2010–2019
Zatovovavy ao anatin’ilay asa
Aprily 2018


Zatovovavy ao anatin’ilay asa

Ny zatovovavy tsirairay ato amin’ny Fiangonana dia tokony hahatsapa fa manana ny lanjany sy tokony hanana fahafahana manompo ary tokony hahatsapa fa manana zavatra manan-danja azony entina ato amin’ity asa ity izy.

Herintaona lasa izay, nandritra ny fivoriamben’ny fisoronana tao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no niresaka tamin’ireo lehilahy ato amin’ny Fiangonana ny Eveka Gérald Caussé ka nanazava fa mpiara-miasa tsy azo sarahina ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna sy ny Fisoronana Melkizedeka eo amin’ny fanatanterahana ny asa famonjena.1 Fitahiana lehibe izany hafatra izany mba hanampiana ireo zatovolahy mihazona ny Fisoronana Aharôna hahita ny anjara asan’izy ireo eo amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Ny asa fanompoana iarahan’izy ireo manao dia manamafy orina ny Fiangonana ary miteraka fiovam-po lalina kokoa sy fanolorantena ao am-pon’ireo zatovolahintsika rehefa hitan’izy ireo ny lanjan’ny anjara biriky entin’izy ireo sy ny maha-mahatalanjona ity asa ity.

Te hanampy izany hafatra izany aho androany ao anatin’ny lahateniko raha hiresaka ireo zatovovavin’ny Fiangonana izay ilaina mitovy amin’izany koa eo amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo ao amin’ny fianakaviany sy ny Fiangonany.

Toa an’i Eveka Caussé, dia nipetraka tany amin’ny faritra iray misy sampana kely an’ny Fiangonana aho ny ankamaroan’ny ny naha-zatovo ahy, ary matetika aho no nangatahina mba hanatanteraka andraikitra sy antso tokony hataon’ny olon-dehibe raha ny mahazatra. Ohatra, izahay izay tao anatin’ny fandaharan’asan’ny zatovo no matetika nandray an-tanana ny fandrafetana sy ny fikarakarana ireo fiaraha-mientanay sy ireo hetsika manokana. Nanoratra tantara an-tsehatra izahay, nanangana antoko mpihira izahay mba hampiala voly mandritra ireo fiaraha-mientana nokarakarain’ny sampana ary nandray anjara feno izahay tao anatin’ireo fivoriana rehetra. Voantso ho mpitarika ny hira tao amin’ny sampana aho ka nitarika ny hira nandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Traikefa lehibe amin’ny maha-16 taona ny tena ny nijoro teo anoloan’ny olona rehetra tao amin’ilay sampana isaky ny alahady ary nitarika azy ireo rehefa nihira ireo hira ao amin’ny fihirana.? Nahatsapa ho nilaina aho ary nahafantatra fa nanana anjara biriky azo nentina. Niantehitra tamin’ny fahatongavako tany ny olona ary tiako ilay fahatsapana fa ilaina aho. Nanampy ahy tamin’ny fanorenana ny fijoroako ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izany zavatra niainana izany toy ny nisehoan’izany tamin’ny Eveka Caussé. Nampifototra ny fiainako tamin’ny fanaovana asa fanompoana ao anatin’ny filazantsara izany.

Tokony ho fantatry ny mpikambana tsirairay fa tena ilaina izy ireo. Ny olona tsirairay dia manana zavatra manan-danja azo atolotra ary manana talenta sy fahaiza-manao miavaka izay manampy amin’ny fampandrosoana ity asa manan-danja ity. Ny zatovolahintsika dia manana ireo andraikitry ny Fisoronana Aharôna voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay mora hita ihany. Mety tsy dia miharihary loatra amin’ireo zatovovavin’ny Fiangonana sy ny ray aman-drenin’izy ireo ary ireo mpitarika azy ireo fa manomboka amin’ny fotoana nanaovana batisa azy ireo, dia manana andraikitra ao anatin’ny fanekempihavanana izy ireo mba “hiara-malahelo amin’izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy anareo, na dia hatramin’ny fahafatesana aza.”2 Manana tombontsoa mba hanatanteraka ireo andraikitra ireo ny zatovovavy rehefa manompo any amin’ireo fiadidian’ny kilasy sy ao amin’ireo filankevitry ny zatovo ary ao anatin’ireo antso hafa. Ny zatovovavy tsirairay ato amin’ny Fiangonana dia tokony hahatsapa fa manana ny lanjany sy tokony hanana fahafahana manompo ary tokony hahatsapa fa manana zavatra manan-danja azony entina ato amin’ity asa ity izy.

Hitantsika ao amin’ny Boky Torolalana 2, fa ny asa famonjena ao anatin’ireo paroasintsika dia ahitana “ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana, ny fihazonana ireo niova fo, ny fampavitrihana ireo mpikambana malaindaina, ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ary ny fampianarana ny filazantsara.”3 Io asa io dia tarihin’ireo evekantsika mahatoky izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana ho an’ny paroasin’izy ireo. Nandritra ny taona maro izay dia nametraka izao fanontaniana izao ny fiadidianay :“Inona amin’ireo lafin-javatra notanisaina ireo no tsytokony hataon’ireo zatovovavintsika?” Ny valiny dia manana zavatra azo entina ao anatin’ireo lafin-javatra rehetran’ ity asa ity izy ireo.

Ohatra, nihaona tamina zatovovavy maro aho tany amin’ny faritr’i Las Vegas izay voantso ho mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaran’ny fianakaviana ao amin’ny paroasy. Feno fientanentanana izy ireo noho ny fahafahana hampianatra sy hanampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasin’izy ireo mba hitady ireo razambeny. Nanana fahaiza-manao manan-danja mikasika ny solosaina izy ireo sy nianatra ny fomba fampiasana ny FamilySearch ary tena faly hizara izany fahalalana izany amin’ny hafa. Mazava fa nanana fijoroana ho vavolombelona sy fahatakarana mikasika ny maha-zava-dehibe ny fitadiavana ny anaran’ireo razambentsika izy ireo mba hahafahana manatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena ho azy ireo any amin’ny tempoly.

Volana maro lasa izay dia nanana fahafahana nanandrana hevitra tamina zatovovavy 14 taona aho. Nahazo tahadika anankiroan’ireo fandaharam-potoan’ny filankevitry ny paroasy tamin’izay fotoana izay aho ka nomeko tahadika iray avy i Emma sy i Maggie. Nangataka azy ireo aho mba hamaky ireo fandaharam-potoana sy hijery raha toa ka misy karazana asa avy ao amin’ny filankevitry ny paroasy azon’izy ireo handraisana anjara. Hitan’i Emma fa nisy fianakaviana vaovao nifindra ao amin’ny paroasy ary nilaza izy fa afaka manampy azy ireo amin’ny fifindrana sy ny famahana ny entana. Nieritreritra izy hoe afaka minamana amin’izay zanaka ao amin’ilay fianakaviana sy mampiseho azy ireo ny sekolin’izy ireo vaovao.Hitany fa hisy fiaraha-misakafo eo anivon’ny paroasy atsy ho atsy ka nahatsapa izy fa misy fomba maro azony hanolorana ny fanampiany.

Hitan’i Maggie fa misy zokiolona maro ao amin’ny paroasy izay ilaina vangina sy mba namanana. Nilaza izy fa te hamangy sy hanampy an’ireo mpikambana efa antitra mahafinaritra ireo.Nahatsapa koa izy fa afaka mampianatra ireo mpikambana ao amin’ny paroasy mikasika ny fomba fanamboarana sy ny fampiasana tranonkalan’ny tambazotra ifaneraserana. Tsy nisy na dia zavatra iray aza tao anatin’ireo fandaharam-potoana ireo ka tsy azon’’ ireo zatovovavy roa ireo hitondrana fanampiana!

Moa ve ireo izay manatrika ireo filankevitry ny paroasy na mihazona antso any amin’ny paroasy mba mahita ireo zatovovavy ho toy ny loharano manan-danja izay mba hanampy amin’ny fanatanterahana ireo zavatra ilaina maro ao amin’ny paroasintsika? Amin’ny ankapobeny, dia misy lisitra lava iray ahitana ireo toe-javatra izay mitaky olona mba hanompo, ary matetika isika tsy mieritreritra afa-tsy ireo olon-dehibe ao amin’ny paroasy mba hanatanteraka ireo zavatra ilaina ireo.Toy ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna izay nasaina mba hiara-hiasa amin’ny rain’izy ireo sy ireo lehilahy hafa ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka, dia azo antsoina ny zatovovavintsika mba hanompo sy hanatanteraka izay zavatra ilain’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy miaraka amin’ny renin’izy ireo na rahavavy hafa izay ohatra tsara. Mahavita zavatra sy mazoto izy ireo ary vonona ny hanao zavatra bebe kokoa noho ny miangona fotsiny isaky ny alahady!

Sary
Zatovovy manampy amin’ny fividianana enta-madinika
Sary
Zatovovy manompo
Sary
Zatovovy manampy amin’ny fikirakirana solosaina
Sary
Zatovovy manadio
Sary
Zatovovay mitarika hira
Sary
Zatovovy mampianatra
Sary
Zatovovy manao ankanjo Môrmôna Manome Tanana
Sary
Zatovovavy miarahaba olona any am-piangonana

Raha mieritreritra ireo anjara asa izay andrandraina mba hataon’ireo zatovovavy atsy ho atsy isika, dia afaka manontany tena isika hoe, inona avy ireo karazana traikefa azontsika atolotra azy ireo amin’izao fotoana izao izay hanampy amin’ny fiomanan’izy ireo mba ho misiônera, olona mahafehy ny filazantsara, ho mpitarika ao amin’ireo vondrona fanampin’ny Fiangonana, ho mpanao asa any amin’ny tempoly, ho vady, ho reny sy mpanoro hevitra ary namana.Azon’izy ireo atomboka dieny izao ny fanatanterahana ny ankamaroan’ireo anjara asa ireo. Matetika ny zatovo no angatahina mba hampianatra lesona ao amin’ny kilasin’izy ireo ny alahady. Manana fahafahana amin’izao fotoana izao ny zatovovavintsika mba hanatanteraka asa fanompoana izay notanterahin’ireo mpanatanteraka ôrdônansy na mpilatsaka an-tsitrapo teo aloha rehefa mandeha any amin’ny tempoly miaraka amin’ireo andian-jatovony izy ireo mba hanatanteraka batisa ho an’ny maty.Ireo ankizivavintsika ao amin’ny sokajin-taonan’ny Kilonga dia asaina amin’izao fotoana izao mba hanatrika ireo fivoriana fampahafantarana mialoha ny fisoronana sy ny tempoly izay hanampy azy ireo hahatakatra fa mpandray anjara manan-danja ao anatin’ilay asa tarihin’ny fisoronana koa izy ireo.Mianatra izy ireo fa ny lehilahy, ny vehivavy sy ny zatovo ary ny ankizy dia mahazo ireo fitahian’ny fisoronana daholo ary afaka mandray anjara mavitrika ao anatin’ny fampandrosoana ny asa tarihin’ny fisoronana.

Ry eveka, fantatray fa mavesatra matetika ny andraikitrareo, saingy raha iray amin’ireo laharam-pahamehanareo ny miahy ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna, dia manambara koa ny Boky Torolalana 2, fa “ny eveka sy ireo mpanolotsaina azy no mitarika ny rafitry ny Zatovovavy amin’ny alalan’ny Fisoronana. Miahy sy manamafy orina ny zatovovavy tsirairay izy ireo ka miara-miasa akaiky amin’ny ray aman-dreny sy ireo mpitarika ny Zatovovavy.” Milaza koa izany fa “Mandray anjara matetika amin’ireo fivoriana sy ny asa fanompoana ary ny fiaraha-mientan’ny Zatovovavy ny eveka sy ny mpanolotsaina azy.”4 Izahay dia feno fankasitrahana an’ireo eveka izay manokana fotoana hamangiana ireo kilasin’ny Zatovovavy sy manome fahafahana ireo zatovovavy ao amin’ny paroasin’izy ireo mba tsy ho mpijery tsotra fotsiny ny asa. Misaotra anareo noho ny fanaovana izay haha-mpandray anjara manan-danja ny zatovovavinareo eo amin’ny fanomezana izay zavatra ilain’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy! Ireo fahafahana manompo amin’ny fomba manan-danja ireo dia mitahy bebe kokoa azy ireo noho ireo fiaraha-mientana izay hampialana voly azy ireo fotsiny.

Ho anareo zatovovavin’ny Fiangonana, mety feno zavatra atao ary matetika feno fahasarotana ireo taona maha-zatovo anareo. Tsikaritray fa maro aminareo no mitolona amin’ny fananana olana mikasika ny fanekena ny fananan’ny tena ny maha-izy azy, ny fitebitebena, ny rarin-tsaina goavana, ary ny hareraham-panahy aman-tsaina mihitsy angamba. Ny fampitodihanareo ny sainareo any amin’ny hafa, fa tsy ny fitoerana ao anatin’ny olanareo manokana, dia mety tsy hamaha ireo olana rehetra ireo, kanefa ny asa fanompoana matetika dia afaka manamaivana ny enta-mavesatrareo ary afaka mampihena ny vesatry ny olanareo. Ny iray amin’ireo fomba tena tsara mba hampitomboana ny fahatsapana ny fananan’ny tena ny maha-izy azy, dia ny mampiseho amin’ny alalan’ny fiahiantsika sy ny fanompoantsika ny hafa, fa manana zavatra maro manan-danja azo atolotra isika.5 Mamporisika anareo zatovovy aho mba hanangana ny tananareo hirotsaka an-tsitrapo rehefa mahita filana fanampiana manodidina anareo ianareo. Rehefa manatanteraka ireo andraikitrareo ao anatin’ny fanekempihavanana ianareo ary mandray anjara amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra, dia hirotsaka eo amin’ny fiainanareo ireo fitahiana ary hahita ilay fifaliana lalina sy maharitra amin’ny maha-mpianatra ianareo.

Ry anadahy sy rahavavy, mahavariana ireo zatovovavintsika ireo.Manana talenta, fientanentanana tsy misy fetra, sy tanjaka izy ireo ary feno fangorahana sy fiahiana.Tehanompo izy ireo. Mila mahafantatra izy ireo fa manan-danja ary ilaina ao amin’ny asa famonjena. Toy ny Fisoronana Aharôna izay fiomanana amin’ny fanompoana lehibe kokoa satria hiroso ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka ireo zatovolahy, dia miomana mba ho lasa mpikambana ao amin’ilay fikambanam-behivavy lehibe indrindra eto an-tany, dia ny Fikambanana Ifanampiana, ny zatovovavintsika. Ireo zatovovavy sy zatovolahy tsara tarehy sy matanjaka ary mahatoky ireo dia miaraka miomana mba ho vady, sy ho ray sy reny izay hanorina fianakaviana mendrika ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny asan’ny Raintsika any an-danitra dia ny hanolotra ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay ho an’ireo zanany.6 Ireo zatovovavintsika izay sarobidy dia manana anjara asa manan-danja eo amin’ny fanatanterahana ity asa lehibe ity. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.