alahady. Tena tiako ny mizara sy manomana ny fanasan’ny Tompo ato amin’ity paroasy ity satria tena mitsaoka amim-panajana tokoa ny rehetra. Mahatsapa mandrakariva ny Fanahy aho rehefa manomana sy mizara ny fanasan’ny Tompo. Fitahiana marina ho ahy ny fahafahako manao izany isaky ny alahady.

“Ny asa fanompoana sasany tahaka ny fizarana ny fanasan’ny Tompo dia zavatra hitan’ny olona ary misaotra antsika izy ireo noho ny fanaovana izany, saingy ny asa fanompoana hafa toy ny fanomanana ny fanasan’ny Tompo matetika dia tsy misy mahatsikaritra rehefa atao. Tsy manan-danja ny hoe hitan’ny olona isika eo am-panaovana asa fanompoana. Ny manan-danja dia hoe fantatry ny Tompo fa nanompo Azy isika.

“Amin’ny maha-mpampianatra antsika dia tokony hiezaka hatrany isika hampatanjaka ny Fiangonana, sy ireo namantsika, ary ny fianakaviantsika amin’ny alalan’ny fanatontosana ireo andraikitsika ao amin’ny fisoronana. Tsy mora foana izany, saingy tsy manome didy ho antsika ny Tompo -raha tsy efa nanomana lalana ho [antsika] mba hahazoan[tsika] manatontosa ny zavatra izay andidiany [antsika]- (1 Nefia 3:7).”

Raha namarana ny lahateniny ilay zatovolahy dia nitohy ny fitalanjonako noho ny fahamatorany sy ny fahendreny. Nofintininy toy izao izany “Fantatro fa ho tonga tsara kokoa isika raha toa ka misafidy ny hanaraka an’i [Jesoa Kristy].”

Nisy tantara momba ny asa fanompoan’ny fisoronana iray hafa notantaraina nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo iray volana lasa izay. Mbola nanatrika tany koa aho tamin’izay. Tamin’ity indray mitoraka ity, ity mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka efa nahazoazo taona ity dia tsy nahafantatra fa rehefa niresaka izy dia namariparitra mihitsy izay nirin’ny Tompo hitranga ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana nahazo tanjaka. Izao ny ampahany tamin’ny tantarany:

Nasaina hanompo fianakaviana fito izy sy ny mpiara-mampianatra isan-tokantrano aminy. Saika izy rehetra dia tsy te hovangiana. Rehefa nandeha tany an-tranon’izy ireo ireo mpamangy isan-tokantrano dia tsy nety namoha varavarana izy ireo. Rehefa niantso an-telefaonina izy ireo dia tsy nisy namaly. Rehefa namela hafatra izy ireo dia tsy nisy namerina niantso. Nony farany dia nanapa-kevitra ny hanompo azy ireo amin’ny alalan’ny fanoratana taratasy ilay mpiara-manompo mpitarika. Nanomboka nampiasa valopy mavo midorehitra mihitsy aza izy, nanantena hahazo valiny.

Rahavavy tokantena malaindaina iray nifindra monina avy tany Eorôpa ny iray tamin’ireo fianakaviana fito ireo. Nanana zanaka kely roa izy.

Rehefa niezaka ny nifampiresaka taminy im-betsaka izy dia nahazo hafatra iray tao amin’ny finday. Nampahafantariny azy mazava fa sahirana be izy ka tsy afaka hihaona amin’ireo mpamangy isan-tokantrano. Nanana asa roa izy ary tao amin’ny tafika ihany koa. Manam-boninahitra mpitandro filaminana ny asany voalohany, ary ny ho tonga mpitsikilo no tanjona arak’asany, ary hiverina any amin’ny firenena niaviany avy eo ka hanohy hiasa any.

Tsy afaka nitsidika azy tany an-tranony mihitsy ireo mpamangy isan-tokantrano. Nandefa hafatra tsy tapaka ho azy izy. Nandefa taratasy soratanana ho azy izy isam-bolana, niampy karatra firarian-tsoa ho an’ny ankizy tsirairay.

Tsy nahazo valiny izy. Saingy fantatr’ilay rahavavy hoe iza ireo mpamangy azy, sy ny fomba hifandraisana amin’izy ireo, ary hikiry ao amin’izany asa fanompoan’izy ireo ao amin’ny fisoronana izany izy ireo.

Kanjo, indray andro dia nahazo hafatra maika be avy tamin’ilay rahavavy izy. Tena nila fanampiana mafy izy. Tsy fantany hoe iza no eveka fa fantany hoe iza ireo mpamangy azy.

Afaka andro vitsivitsy dia mila mandao an’ilay faritra izy hanao fiofanana miaramila mandritra ny iray volana maninjitra. Tsy afaka nitondra ny zanany niaraka taminy izy. Ny reniny, izay saika hikarakara ny zanany, dia vao nisidina nankany Eorôpa mba hikarakara ny vadiny, izay narary tampoka.

Nanana vola ampy hividianana tapakila ho any Eorôpa ho an’ny zanany kely indrindra ity rahavavy tokantena malaindaina ity saingy tsy nanana ho an’i Eric zanany lahy izay 12 taona.2 Nangataka tamin’ireo mpamangy isan-tokantrano azy izy mba hitady fianakaviana OAF afaka handray an’i Eric ho ao an-tokantranon’izy ireo mandritra ny 30 andro manaraka.

Namaly ny hafany ilay mpamangy isan-tokantrano fa hanao izay rehetra vitany. Dia niresaka tamin’ireo mpitarika azy ao amin’ny fisoronana izy. Nanome lalana ny hiresahany amin’ny filan-kevitry ny paroasy ny eveka, izay mpisorona avo mpiahy, ka anisan’izany ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana.

Vetivety ilay filohan’ny Fikambanana Ifanampiana dia nahita fianakaviana OAF tsara efatra, izay nanan-janaka mitovy taona tamin’i Eric, izay vonona hifandimby handray azy ao an-tokantranon’izy ireo isan-kerinandro avy. Nandrita ny volana manaraka, ireo fianakaviana ireo dia niantoka sakafo ho an’i Eric, nanokana efitrano ho azy na dia efa feno olona na kely aza ny tranon’izy ireo, nitondra azy tamin’ireo hetsika ho an’ny fianakaviana nandritra ny fahavaratra efa voaomana mialoha, nitondra azy tany am-piangonana, ary nampandray anjara azy tamin’ny takarivam-pianakavian’izy ireo, sy ny sisa.

Ireo fianakaviana izay nanan-janaka nitovy taona tamin’i Eric, dia nampandray anjara azy tamin’ireo fivoriana sy ireo hetsika an’ny kôlejin’ny diakona. Nandritra ireo 30 andro ireo dia sambany no nandeha tany am-piangonana isaky ny alahady i Eric tamin’ny fiainany.

Rehefa niverina avy tamin’ilay fiofanana ny reniny dia nanohy nandeha tany am-piangonana i Eric, matetika niaraka tamin’ny iray tamin’ireo fianakaviana OAF nanolo-tena ireo na ireo hafa izay naka azy ho namana, anisan’izany ireo mpamangy isan-tokantranon’ny reniny. Taty aoriana dia natokana ho diakona izy ary nanomboka nizara tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo.

Izao dia handeha jerentsika ny hoavin’i Eric. Tsy ho gaga isika raha lasa mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana any amin’ny firenena niavian-dreniny izy rehefa miverina any ny fianakaviany, izany rehetra izany dia noho ireo Olomasina izay niara-niasa tamin’ny firaisan-kina, teo ambany fitarihan’ny eveka, mba hanompo tamin’ny fiantrana tao am-pon’izy ireo ary niaraka tamin’ny herin’ny Fanahy Masina.

Fantatsika fa ny fiantrana dia manan-danja mba hahavoavonjy antsika ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Nanoratra i Môrônia hoe: “Ary raha tsy manana fiantrana ianareo dia tsy azo vonjena mihitsy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra”(Môrônia 10:21; jereo ihany koa ny Etera 12:34).

Fantatsika ihany koa fa ny fiantrana dia fanomezam-pahasoavana omena antsika rehefa avy manao ny zavatra rehetra azontsika atao isika. Tsy maintsy “mivava[ka] amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo [isika] mba hahazoana mameno [antsika] amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy Zanany” (Môrônia 7:48).

Amiko dia toa mandray kokoa ny Fanahy Masina isika rehefa mifantoka amin’ny fanompoana ny hafa. Izany no antony ananantsika andraikitra ao amin’ny fisoronana mba hanompo ho an’ny Mpamonjy. Rehefa milofo amin’ny fanompoana ny hafa isika dia tsy mieritreritra firy momba ny tenantsika, ary afaka ho tonga avy hatrany amintsika ny Fanahy Masina ka hanampy antsika amin’ny fikatsahantsika mandritra ny androm-piainantsika ny hanana ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana eo amintsika.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa efa nanao dingana lehibe mandroso ny Tompo eo amin’ny drafiny hahatonga antsika ho entanim-panahy sy be fiantrana kokoa eo amin’ny asa fanompoana ataontsika ao amin’ny fisoronana. Feno fankasitrahana aho ny amin’ny fitiavany, izay omeny sesehana ho antsika tokoa. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Novaina ny anarana.

  2. Novaina ny anarana.