2010–2019
Niray saina
Aprily 2018


Niray saina

Mba hahatratrarana ny tanjontsika farany, dia mila ny tsirairay isika, ary tokony ho iray isika.

Iray amin’ireo zavaboary miavaka indrindra eto an-tany ny lolo monarque. Nandritra ny dianay nankany Mexique mba hiara-hankalaza ny Krismasy tamin’ny fianakavian’ny vadiko, dia nitsidika toerana fialofan’ny lolo izahay, izay hipetrahan’ny lolo monarque an-tapitrisany mandritra ny ririnina. Nahavariana ny nahita zavatra tena nanaitra toy izany ary nahavariana anay ny nisaintsaina ny ohatry ny firaisan-kina sy ny fankatoavana ireo lalàna masina izay asehon’ireo zava-boaharin’ Andriamanitra.1

Sary
Lolo monarque
Sary
Andiana lolo

Mpitety tany tena mahay ny lolo monarque. Mampiasa ny toerana misy ny masoandro izy ireo mba hahitana ny lalana tokony halehany. Isaky ny lohataona dia manao dia an’arivony kilaometatra avy any Mexique mankany Kanadà izy ireo, ary isaky ny fararano dia miverina ao amin’io alan-kazo kesika sarobidy ao Mexique io izy ireo.2 Manao izany isan-taona amin’ny alalan’ny kopak’elatra kely isak’izay mandeha izy ireo. Mandritra ny dian’izy ireo, dia mitangorona mifanetinety eny amin’ny hazo izy ireo amin’ny alina mba hiarovany tena amin’ny hatsiaka sy ny mpihaza azy.3

Sary
Kaleidôskôpin’andian-dolo
Sary
Kaleidôskôpin’andian-dolo iray hafa

Antsoina hoe kaleidôskôpy ny andian-dolo iray.4 Tena kanto ery izany sary izany e! Miavaka sy hafa ny lolo tsirairay ao amin’ny kaleidôskôpy iray, kanefa ireo zavaboary izay toa malemy ireo dia namboarin’ny Mpahary be fitiavana iray mba hanana fahafahana ny ho velon’aina, hanao dia lavitra, hitombo, ary hanome aina rehefa mitety tsirairay ireo voninkazo, manaparitaka vovom-bony. Ary na dia samy hafa aza ny lolo tsirairay, dia miara-miasa izy ireo mba hahatonga izao tontolo izao ho lasa toerana kanto sy mamokatra kokoa.

Tahaka ireo lolo monarque, isika dia eo am-panaovana dia miverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra izay hiarahantsika indray amin’ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra.5 Tahaka ireo lolo, isika dia nomena toetra araka an’ Andriamanitra izay mamela antsika hitety ny fiainana, mba “[h]ahatratra ny tanjona nahariana [antsika].”6 Tahaka azy ireo, raha mampifamihina ny fontsika isika,7 dia hiaro antsika “toy ny reniakoho manangona ny zanany eo ambany elany”8 ny Tompo ary hampiditra antsika ao anatin’ny kaleidôskôpy tsara tarehy iray.

Ry zazavavy sy zazalahy, ry zatovovavy sy zatovolahy, ry rahavavy sy ranadahy, miara-manao izany dia izany isika. Mba hahatratrarana ny tanjontsika farany, dia mila ny tsirairay isika, ary tokony ho iray isika. Nandidy antsika ny Tompo hoe: “Aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy.”9

I Jesoa Kristy no ohatra tsara indrindra amin’ny firaisan-kina amin’ny Rainy. Iray tanjona, iray ao anatin’ny fitiavana, ary iray amin’ny asa Izy ireo, ka ny “sitrapon’ny Zanaka dia efa voatelina ao amin’ny sitrapon’ny Ray.”10

Ahoana no hahafahantsika manaraka ny ohatra tonga lafatry ny Tompo amin’ny firaisan-kina amin’ny Rainy ka hiray hina kokoa amin’ Izy ireo sy eo amintsika samy isika?

Misy lamina iray azo hakana hevitra ao amin’ny Asan’ny Apôstôly 1:14. Mivaky toy izao izany hoe: “[Ireo lehilahy ireo dia] niray saina naharitra nivavaka mbamin’ny vehivavy.”11

Heveriko fa manan-danja ny hoe mipoitra im-betsaka ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ilay andian-teny hoe “niray saina”, ary ao no ahitantsika mikasika ny zavatra nataon’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy avy hatrany taorian’ny niakarany tany an-danitra amin’ny maha-olona efa nitsangana tamin’ny maty Azy, sy ireo fitahiana voarain’izy ireo noho ny ezaka nataony. Zava-dehibe ihany koa ny ahitantsika ohatra mitovy amin’izany teo anivon’ireo mahatoky tao amin’ny kaontinanta Amerikana tamin’ny fotoana nitsidihan’ny Tompo sy nanompoany azy ireo. Ny hoe “niray saina” dia midika hoe nifanara-tsaina, niray hina, ary niaraka tsy nisaratsaraka.

Ny sasany amin’ireo zavatra nataon’ireo Olomasina mahatoky tamim-piraisan-kina tany amin’ireo toerana roa ireo dia izao: nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy ireo, nandalina ny tenin’ Andriamanitra, ary nifanompo tamim-pitiavana.12

Niray tanjona, niray tao amin’ny fifankatiavana, ary niray tamin’ny asa ireo mpanara-dia ny Tompo. Fantany hoe iza izy ireo, fantany izay tokony nataony, ary nataony noho ny fitiavany an’ Andriamanitra sy ny fifankatiavan’izy ireo izany. Tao anatin’ny kaleidôskôpy tena kanto nandroso tao anatin’ny firaisan-tsaina izy ireo.

Ny sasany tamin’ireo fitahiana noraisin’izy ireo dia ireto avy: heniky ny Fanahy Masina izy ireo, nisy fahagagana nitranga teo anivony, nitatra ny Fiangonana, tsy nisy fifandirana teo anivon’ny vahoaka, ary nitahy azy ireo tamin’ny zavatra rehetra ny Tompo.13

Afaka milaza isika fa noho ny fahafantarany mivantana ny Tompo no nahatonga azy ireo hiray hina fatratra toy izany. Akaiky Azy hatrany izy ireo, ary vavolombelon’ny iraka masina nampanaovina Azy, sy ireo fahagagana notanterahany, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty izy ireo. Nahita sy nitsapa ireo holatra teo amin’ny tanany sy ny tongony izy ireo. Fantatr’izy ireo marina fa Izy no ilay Mesia nampanantenaina, ilay Mpanavotra izao tontolo izao. Fantatr’izy ireo fa “Izy no loharanon’ny fanasitranana, ny fiadanana ary ny fivoarana mandrakizay rehetra.”14

Na dia mbola tsy nahita ny Mpamonjintsika tamin’ny masontsika aza isika dia afaka mahafantatra isika fa velona Izy. Rehefa manakaiky Azy isika, rehefa mikatsaka ny hahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina momba ny asa nanirahana Azy isika, dia hahazo fahatakarana tsara kokoa ny amin’ny tanjontsika. Hitoetra ao am-pontsika ny fitiavan’ Andriamanitra.15 Hanana fahavononana ny ho iray ao amin’ny kaleidôskôpin’ny fianakaviantsika sy ny paroasintsika ary ny fiarahamonina misy antsika isika. Ary hifanompo “ao anatin’ny fomba vaovao kokoa sy tsaratsara kokoa” 16 isika.

Mitranga ny fahagagana rehefa miara-miasa eo ambany fitarihan’ny Fanahy ny zanak’ Andriamanitra mba hanampy ny hafa izay mila fanampiana.

Sary
Arabe dibo-drano ahitana mpamonjy voina

Marobe ireo tantara rentsika mikasika ny fitiava-namana izay miseho eo anivon’ny olona rehefa misy loza mamely. Ohatra, rehefa niharan’ny tondra-drano mahery vaika ny tanànan’i Houston tamin’ny taon-dasa, dia nanadino ny filàny manokana ny olona ka nandeha namonjy ny hafa. Nandefa antso avo hangatahana fanampiana avy amin’ny fiaraha-monina ny filohan’ny kôlejin’ny loholona iray, ary nisy andian-tsambokely miisa 77 voavory haingana mba ho ampiasaina. Nitety ireo toerana manodidina izay tra-boina ireo mpamonjy voina ary nitatitra fianakaviana iray manontolo maromaro tany amin’ny iray amin’ireo trano fivoriantsika, ary tao izy ireo no nahazo toerana nialofana sy fanampiana tena nilaina. Niara-niasa tamin’ny fananana tanjona iray ireo mpikambana sy tsy mpikambana.

Sary
Misiônera mampianatra teny Espaniôla

Tany Santiago, Chili, dia nanana faniriana hanampy mpifindra monina avy tany Haiti tao amin’ny fiaraha-monina nisy azy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana iray. Rehefa niara-nikaondoha tamin’ireo mpitarika azy tao amin’ny fisoronana izy, dia nahita hevitra izy sy ireo mpitarika hafa ny hanokatra kilasy fianarana teny Espaniôla ho an’ireo mpifindra monina ireo, mba hanampiana azy ireo hahazo aina bebe kokoa ao amin’ny fiaraha-monina vaovao izay hiainany. Isaky ny sabotsy maraina, dia nianara nivory tamin’ireo mpianany izay liana be tokoa ireo misiônera. Ny fahatsapana firaisan-kina tao amin’izany trano izany dia ohatra manentana fanahy nasehon’ny olona avy amin’ny foto-piaviana samihafa izay nanompo tamin’ny firaisan-tsaina.

Sary
Mpirotsaka an-tsitrapo ao Mexique

Tao Mexique dia nisy mpikambana an-jatony nanao dia tao anatin’ny ora maro mba hanampiana ireo izay tsy maty fo aman’aina noho ny horohoron-tany mahery vaika anankiroa. Tonga niaraka tamin’ny fitaovana sy ny milina ary ny fitiavana ny namany izy ireo. Rehefa nivondrona tao amin’ny iray amin’ireo trano fivoriantsika ireo mpirotsaka an-tsitrapo mba hiandry ireo toromarika, dia latsa-dranomaso ny ben’ny tanàna tao amin’ny tanànan’i Ixhuatán rehefa nahita ny fanehoana tamin’ny fomba lehibe toy izany “ny fitiavana madion’i Kristy.”17

Amin’izao fotoana izao ny Tompo dia manome antsika ny fahafahana hiara-hanao filankevitra isam-bolana ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana ao amintsika, mba hahafahantsika ho lasa mpandray anjara mavitrika kokoa ao amin’ny kaleidôskôpin’ny paroasy sy ny sampana misy antsika, izay toerana tsapantsika fa efa mahazatra antsika sy ilàna antsika rehetra.

Samy hafa ny tsirairay amin’ny lalana alehantsika, kanefa hifanotronantsika ny fandehanana amin’izy ireny. Ny lalantsika dia tsy mahakasika ny zavatra nataontsika na ny toerana efa nalehantsika. Izany dia mahakasika ny toerana izay halehantsika sy izay hahatongavantsika, izay ataontsika amim-piraisan-kina. Rehefa miara-manao filankevitra miaraka amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika, dia afaka mahita hoe aiza ho aiza no misy antsika ary tokony ho aiza ho aiza isika izao. Ny Fanahy Masina dia manome antsika fomba fijery izay tsy haintsika jerena amin’ny masontsika voajanahary, satria “miparitaka eo anivontsika ny fanambarana,”18 ary rehefa atambatsika izany fanambarana izany, dia afaka mahatakatra bebe kokoa isika.

Rehefa miasa amim-piraisan-kina isika, dia tokony ho ny fitadiavana sy ny fanaovana ny sitrapon’ny Tompo no tanjontsika, ny zavatra mandrisika antsika dia tokony ho ny fitiavana tsapantsika ho an’ Andriamanitra sy ny namantsika;19 ary ny faniriantsika lehibe indrindra dia tokony ho ny “miasa amin’ny zotom-po tokoa,”20 mba hahafahantsika manomana ny lalana ho an’ny fiverenan’ny Mpamonjintsika amim-boninahitra. Ny hany fomba ahafahantsika manantanteraka izany dia “amin’ny firaisan-tsaina.”

Tahaka ireo lolo monarque, andeha isika hiara-hanohy ny lalantsika miaraka amin’ny tanjona, isika tsirairay avy miaraka amin’ny toetrantsika manokana sy ny anjara biriky entintsika manokana, hiasa mba hahatonga ity tontolo ity ho tsara tarehy sy mamokatra kokoa, dingana kely iray isak’izay mandeha ary mifanaraka amin’ny didin’ Andriamanitra.

Nampanantena antsika i Jesoa Kristy Tompontsika fa rehefa miara-mivory amin’ny anarany isika dia eo afovoantsika Izy.21 Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy ary nitsangana tamin’ny maty Izy indray marainan’ny lohataona izay kanto tokoa tahaka ny androany. Izy no Manjakatokana amin’ny manjakatokana rehetra, “ny Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.”22

Enga anie isika mba ho iray ao amin’ny Ray sy ao amin’ny Zanany Lahitokana, rehefa tarihin’ny Fanahy Masina isika, izany no vavaka ataoko amim-panetrentena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.