2010–2019
Miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany
Aprily 2018


Miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany

Ny fananana mpaminany dia mariky ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany. Izy ireo dia mampahafantatra ireo fampanantenana sy ny toetoetra marin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.

Ry rahalahy sy anabavy malala, na aiza na aiza mety misy anareo, dia te haneho ny fisaorako lalina sy amin-kitsim-po ny fanohanana nataonareo omaly aho. Na dia mahatsiaro ny tenako ho tsy mahay miteny sy tsy mahay mandaha-teny tahaka an’i Mosesy aza aho dia izao tenin’ny Tompo taminy izao no ampaherezako ny tenako:

“Iza moa no nanao ny vavan’ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? Tsy Izaho Jehovah?

“Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao” (Eksodosy 4:11–12; jereo koa ny andininy 10).

Mahazo fampaherezana amin’ny alalan’ny fitiavan’ilay vady malalako sy ny fanohanany koa aho. Ohatra teo amin’ny hatsaran-toetra sy ny fitiavana ary ny fanolorantena tanteraka amin’ny Tompo sy amiko ary amin’ny fianakaviako izy. Tiako amin’ny foko rehetra izy ary feno fankasitrahana aho noho ny fitarihana tsara entiny eo aminay.

Ry rahalahy sy anabavy, te hijoro ho vavolombelona aminareo aho fa mpaminanin’ Andriamanitra eto an-tany ny Filoha Russell M. Nelson. Tsy mbola nahita velively olona tsara fanahy sy be fitiavana kokoa noho izy aho. Na dia nahatsapa ho tsy ampy fahaizana aza aho teo anatrehan’ity antso masina ity, dia nahatonga ahy hahatsapa ho fenon’ny fitiavan’ny Mpamonjy ny teniny sy ny fijeriny feno hatsaram-panahy teny amin’ny masony, rehefa nanolotra ahy ity andraikitra ity izy. Misaotra ry Filoha Nelson! Manohana anao aho ary tiako ianao.

Moa ve tsy fitahiana ny fananana mpaminany sy mpahita ary mpanambara eto an-tany amin’izao andro iainantsika izao, izay mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo ary hanaraka izany? Mampahery ny mahafantatra fa tsy irery isika eto amin’izao tontolo izao na dia eo aza ireo olana atrehantsika eo amin’ny fiainana. Ny fananana mpaminany dia mariky ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany. Mampahafantatra ireo fampanantenana sy ny toetoetra marin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy amin’ny olon’izy ireo. Fantatro izany tamin’ny alalan’ireo zavatra niainako manokana.

Valo ambin’ny folo taona lasa izay dia nandray antso an-tariby avy tamin’ny Filoha James E. Faust, izay Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, izahay mivady. Niantso anay mba ho filohan’ny misiôna sy ho mpiara-miasa tany Portugal izy. Nilaza taminay izy fa tsy manana afa-tsy enina herinandro izahay mialoha ny hanombohan’ny misiôna. Na dia nahatsapa ho tsy ampy fiomanana sy tsy ampy fahaizana aza izahay dia nanaiky ilay antso. Ny ahiahinay lehibe indrindra tamin’izany fotoana izany dia ny fahazoana ny visa izay takina mba hanompoana any amin’izany firenena izany, satria raha araka ny zavatra niseho taloha dia fantatray fa maharitra enim-bolana ny fikarakarana ny fahazoana izany.

Dia nanontany anay ny Filoha Faust raha toa ka manana finoana izahay fa hanatanteraka fahagagana ny Tompo ary ho afaka ny hamaha haingana kokoa ilay olana mikasika ny visa izahay. Eny mahery vaika ny valinteninay, ary tonga izahay dia nanomboka nanao ny fikarakarana. Nomaninay ireo taratasy takina hahazoana visa, dia nentinay ny zanakay telo izay mbola kely, ary nandeha faran’izay haingana vitanay tany amin’ny consulat izahay. Vehivavy tsara fanahy iray no nandray anay tany. Raha teo am-pijerena ireo taratasy sy teo am-pamantarana ireo zavatra hataonay any Portugal izy, dia nitodika taminay ary nanontany hoe: “Tena handeha hanampy ny olona any amin’ny fireneko tokoa ve ianareo?” Namaly tsara izahay hoe eny ary nanazava fa hisolo tena an’i Jesoa Kristy sy hijoro ho vavolombelona momba Azy sy ny asa masina nanirahana Azy teto ambonin’ny tany izahay. Niverina tany izahay efatra herinandro taty aoriana, ka nahazo ireo visa ary tonga tany amin’ny sahan’ny misiôna tao anatin’ny enina herinandro araka ny nangatahan’ny mpaminanin’ny Tompo taminay.

Ry rahalahy sy anabavy, amin’ny foko manontolo no ijoroako ho vavolombelona fa miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany. Mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy sy ny asa masina nanirahana Azy teto an-tany izy ireo. Izy ireo dia sain’ny Tompo sy fon’ny Tompo ary nantsoina mba hisolo tena Azy sy hampianatra antsika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hiainana indray eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy. Voatahy isika rehefa mampihatra ny finoantsika sy manaraka ireo fampianaran’izy ireo. Rehefa manaraka izany isika dia hisy fifaliana kokoa sy tsy dia ho sarotra ny fiainantsika, mora kokoa ny mizaka ireo olantsika, ary manorina fitaovam-piarovana ara-panahy manodidina antsika izay hiaro antsika amin’ireo fanafihan’ny fahavalo amin’izao androntsika izao isika.

Amin’ity andron’ny Paska ity dia mijoro ho vavolombelona amim-pahamatorana lehibe aho fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, velona Izy ary mitarika ny Fiangonany eto an-tany amin’ny alalan’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa izy no Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao ary amin’ny alalany no ahafahantsika ho voavonjy sy hasandratra eo anatrehan’ Andriamanitra malalantsika. Tiako sy mamiko Izy. Te hanaraka Azy aho sy hanao ny sitrapony ary hitovy bebe kokoa Aminy.Ireo zavatra ireo dia lazaiko amim-panentrentena amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.