2010–2019
Ilay Mpaminanin’ Andriamanitra
Aprily 2018


Ilay Mpaminanin’ Andriamanitra

Tsy mijoro manelanelana antsika sy ny Mpamonjy ny mpaminany. Fa kosa, mijoro eo anilanao izy ary manondro ny lalana mankany amin’ny Mpamonjy.

Arahabaiko ihany koa ny Loholona Gerrit Gong sy ny Loholona Ulisses Soares tonga soa ato amin’ity firahalahian’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy tsy manan-tsahala ity.

Raha nanohana ny Filoha Russell M. Nelson isika ho mpaminanin’ny Tompo sy ho Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia nandray anjara tamina fivoriana masina notendren’ Andriamanitra, masina satria ireo zava-nitranga tamin’iny ora lasa iny dia efa nomanina tany an-danitratalohan’ny namoronana izao tontolo izao. I Jesoa Kristy Tompo, izay mitantana ny asany, dia nanolotra androany, tamin’ny alalan’ny Filoha Eyring, ny Mpaminaniny sy mpitarika voahosony, tamintsika vahoakan’ny fanekeny, ka namela antsika haneho ampahibemaso ny fahavononantsika hanohana azy sy hanaraka ny toroheviny.

Ho anareo mpikambana an-tapitrisany maro izay tsy miaraka aminay ato amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana, dia tiako ny hahafantaranareo fa ny Fanahin’ny Tompo tato amin’ity toerana ity nandritra ny fanohanana ny Filoha Nelson dia tena araka ny neritreretanareo azy—heniky ny hery ara-panahy izany. Saingy ity fivoriantsika tarihin’ny lanitra ity dia tsy eto amin’ity Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ity ihany fa manerana izao tontolo izao: any amin’ireo trano fiangonana any Azia, sy Afrika, ary Amerika Avaratra, any amin’ireo tokantrano any Amerika Afovoany sy Atsimo ary any Eorôpa; any amin’ireo trano falafa any Pasifika sy any amin’ireo nosin-dranomasina. Ity fihaonambe ity dia atao na aiza na aiza mety misy anareo, na dia feo avy amina finday ihany aza no fifandraisana azonareo. Tsy nisain’ireo evekantsika akory ireo tanantsika nitsangana, saingy azo antoka fa voaray any an-danitra izy ireny, satria amin’ Andriamanitra isika no manao fanekempihavanana, ary ny zavatra ataontsika dia voarakitra ao amin’ny bokin’ny fiainana.

Misafidy ny Mpaminaniny ny Tompo

Ny Tompo mihitsy no manao ny fifantenana ny mpaminany. Tsy misy fampielezan-kevitra, na adihevitra mitabataba, na fitapitaka hahazoana toerana, na fifandirana, na tsy fifampitokisana, na tsy fitovian-kevitra na korontana.Izaho koa dia manamafy fa ny herin’ny lanitra dia niaraka taminay tany amin’ny efitra farany ambonin’ny tempoly rehefa nivavaka nanodidina ny Filoha Nelson izahay ary nahatsapa ny faneken’ny Tompo azy izay tsy azo lavina.

Efa vita fotoana ela tany aloha tany ny fifidianana ny Filoha Nelson mba ho mpaminanin’ Andriamanitra. Mihatra amin’ny Filoha Nelson ihany koa ireo tenin’ny Tompo tamin’i Jeremia hoe: “Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.”1 Vao telo taona lasa izay, dia ny Loholona Nelson, tamin’izy 90 taona, no fahaefatra tamin’ireo ela nanompoana indrindra, ka roa tamin’ireo Apôstôly telo ela noho izy no mbola zandriny raha ny taona. Ny Tompo izay mitantana ny fiainana sy ny fahafatesana no misafidy ny mpaminaniny. Mahatalanjona ny fahasalaman’ny Filoha Nelson amin’izao izy 93 taona izao. Manantena ny mbola hiaraka aminy isika ao anatin’ny folo na roapolo taona, fa amin’izao aloha dia hiezaka isika ny handresy lahatra azy hanalavitra ny toerana misolampy fanaovana ski.

Raha manohana ny mpaminany ho ilay voahosotry ny Tompo isika, dia aoka hazava fa Andriamanitra irery ihany no deraintsika, dia ny Ray any An-danitra sy ny Zanany masina. Amin’ny alalan’ny fahamendrehan’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika sy ny famindram-pony ary ny fahasoavany no hahafahantsika indray andro any hiditra indray eo anatrehan’Izy ireo.2

Nahoana isika no manaraka ny mpaminany

Nampianatra fahamarinana manan-danja mikasika ireo mpanompo irahiny ihany koa anefa i Jesoa. “Izay mandray anareo,” hoy Izy, “dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy.”3

Ny anjara asa manan-danja indrindra sahanin’ny mpaminanin’ny Tompo dia ny mampianatra antsika momba ny Mpamonjy sy ny mitarika antsika hankany Aminy.

Misy antony maro mitombina tokony hanarahana ny Filoha Russell M. Nelson. Na ireo izay avy amin’ny finoana hafa aza dia miaiky fa tena maranin-tsaina izy. Dokotera mpitsabo izy tamin’izy 22 taona, sy mpandidy fo nikoizana ary mpisava lalana fanta-daza teo amin’ny fampivoarana ny fandidiana fo misokatra.

Betsaka no miaiky ny fahendreny sy ny fahaizany mandanjalanja: sivifolo taona nianarana mikasika ny fiainana sy ny fahafatesana, niainana tao amin’ny tsy fitiavan-tena, nitiavana sy nampianarana ireo zanak’ Andriamanitra manerana ny vazan-tany efatra, ary traikefa naha-matotra avy amin’ireo zanaka 10 sy zafikely 57 ary zafiafy 118 (io isa farany io dia mitombo matetitetika; vao nisy zafiafy teraka tamin’ny alarobia lasa teo).

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson miaraka amin’ny zafiafiny vao teraka

Ireo izay mahafantatra azy tsara dia hilaza momba ny Filoha Nelson hoe niatrika ireo fahasarotan’ny fiainana tamim-pinoana sy tamin-kerimpo. Rehefa matin’ny homamiadana i Emily zanany vavy 37 taona, ka namela vady be fitiavana sy zanaka kely dimy, dia henoko izy nilaza hoe: “Rainy aho, ary dokotera mpitsabo sy Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo, saingy tsy maintsy nanondrika ny lohako aho sy nanaiky, -Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.-”4

Mpitily eo an-tampon’ny tilikambo

Na dia deraintsika aza ireo toetra tsara rehetra ireo dia nahoana isika no manaraka ny Filoha Nelson? Nahoana isika no manaraka ny mpaminany? Satria nantsoin’i Jesoa Kristy Tompo izy ary notendreny ho mpitiliny mitsangana eo an-tampon’ny tilikambo.

Sary
Carcassonne, Frantsa

I Carcassonne dia tanàna miavaka any Frantsa voahodidina rindrina, izay nijoro efa hatramin’ny vanim-potoan’ny Moyen-âge. Nisy tilikambo avo maro naorina teo amin’ireo rindrina voaro, natao ho an’ireo mpitily izay nijoro teo ambonin’ireo tilikambo ireo andro aman’alina, nifantoka tsy tapaka avy lavitra nitazana fahavalo.Rehefa nahatazana fahavalo nanatona ilay mpitily dia ny feo fampitandremany no niaro ny vahoakan’i Carcassonne tamin’ny loza manambana izay tsy hitan’izy ireo.

Ny mpaminany dia mpitily mitsangana eo ambonin’ny tilikambo, miaro antsika amin’ireo loza ara-panahy izay mety tsy ho hitantsika.

Hoy ny Tompo tamin’i Ezekiela, “Notendreko ho mpitily ho an’ny taranak’ Isiraely ianao; ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no entinao mananatra azy.”5

Matetika isika no miresaka mikasika ny tokony hanarahantsika ny mpaminany, kanefa eritrereto ny enta-mavesatra napetraky ny Tompo eo amin’ny mpaminaniny: “[Raha] tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ny alehany, dia ho fatin’ny helony ihany izany ratsy fanahy izany; … ny rany dia hadiniko amin’ny tananao.”6

Fijoroana ho vavolombelona manokana mafonja kokoa

Manohana ny Filoha Nelson isika toy ny hanohanantsika an’i Petera na i Mosesy raha niaina tamin’ny andron’izy ireo isika. Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: “Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.”7 Isika dia mihaino ny mpaminanin’ny Tompo miaraka amin’ny finoana fa ny teniny dia “avy amin’ny [vavan’ny Tompo].”8

Moa ve izany finoana an-jambany? Tsia. Samy manana tenivavolombelona ara-panahy mikasika ny fahamarinan’ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny isika tsirairay. Tamin’ny nahim-pontsika sy safidintsika no nananganantsika tanana anikeheo maraina, nanambara ny faniriantsika hanohana ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny alalan’ny “fahatokian[tsika], sy ny finoan[tsika], ary ny vavaka [ataontsika]”9 ary hanaraka ny toroheviny. Manana tombontsoa isika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika handray tenivavolombelona ho an’ny tena manokana fa avy amin’ Andriamanitra ny antson’ny Filoha Nelson. Raha nahafantatra ny Filoha Nelson manokana i Kathy vadiko, nandritra ny efa ho telopolo taona izay, ary tsy nametra-panontaniana momba ny fahefany masina, tamin’ny nanokanana azy dia nanomboka namaky ireo lahateniny rehetra tamin’ny fihaonambe tao anatin’ny 34 taona, sady nivavaka mba hahazoana toky misimisy kokoa mikasika ny andraikiny amin’ny maha-mpaminany azy.Mampanantena anao aho fa ho tonga aminao io tenivavolombelona mafonja kokoa io raha mikatsaka izany amim-panetrentena sy amim-pahamendrehana ianao.

Fa nahoana moa isika no vonona tokoa hanaraka ny feon’ny mpaminanintsika? Ho an’ireo mikatsaka amim-pahazotoana ny fiainana mandrakizay, dia mitondra fiarovana ara-panahy ao anatin’ny fotoana tena mikorontana ny feon’ny mpaminany.

Miaina eo amin’ny planeta iray isika ary an-tapitrisany no mikotaba maneho hevitra. Ny internet sy ny findaintsika, ireo fialamboly maro karazana tokoa, dia samy manao izay isarihana ny saintsika sy hanerena ny fitaomany eo amintsika, manantena ny hividianantsika ny zavatra vokarin’izy ireo sy ny hanarahantsika ny fenitr’izy ireo.

Ireo fampahalalana sy fanehoan-kevitra toa tsy manam-pahataperana dia mampahatsiahy antsika ilay fampitandremana ao amin’ny soratra masina sao “ahilangilana sy ampitambolimbolena,”10 entin’ny rivotra,”11 ary resin’ny “saim-petsy ” ataon’ireo izay “hanatanteraka ny hevitry ny famitahana.”12

Ny fampifikirana ny fanahintsika amin’i Jesoa Kristy Tompo dia mitaky ny fihainoana ireo izay irahiny. Ny fanarahana ny mpaminany eo amin’ny tontolo feno korontana dia toy ny mirakotra bodofotsy mafana tsara amin’ny andro mamirifiry.

Miaina ao anatin’ny tontolo hanjakan’ny hevitra sy ny adihevitra, ny fiandanian-kevitra, ny lôjika ary ny fanazavana isika. Ny fametrahana ny fanontaniana hoe, “Nahoana?” dia zavatra tsara eo amin’ny lafiny maro tokoa amin’ny fiainantsika, ahafahan’ny herin’ny faharanitan-tsaintsika hitarika ireo safidy sy fanapahan-kevitra maro izay atrehantsika isan’andro.

Kanefa mazàna ny feon’ny Tompo dia tonga tsy misy fanazavana.13 Efa ela talohan’ny nandalinan’ireo manampahaizana ny fiantraikan’ny fanitsakitsahana eo amin’ny vady aman-janaka mahatoky no nilazan’ny Tompo hoe “Aza mijangajanga.”14 Ankoatra ny fianteherana amin’ny faharanitan-tsaintsika irery dia sarobidy amintsika ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Aza gaga

Sary
I Noa eo am-pitoriana

Ny feon’ny mpaminany, na tenenina amin-katsaram-panahy aza, dia matetika feo mangataka antsika hiova sy hibebaka ary hitodika amin’ny Tompo. Rehefa misy fanitsiana tokony atao dia aza mangataka andro. Aza taitra raha mifanohitra amin’ny fomba fijery malaza ankehitriny ny feo fampitandremana ataon’ny mpaminany. Ny fanesoesoana mafy ataon’ireo tsy mpino izay romotra dia mifafy foana raha vao manomboka miteny ny mpaminany. Raha toa ianao manetry tena amin’ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminanin’ny Tompo, dia mampanantena anao fiarovana sy fiadanana fanampiny aho.

Sary
Maminany i Samoela ilay Lamanita

Aza gaga raha indraindray ny sasany amin’ireo fomba fijerinao manokana dia tsy mifanaraka amin’ireo fampianaran’ny mpaminanin’ny Tompo any am-boalohany. Fotoana hianarana sy hanetrena tena ireny, raha toa isika mandohalika mivavaka. Mandroso am-pinoana isika, matoky an’ Andriamanitra, mahalala fa rehefa mandeha ny fotoana dia handray fahazavana ara-panahy misimisy kokoa avy amin’ny Ray any An-danitra isika.Nisy mpaminany iray namaritra ilay fanomezam-pahasoavana tsy manan-tsahalan’ny Mpamonjy hoe “ny sitrapon’ny Zanaka dia voatelina ao amin’ny sitrapon’ny Ray.”14 Ny fampandeferana ny sitrapontsika ao anatin’ny sitrapon’ Andriamanitra raha ny marina, dia tsy faharesena velively fa fiandohan’ny fandresena feno voninahitra.

Ny olona sasany dia hanandrana ny hamakafaka lalina loatra ireo tenin’ny mpaminany, misahirana mamantatra hoe inona no tenin’ny faminaniany ary inona no hevitra avy aminy manokana.

Tamin’ny taona 1982, roa taona talohan’ny niantsoana azy ho Manampahefana Ambony, dia nilazaRahalahy Russell M. Nelson hoe: “Tsy mba manontany tena mihitsy aho hoe, -Oviana ny mpaminany no miteny amin’ny maha-mpaminany azy ary oviana izy no tsy manao izany?- Ny zavatra nahaliana ahy dia ny hoe, -Ahoana no hahafahako hitovy kokoa aminy?-” Dia nampiany koa hoe: “Ny [fomba fisainako dia ny] manatsahatra ny fametrahana baraingo aorian’ny teny ambaran’ny mpaminany ary mametraka tsoraka kosa ho solon’izany.”15 Izany no fomba nisafidian’ny lehilahy iray manetry tena sy feno aim-panahy hitarihana ny fiainany. Ankehitriny, 36 taona aty aoriana, dia izy no mpaminanin’ny Tompo.

Mampitombo ny finoanao ny Mpamonjy

Eo amin’ny fiainako manokana, dia nahita aho fa rehefa mandalina amim-bavaka ny tenin’ny mpaminanin’ Andriamanitra aho ary mampifanaraka ara-panahy amim-pitandremana sy amim-paharetana ny sitrapoko amin’ireo fampianarany azo avy amin’ny fanentanam-panahy, dia mitombo hatrany ny finoako an’i Jesoa Kristy Tompo.17 Rehefa misafidy ny tsy hiraharaha ny toroheviny isika, ary mitono-tena ho mahay kokoa, dia mijaly ny finoantsika ary ho semban-drahona ny fomba fijerintsika ny mandrakizay.Mampanantena anao aho fa raha mitoetra ho mahatoky ianao eo amin’ny fanarahana ny mpaminany dia hitombo ny finoanao ny Mpamonjy.

Hoy ny Mpamonjy: “Ny mpaminany rehetra … dia efa nanambara ny Amiko.”18

Tsy mijoro manelanelana antsika sy ny Mpamonjy ny mpaminany. Fa kosa, mijoro eo anilanao izy ary manondro ny lalana mankany amin’ny Mpamonjy. Ny andraikitra lehibe indrindran’ny mpaminany iray sy ny fanomezana sarobidy indrindra omen’ny mpaminany iray antsika dia ny teny vavolombelony sy ny fahalalany azo antoka fa i Jesoa no Kristy. Tahaka an’i Petera fahiny, dia manambara ny mpaminanintsika hoe: “[Izy no] Kristy Zanak’ Andriamanitra velona.”19

Indray andro any, rehefa manao jery todika ny fiainantsika teto an-tany isika dia hiravoravo fa niaina teto an-tany tamin’ny fotoana nisian’ny mpaminany velona. Amin’izany andro izany, dia enga anie isika mba ho afaka hiteny hoe:

Nihaino azy izahay.

Nino azy izahay.

Nandalina ny teniny tamim-paharetana sy tamim-pinoana izahay.

Nivavaka ho azy izahay.

Nijoro teo anilany izahay.

Nanana fanetrentena ampy izahay hanarahana azy.

Nitia azy izahay.

Omeko anareo ny teny vavolombeloko masina fa i Jesoa no Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ary ny Filoha Russell M. Nelson no ilay mpaminaniny voahosotra eto ambonin’ny tany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jeremia 1:5.

  2. Jereo ny 2 Nefia 2:8.

  3. Matio 10:40.

  4. Fahatsiarovan’ny tena manokana; jereo ihany koa ny Spencer J. Condie, Russell M. Nelson: Father, Surgeon, Apostle (2003), 235.

  5. Ezekiela 33:7.

  6. Ezekiela 33:8.

  7. Eksodosy 4:12.

  8. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5

  9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:22.

  10. Efesiana 4:14.

  11. Jakoba 1:6

  12. Efesiana 4:14.

  13. Nilaza ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

    “Tao anatin’ny resadresaka natao tamin’ny taona 1988 … dia nanazava ny fihetsiko manoloana ny fanandraman’ny olona hampisy antony ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra aho:

    “‘Raha mamaky ny soratra masina miaraka amin’ity fanontaniana manao hoe “Nahoana no Tompo no nandidy ity na nahoana Izy no mandidy izao,” ity ianao dia hahita fa raha nanome fanambarana zato izy dia tsy nanome antony ny amin’ny iray monja amin’ireo didy ireo. Tsy fomba fanaon’ny Tompo ny manome antony. Fa isika [olombelona ] no afaka manome antony ho an’ny fanambarana. Afaka mampisy antony ireo didy isika. Rehefa manao izany isika, dia mandeha irery. Ireo olona sasany dia manome antony ny [fanambarana] … , fa avy eo dia miseho amin’ny fomba mahagaga ny hahadisoan’izy ireo. Ianarana lesona izany. … Nanapa-kevitra aho fotoana efa ela be izay fa hanana finoana amin’ny didy fa tsy hanana finoana ny amin’ny antony natao sosokevitra mikasika izany.- …

    “-… Amiko ireo andian’antony rehetra dia toa tsy mendrika hofantarina akory. … Aleo tsy manao ny hadisoana izay natao tany aloha, ny miezaka ny mametraka antony amin’ny fanambarana rehetra. Izany antony izany dia ho hita fa avy amin’olombelona avokoa. Ireo fanambarana dia izay tohanantsika ho sitrapon’ny Tompo ary amin’izany no ahitana ny fiarovana-” (Life’s Lessons Learned [2011], 68–69).

  14. Eksodosy 20:14.

  15. Môsià 15:7.

  16. Russell M. Nelson, ao amin’ny Lane Johnson, “Russell M. Nelson: A Study in Obedience,” Tambuli, jan. 1983, 26.

  17. Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Ny hadisoana iray hafa dia ny mino fa ny fisafidianana ny hanaraka na tsia ny torohevitr’ireo mpaminany dia tsy inona fa ny fandraisana ny fanapahan-kevitra na hanaraka torohevitra tsara ary hahazo tombotsoa avy amin’izany, na ny tsy manao na inona na inona. Kanefa ny fisafidianana ny tsy hanaiky ireo torohevitra nomena tamin’ny faminaniana dia manova tanteraka ny faritra ijoroantsika. Lasa mampidi-doza kokoa izany. Ny tsy fanekena ny torohevitry ny mpaminany dia mampihena ny herintsika handray torohevitra nentanim-panahy amin’ny ho avy. Ny fotoana tsara indrindra nanapahana hevitra ny hanampy an’i Noa hanamboatra ilay sambofiara dia tamin’ny fotoana voalohany nangatahany izany. Isaky ny nangataka izy taorian’izay, ny tsy famaliana tsirairay dia nampihena ny fahenoana ny Fanahy. Ary dia toy izany fa isaky ny nangataka izy dia toa miha-adaladala kokoa izany, nandrapahatongan’ny orana. Ary dia tara loatra avy eo” (“Finding Safety in Counsel,” Ensign, mey 1997, 25).

  18. 3 Nefia 20:24.

  19. Matio 16:16; jereo koa ny Jaona 6:69.