2010–2019
Tafatsangana i Kristy
Aprily 2018


Tafatsangana i Kristy

Alahadin’ny Paska anio. Mijoro ho vavolombelona amim-panajana sy amin’ny fomba manetriketrika aho ny amin’ Ilay Kristy velona, Izy izay “maty, nalevina, sy nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo.”

Ry rahalahy sy anabavy, fony ireo zanakay lahy mbola kely dia nitantaraiko tantara fandrotsirotsiana momba ana alika kely mahafatifaty sy niventesako hira fandrotsirotsiana izy ireo, anisan’izany ilay hoe “Tafatsangana i Kristy, aleloia!”1 Indraindray dia misangisangy aho manova ny tononkira ho hanao hoe: Matoria amin’izay izao ô—haleloia. Mazàna resin-tory vetivety ireo zanakay lahy, na farafaharatsiny fantatr’izy ireo fa raha toa ka heveriko fa matory izy ireo dia hitsahatra ny hihira aho.

Tsy misy teny, na avy amiko izany na avy amin’ny hafa, ahafahako maneho ireo fahatsapana mahery vaika nanenika ahy hatramin’ny nandraisan’ny Filoha Russell M. Nelson ny tanako tamim-pitiavana, niaraka tamin’i Susan malalako teo anilako, ny nanolorany ahy ity antso masina avy amin’ny Tompo ity izay tsy nampoiziko mihitsy ary nampirotsaka ny ranomasoko im-betsaka nandritra ireo andro vitsivitsy lasa izay.

Amin’izao Sabatan’ny Paska izao dia amim-pifaliana no hikaloiko ny “Alelolia.” Ny hiran’ny fitiavana manavotry ny Mpanavotra antsika izay tafatsangana2 dia mankalaza ny firindran’ireo fanekempihavanana (izay mampifandray antsika amin’ Andriamanitra sy antsika samy isika) amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (izay manampy antsika hanaisotra ny lehilahy sy vehivavy araka ny nofo sy hanaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina3).

Ireo fanekempihavanana ataontsika sy ny Sorompanavotana miaraka dia mitondra hery hahafahana mahavita zavatra ary manandratra antsika. Izy ireo miaraka dia manampy antsika ho mahatoky ary hamela. Izy ireo miaraka dia mampalefaka, miaro, manamasina, ary manavotra.

Hoy ny Mpaminany Joseph Smith: “Mety ho fotopampianarana feno fahasahiana ho an’ny sasany ny firesahantsika momba ny—hery izay mirakitra na mamehy etỳ an-tany sy mamatotra any an-danitra. Kanefa nandritra ireo vanim-potoana rehetra teto an-tany, tamin’ny fotoana rehetra nanomezan’ny Tompo ny lehilahy na ny andian-dehilahy ny fotoampitantanan’ny fisoronana tamin’ny alalan’ny fanambarana mivantana, dia nomena mandrakariva io hery io.”4

Toy izany ihany koa ny amin’ny ankehitriny. Ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina, izay tsy misy any an-kafa, dia raisina any amin’ireo trano masin’ny Tompo miisa 159 any amin’ny firenena 43. Ireo fitahiana nampanantenaina dia tonga amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana, fotopampianarana, ary fahefana naverina tamin’ny laoniny, izay maneho ny finoantsika sy ny fankatoavantsika ary ireo fampanantenan’ny Fanahy Masiny ho antsika amin’ny vaninandro iainantsika, ho an’izao fotoana izao sy ny mandrakizay.

Ry rahalahy sy anabavy avy amin’ny firenena, fokom-pirenena, ary samy hafa fiteny rehetra manerana ny Fiangonana eran-tany, misaotra noho ny finoana sy fanantenana ary fihantrana velona anananareo amin’ny dingana rehetra ataonareo. Misaotra anareo noho ny fijoroana ho vavolombelona sy traikefa amin’ny filazantsara tafaverina amin’ny laoniny ananareo izay feno tokoa.

Ry rahalahy sy ranabavy malala, iray isika. Afaka ny “mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan[tsika samy isika]”5 amin’ny zava-drehetra sy amin’ny toerana rehetra isika.6 Tahaka ny nanasan’i Jesoa Kristy Tompo antsika tsirairay avy, na aiza na aiza misy antsika, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy antsika, dia miangavy aho hoe “avia, fa ho hitanareo.”7

Anio aho dia manokana amim-panetrentena ny hery manontolon’ny fanahiko sy ny saina rehetra izay ananako,8 na manao ahoana na manao ahoana izany amin’izao sy amin’ny hoavy, ho an’ny Mpamonjiko, ho an’i Susan malalako sy ny fianakavianay, ho an’ireo Rahalahiko, ary ho anareo tsirairay avy ry rahalahy sy anabavy.

Izay rehetra mendrika sy mandrakizay dia mifototra amin’ny tena fisian’ Andriamanitra ilay Raintsika Mandrakizay ary i Jesoa Kristy Zanany sy ny Sorompanavotany, izay hijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona.9 Alahadin’ny Paska anio. Mijoro ho vavolombelona amim-panajana sy amin’ny fomba manetriketrika aho ny amin’ Ilay Kristy velona—Izy izay “maty, nalevina, sy nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakakatra tany an-danitra.”10 Izy no Alfa sy Omega11, izay niaraka tamintsika hatrany am-boalohany ary mbola hiaraka amintsika hatramin’ny farany.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo mpaminanin’ny andro farany aho, nanomboka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ka hatramin’ny Filoha Russell M. Nelson, izay tohanantsika amim-pifaliana ankehitriny. Araka ny voalazan’ilay hiran’ny Kilonga manao hoe: “Araho ny mpaminany, fantany ny lalana.”12 Mijoro ho vavolombelona aho, araka ny naminaniana ao amin’ny soratra masina, ka anisan’izany ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy fa “ny fanjakan’ny Tompo dia voaorina indray eto an-tany ho fanomanana ny fiavian’ny Mesia fanindroany.”13 Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.