2010–2019
Tahaka ny namelan’i Kristy ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa
Aprily 2018


Tahaka ny namelan’i Kristy ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa

Afaka ny hahazo fiadanana lehibe sy fiaraha-miasa amin’ny Mpamonjy isika rehetra rehefa mianatra ny hamela heloka malalaka ireo izay nanao ratsy tamintsika.

“Fa nony maraina koa tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nankany amin’ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny niaraka tamin’ny olona hafa.

“Ary hitany fa indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ny fasana.

“Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’i Jesoa Tompo.

“Ary raha mbola very hevitra tamin’izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra:

“Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?

“Tsy ato Izy, fa efa nitsangana.”1

Rahampitso, Sabatan’ny Paska, dia hotsaroantsika amin’ny fomba miavaka ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”2 Tahaka ny nitsanganany tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty isika amin’ny farany ka hiaina mandrakizay.

Amin’ny alalan’ny fahagagan’ny Sorompanavotana masina nataon’i Jesoa Kristy, isika ihany koa dia afaka mandray ny fanomezam-pahasoavan’ny famelana ny fahotantsika sy ireo fandikan-dalàna nataontsika, raha toa isika ka manaiky ny fahafahana sy ny andraikitra ny mba hibebaka.Ary amin’ny fandraisana ireo ôrdônansy ilaina, sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana, ary ny fankatoavana ireo didy dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana isika.

Anio aho dia te hifantoka amin’ny famelan-keloka izay fanomezana tena manan-danja sy sarobidy atolotra ho antsika avy amin’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, dia i Jesoa Kristy.

Tamin’ny alin’ny volana desambra 1982, i Terry vadiko, sy ny tenako dia notairin’ny antso an-taribia iray avy tany amin’ny toeram-ponenanay ao Pocatello, Idaho. Rehefa namaly ny antso aho dia olona mifokofoko mitomany no hany reko. Nony farany dia tamim-pasahiranana no nilazain’ny anabaviko hoe “maty i Tommy.”

Nisy mpamily fiara mamo iray, izay 20 taona, nandeha tamin’ny hafainganam-pandeha mihoatra ny 135 km isan’ora, tsy nijanona tsotra izao tamin’ny jiro mena tao amin’ny faritra manodidina ny renivotr’i Denver, Colorado. Nandona mafy ny fiara nentin’i Tommy zandriko lahy izy ka nahafaty teo no eo azy sy i Joan vadiny. Nandeha nody hamonjy ny zanaka vavy keliny izy ireo raha avy nanatrika lanona fankalazana Krismasy.

Nisidina nankany Denver avy hatrany izahay mivady ka nandeha tany amin’ny toerana fitehirizam-paty. Tafavory tamin’ny ray aman-dreniko sy ireo mpiray tampo amiko izahay nitoloko tamin’ny nahalasana an’i Tommy sy i Joan malalanay. Noho ny tsy fitandreman’ny olona iray no namoizanay azy ireo. Vaky ny fonay ary nanomboka nitraotra ny tao anatiko ny fahatezerana tamin’ilay zatovolahy nahavanon-doza.

Mpisolovava tao amin’ny sampandraharahan’ny fitsarana an’i Etazonia i Tommy ary teo an-dalam-pahatongavana ho mpisolovava matanjaka amin’ny fiarovana ny tanin’ny Indiana Amerikana sy ireo harena voajanahary ho an’ny taona maro ho avy.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nentina teo anoloan’ny fitsarana ilay lehilahy tompon’andraikitra tamin’ny lozam-piarakodia nahafaty olona. Mbola tao anatin’ny fahoriana sy alahelo ny ray aman-dreniko sy i Katy zokinay vavy raha nanatrika ilay fitsarana. Teo ihany koa ny ray aman-drenin’ilay tovolahy mamo, ary taorian’ny didim-pitsarana dia nipetraka teo amina seza iray izy ireo ka nitomany. Tsy dia lavitra ny nisy azy ireo no nipetrahan’ny ray aman-dreniko sy ny zokivaviko raha niezaka ny hifehy ny fihetseham-pony izy ireo,Afaka kelikely dia nitsangana ny ray aman-dreniko sy ny anabaviko ka nanatona ny ray aman-drenin’ilay mpamily nanome teny fankaherezana sy famelana azy ireo. Nifandray tanana ireo lehilahy ary nifamihin-tanana ireo vehivavy; nisy alahelo lalina sy ranomaso teo amin’ny rehetra ary koa fahafantarana fa nisy fahoriana mafy nianjady tamin’ny roa tonta. I Neny sy i Dada ary i Katy no nanao dingana voalohany tamin’ny hery mangina sy herim-po nananan’izy ireo ka naneho ny tamin’ny fianakavianay izany atao hoe famelan-keloka izany.

Izany famelana tamin’ny fotoana toy ireny izany no nahatonga ny foko ho nihanalefaka ka nanokatra ny lalan’ny fahasitranana. Rehefa nandeha ny fotoana dia nianatra ny fomba hananana fo mahay mamela heloka aho. Tamin’ny alalan’ny fanampian’ilay Mpanjakan’ny Fiadanana irery ihany no nanafaka ilay enta-mavesatra naharary ahy. Tsy hohadinoko na oviana na oviana i Tommy sy i Joan, kanefa ny famelan-keloka dia namela ahy hahatsiaro azy ireo amin-kafaliana tsy manam-petra. Ary fantatro fa mbola ho tafaraka amin’ny maha-fianakaviana anay indray izahay.

Tsy milaza akory aho hoe tokony hanaiky ny tsy fanarahan-dalàna isika. Fantatsika tsara fa ny olona tsirairay dia tompon’andraikitra amin’ny heloka bevava sy ny fanaovan-dratsy amin’ny mpiara-belona ataony. Kanefa mahafantatra ihany koa isika fa amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika dia manaraka ireo fampianaran’i Jesoa Kristy isika. Tokony hamela heloka isika eny na dia toa tsy mendrika ny famelan-keloka avy amintsika aza ny hafa.

Nampianatra ny Mpamonjy hoe:

“Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra:

“Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.”3

Afaka ny hahazo fiadanana lehibe sy fiaraha-miasa amin’ny Mpamonjy isika rehetra rehefa mianatra ny hamela heloka malalaka ireo izay nanao ratsy tamintsika. Tsy azo ihodivirana, ary tsy hay hohadinoana na oviana na oviana ny hitondran’izany fiaraha-miasa izany ny herin’ny Mpamonjy.

Nananatra ny Apôstôly Paoly hoe:

“Koa mitafia famindram-po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny mahaolom-boafidin’ Andriamanitra … ;

“Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo … : tahaka ny namelan’i Kristy ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.”4

Ny Tompo mihitsy no nanambara:

“Koa lazaiko aminareo, fa tokony hifamela ianareo; fa izay tsy mamela ny fahadisoan’ny rahalahiny dia meloka eo anoloan’ny Tompo; fa mitoetra ao aminy ny fahotana lehibe kokoa.

“Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra.”5

Mazava ny fampianaran’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanavotra antsika; tsy maintsy vonona ny hamela ny hafa ny mpanota raha toa ka manantena ny handray famelan-keloka izy.6

Rahalahy sy ranabavy, misy olona ve eo amin’ny fiainantsika izay nandratra antsika? Mampiandrona lolom-po sy hatezerana izay heverintsika ho tena rariny ve isika? Avelantsika hihazona antsika tsy hamela heloka sy hanadino ve ny avonavom-pontsika? Manasa antsika rehetra aho hamela heloka tanteraka dia hamela ny fahasitranana hitranga ao anatintsika. Ary na dia tsy ho tonga androany aza ny famelana dia fantaro fa rehefa maniry izany sy miezaka ny manao izany isika dia ho avy izany, tahaka ny nahatongavan’izany tamiko tamin’ny farany taorian’ny nahafatesan’ny rahalahiko.

Miangavy aho, tsarovy ihany koa fa singa manan-danja amin’ny famelan-keloka ny famelana ny tenantsika.

“Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.”7

Miangavy antsika rehetra aho anio mba hahatsiaro sy hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. Teo amin’ny hazofijaliana tao Golgota, tao anatin’ny fanaintainany, no nilazany ireto teny ireto: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.”8

Amin’ny fananana ny fanahin’ny famelan-keloka sy ny fampiasana izany tahaka ny nataon’ireo ray aman-dreniko sy ny zokiko vavy, isika dia afaka ny hahatanteraka ilay fampanantenan’ny Tompo hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’ izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”9

Mijoro ho vavolombelona aho fa izany fiadanana izany dia ho tonga eo amin’ny fiainantsika raha mihaino ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy manaraka ny ohatra nomeny amin’ny famelana ny heloky ny hafa isika. Rehefa mamela heloka isika dia mampanantena aho fa hankahery antsika ny Mpamonjy ary hikoriana eo amin’ny fiainantsika ny heriny sy ny fifaliany.

Foana ilay fasana. Velona i Kristy. Fantatro izany.Tiako Izy. Feno fankasitrahana aho ny amin’ny fahasoavany, izay hery mampatanjaka ampy hanasitranana ny zava-drehetra. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.