2010–2019
Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.
Aprily 2018


Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena

Aoka isika ho mahatoky amin’ny zavatra efa ninoantsika sy fantatsika.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, tena ankasitrahako tanteraka ny fahafahako miresaka aminareo momba ny sasany amin’ireo fahatsapako.

Taona maro lasa izay izaho sy ny vadiko dia nanatrika ny lanonam-pitokanana ny toerana misy fampirantiana ho an’ny ankizy ao amin’ny tranom-bakoka mikasika ny Tantaran’ny Fiangonana ao Salt Lake City. Tamin’ny faran’ilay lanonana ny Filoha Thomas S. Monson dia nanatona anay, ary raha nandray ny tananay izy dia niteny hoe: “Mahareta, dia handresy ianao,” fampianarana iray lehibe izay ekentsika rehetra, mazava ho azy, ny fahamarinany.

Nanome toky antsika i Jesoa Kristy fa “izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.”1

Ny hoe maharitra dia “miorina mafy amin’ny finiavana tsy ho diso amin’ireo didin’ Andriamanitra na dia eo aza ny fakam-panahy, ny fanoherana ary ny fahoriana.”2

Na dia ireo izay efa nanana traikefa ara-panahy mahery vaika sy efa nanompo tamim-pahatokiana aza indray andro any dia mety hivily lalana na ho lavo ka lasa malaindaina raha tsy maharitra hatramin’ny farany. Enga anie isika hahery hihazona foana ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny andian-teny hoe: “Tsy hitranga amiko izany.”

Raha nampianatra tao Kapernaomy i Jesoa Kristy dia “maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.

“Dia hoy Jesosy tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?”3

Mino aho fa androany i Jesoa Kristy dia manontany antsika rehetra izay efa nanao fanekempihavanana masina taminy manao hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?

Mivakaka aho ny mba hamaliantsika toy ny nataon’i Simona Petera, miaraka amin’ny fahatongavan-tsaina lalina ny amin’izay homen’ny mandrakizay ho antsika, ka hanao hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”4

Aoka isika ho mahatoky amin’ny zavatra efa ninoantsika sy fantatsika. Raha tsy niaina nifanaraka tamin’ny fahalalantsika isika dia andao hiova. Ny mpanota izay mikiry amin’ny fahotany, sy tsy mibebaka, dia mihamilentika hatrany hatrany ao amin’ny fahalotoana, mandra-pitakian’i Satana azy ireo ho azy samirery, izay mety hahavery ny fahafahany mibebaka sy ho voavela heloka ary hahazo ireo fitahiana rehetra amin’ny mandrakizay.

Efa nahare fanamarinan-tena maro avy amin’ireo izay nijanona tsy handray anjara mavitrika intsony ato am-piangonana sy izay tsy nanana fahatakarana momba ny tanjon’ny dia eto an-tany aho. Manainga anareo aho mba hieritreritra ary hiverina, satria mino aho fa tsy misy afaka hamorona fialan-tsiny eo anatrehan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Raha natao batisa isika dia nanao fanekena, tsy tamin’olonolona fotsiny fa tamin’ny Mpamonjy, izay nanekentsika “ny hitondra [eo amintsika] ny anaran’ i Jesoa Kristy, manana ny finiavana hanompo Azy hatramin’ny farany.”5

Ny fanatrehana ny fivoriana fanasan’ny Tompo no iray amin’ireo fomba manan-danja indrindra ahafahantsika mandrefy ny finiavantsika hanompo Azy, sy ny herintsika ara-panahy ary ny fitombon’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo no zavatra manan-danja indrindra ataontsika amin’ny Andro Sabata. Nohazavain’ny Tompo tamin’ireo Apôstôliny io ôrdônansy io talohan’ny nahafatesany. Nataony ihany koa izany tany amin’ny Kaontinanta Amerikana. Miteny amintsika Izy fa raha mandray anjara amin’io ôrdônansy io isika, dia ho fijoroana ho vavolombeona amin’ny Ray izany fa mahatsiaro Azy mandrakariva isika, ary mampanantena antsika Izy fa, raha manao izany isika dia hanana ny Fanahiny miaraka amintsika.6

Ao amin’ny fampianaran’i Almà zanany an’i Siblôna isika dia mahita torohevitra sy fampitandremana feno fahendrena izay manampy antsika hijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavantsika:

“Ezaho izay tsy hanandratanao tena ao amin’ny avonavona; eny, ataovy izay tsy hireharehanao amin’ny fahendrenao na amin’ny herinao fatratra.

Mampiasà fahasahiana fa tsy fianjonanjonana; ary ataovy koa izay hifehezanao ny filanao rehetra mba hahatonga anao ho feno fitiavana; ataovy izay hifadianao ny fidonanaham-poana.”7

Taona maro lasa izay, raha tany am-pialan-tsasatra, dia naniry ny hitaingina lakana kayak voalohany indrindra teo amin’ny fiainako aho. Nanofa lakana kayak iray aho dia nirotsaka an-dranomasina, sady feno hafanam-po be.

Minitra vitsy taty aoriana dia navadiky ny onja ilay lakana. Tao anatin’ny ezaka mafy, sady nitazona ilay fivoy tamin’ny tanana ilany no nitazona ilay lakana tamin’ilay ilany hafa, dia tafapetraka tsara indray aho.

Niezaka namoy ny lakako indray aho, saingy minitra vitsy taorian’izay ihany dia niongana indray ilay lakana. Nikiry niezaka mafy hatrany aho, fa tsy nisy vokany, mandrapitenenan’ny olona iray nahay ny fitaingenana lakana kayak tamiko fa mety misy triatra ny vatan’ilay lakana ka mety feno rano izany, izay nahatonga azy ho tsy marina sy tsy voafehy. Nosintoniko nankeny amin’ny sisiny ilay lakana dia novohako ny vavany, inona tokoa fa rano be no nivoaka avy tao.

Mieritreritra aho fa indraindray isika dia mamakivaky ny fiainana miaraka amin’ny fahotana, tahaka ilay loaka tamin’ilay lakako, izay manembantsembana ny fivoarantsika ara-panahy.

Raha mikiry amin’ny fahotantsika isika, dia hadinontsika ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo, na dia tsy mandroso aza isika noho ny fitotonganana ateraki’reo fahotana ireo amin’ny fiainantsika.

Tahaka ilay triatra tamin’ny lakako dia mila jerena ireo zavatra tsy mety amin’ny fiainantsika. Ny fahotana sasany dia ho mila ezaka bebe kokoa ny fibebahana aminy noho ny sasany.

Tokony hanontany tena isika noho izany hoe: “Aiza ho aiza no misy antsika raha ny toetrantsika manoloana ny Mpamonjy sy ny asany no jerena? Eo amin’ny toeran’i Petera ve isika, raha nandà tsy nahafantatra an’i Jesoa Kristy izy? Sa ve efa nandroso isika ka manana ilay toetra sy finiavana nananany taorian’ilay “iraka lehibe” azony avy amin’ny Mpamonjy?8

Tokony hiezaka hankatò ny didy rehetra isika ary hijery akaiky ireo izay tena sarotra amintsika ny mitandrina azy. Ho eo anilantsika ny Tompo, hanampy antsika amin’ny fotoana ilana fanampiana sy mampalemy Izy, ary raha maneho faniriana marina sy manao zavatra mifanaraka amin’izany isika, “ny zavatra malemy dia hatao[ny] tonga matanjaka.” 9

Hanome antsika ny hery handresena ny fahotana ny fankatovana. Mila mahatakatra ihany koa isika fa ny fitsapana ny finoantsika dia mitaky antsika mba hankatò, matetika izany dia tsy mila ny fahafantarana ny vokany.

Manolotra rakipohy izay hanampy antsika haharitra hatramin’ny farany aho:

  1. Isan’andro dia mivavaka sy mamaky ny soratra masina.

  2. Isan-kerinandro dia mandray ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina.

  3. Mandoa ny fahafolonkarenantsika sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina isam-bolana.

  4. Isaky ny roa taona, isan-taona ho an’ny zatovo, dia manavao ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

  5. Mandritra ny fiainantsika manontolo dia manompo ao amin’ny asan’ny Tompo.

Enga anie ireo fahamarinana lehiben’ny filazantsara hampiorina ny saintsika, ary enga anie isika hihazona ny fiainantsika tsy hisy fahotana izay mety hanembantsembana ny diantsika milamina mamakivaky ny ranomasin’ny fiainana.

Misy vidiny ny fahombiazana ao amin’ny lalan’ny Tompo, ary ny hany lalana hahatratrarana izany dia ny fandoavana izany vidiny izany.

Tena feno fankasitrahana aho fa naharitra hatramin’ny farany ny Mpamonjy antsika, ka nahatanteraka ilay sorompanavotany lehibe.

Nijaly noho ny fahotantsika, ny fanaintainantsika, ny fahakiviantsika, ny alahelontsika, ny rofintsika, ary ny tahotsika Izy, dia izany no ahafantarany ny fomba hanampiana antsika, ny fomba hanomezana aingam-panahy antsika, ny fomba hampiononana antsika, ny fomba hankaherezana antsika, mba hahatonga antsika haharitra ka hahazo ilay satro-boninahitra natokana ho an’ireo izay tsy resy.

Tsy mitovy ny fiainantsika tsirairay. Isika rehetra dia samy mandalo fotoam-pitsapana, fotoam-pifaliana, fotoana hanapahan-kevitra, fotoana handresena sakana, ary fotoana hanararaotana fahafahana.

Na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho toe-piainantsika manokana, dia mijoro ho vavolombelona aho fa tsy mitsaha-miteny ny Raintsika any An-danitra manao hoe: “Tiako ianao. Manohana anao Aho. Miaraka aminao Aho. Aza milavo lefona. Mibebaha ary mahareta eo amin’ilay lalana izay nasehoko anao. Dia manome toky anao aho fa hifankahita indray isika any amin’ny fonenantsika selestialy.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.