2010–2019
Endrey! Ny tafiky ny mpanjaka
Aprily 2018


Endrey! Ny tafiky ny mpanjaka

Tena fifaliana ho an’ny mpihazona ny fisoronana Melkizedeka rehetra ny hanana ny fitahiana avy amin’ny fampianarana sy fianarana ary fanompoana ifampiantsorohana.

Ry rahalahiko malala ao amin’ny fisoronana, amin’ny fanetrentena lehibe no ijoroako eto anoloanareo amin’ity fotoana manan-tantara ity, rehefa nomen’ny mpaminany sy Filoha malalantsika, Russell M. Nelson izany andraikitra izany. Tena tiako sy tohanako ity lehilahin’ Andriamanitra mahafinaritra ity sy ny Fiadidiana Voalohany vaovaontsika. Ampiako ny fijoroako ho vavolombelona ny an’ny Loholona D. Todd Christofferson sy ireo Rahalahiko hafa ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ireo fiovana nolazaina tamin’ity hariva ity dia sitrapon’ny Tompo.

Araka ny nolazain’ny Filoha Nelson, ity dia zavatra nifampiresahana sy nosaintsainin’ireo Rahalahy zokiolona ato amin’ny Fiangonana, narahim-bavaka, nandritra ny fotoana ela dia ela.Ny faniriana dia ny nikatsaka ny sitrapon’ny Tompo sy hampatanjaka ireo kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka. Voaray ny fanentanam-panahy, ary nampahalalan’ny mpaminanintsika anio hariva ny sitrapon’ny Tompo. “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony”!1 Voatahy tokoa isika manana mpaminany velona ankehitriny!

Nandritra ny fiainanay, izaho sy ny Rahavavy Rasband dia nandeha erak’izao tontolo izao nanao iraka ho an’ny Fiangonana sy arak’asa samihafa. Saika hitako avokoa ny karazana vondrona mpivavaka ato amin’ny Fiangonana: ny sampana kely tao Rosia izay azo nisaina tamin’ny tanana iray ny isan’ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka; ny paroasy vaovao sy mitombo faingana tao Afrika izay niara-nivory ho vondrona iray ny mpisorona avo sy ny loholona satria tena vitsy tokoa ny isan’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka rehetra; ary ireo paroasy tena mijoro tsara ka mitaky ny fizarana ny kôlejin’izy ireo ho kôlejy roa ny isan’ny loholona!

Na taiza na taiza no nalehanay dia hitanay teo anoloan’ny mpanompony ny tanan’ny Tompo, izay nanomana mialoha ny olona sy ny fomba hitahiana ny zanany rehetra araka izay ilain’izy ireo. Tsy efa nampanantena va Izy fa Izy “dia ho eo anoloa[ntsika]” sy “eo ankavana[ntsika] sy eo ankavia[ntsika]” ary “ho ao am-pon[tsika] ny Fanahiny, ary hanodidina [antsika] ny anjeliny mba hanohana [antsika]”?2

Raha mieritreritra anareo rehetra aho dia mahatsiaro ny hira iray hoe “Endrey! Ny Tafiky ny Mpanjaka.”

Endrey! Ny tafiky ny mpanjaka,

Miaraka amin’ny saina, sabatra, ary aron-tratra,

Mandeha mba handresy

Eo amin’ny sahan’ady lehiben’ny fiainana.

Ireo laharana ao aminy dia feno miaramila,

Miray hina, hentitra, sy matanjaka,

Izay manaraka ny Mpibaiko azy ireo

Sy mihira ny hiram-pifalian’izy ireo.3

Ny Loholona Christofferson dia namaly fanontaniana maro izay azo antoka fa hipoitra avy amin’ilay fanambarana fa ny vondron’ny mpisorona avo sy ireo kôlejin’ny loholona, any anivon’ny paroasy, dia atambatra ho tafiky ny rahalahy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka miray hina sy mahery.

Ireo fanovana ireo dia hanampy ireo kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana hampifandrindra ny asan’izy ireo. Hanatsotra ny fiaraha-miasan’ny kôlejy amin’ny episkôpà sy ny filankevitry ny paroasy ihany koa izy ireny. Ary hamela ny eveka hizara andraikitra bebe kokoa amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana izy ireny mba hahafahan’ny eveka sy ireo mpanolotsaina azy mifantoka amin’ireo adidin’izy ireo voalohany, indrindra ny fiahiana ny zatovovavy, sy ny zatovolahy izay mihazona ny Fisoronana Aharôna.

Tsy zavatra tsy mahazatra ny fiovana eo amin’ny fikambanana sy fiasan’ny Fiangonana. Tamin’ny 1883, ny Tompo dia nilaza tamin’ny Filoha John Taylor hoe: “[Mahakasika] ny fitantanana sy fandaminana ny Fiangonana sy ny Fisoronana … dia hambarako aminareo, isaky ny fotoany, amin’ny alalan’ireo fantsona notendreko, ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fampandrosoana sy fanatanterahana ny Fiangonana amin’ny hoavy, ho fanatsarana sy fampandrosoana ny fanjakako.”4

Ankehitriny, teny kely ho anareo rahalahy mpisorona avo: fantaro fa tianay ianareo! Tia anareo ny Raintsika any An-danitra! Ampahany lehibe amin’ny tafiky ny mpanjaka ao amin’ny fisoronana ianareo, ary tsy afaka mampandroso ity asa ity isika raha tsy eo ny hatsaram-panahinareo, ny fanompoanareo, ny traikefanareo, ary ny fahamarinanareo. Nampianatra i Almà fa ny lehilahy dia antsoina hoe mpisorona avo noho ny finoana lehibe ananan’izy ireo sy ny asa tsara ataon’izy ireo mba hampianatra sy hanompo ny hafa.5 Angamba izao no ilàna izany traikefa izany mihoatra noho ny amin’ny fotoana hafa rehetra.5

Any amin’ny paroasy maro dia mety hisy mpisorona avo izay hanana fahafahana ankehitriny ny ho eo ambany fiahian’ny loholona iray izay ho filohan’ny kôlejin’izy ireo. Efa nisy loholona niahy mpisorona avo teo aloha: ireo loholona izay filohan’ny sampana any amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao ka misy mpisorona avo mipetraka ao amin’ilay sampana, ary misy ireo sampana izay tsy misy afa-tsy ny kôlejin’ny loholona ao aminy kanefa misy mpisorona avo manatrika ao.

Tena fifaliana ho an’ny mpihazona ny fisoronana Melkizedeka rehetra ny hanana ny fitahiana avy amin’ny fampianarana sy fianarana ary fanompoana ifampiantsorohana miaraka amin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny paroasy misy azy ireo. Na aiza na aiza no misy anareo ary na inona na inona toe-javatra iainanareo, dia manasa anareo izahay mba hanaiky ombam-bavaka, sy amim-pahatokiana, ary amim-pifaliana ireo fahafahana vaovao mba hitarika na hotarihina ary mba hanompo amim-piraisankina amin’ny maha-vatabe iray ireo rahalahy ao amin’ny fisoronana.

Izao aho dia hiresaka momba ny zavatra hafa fanampiny, izay mety ilaina fanazavana, rehefa mandroso amin’ny fampiharana ny sitrapon’ny Tompo mahakasika ny fandaminana ireo kôlejiny ao amin’ny fisoronana masina isika.

Inona avy ireo fanovana ho an’ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka? Hanohy hiasa ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka. Ny fiadidian’ny tsatòka dia hitohy ho fiadidian’ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka. Saingy, araka ny nolazain’ny Loholona Christofferson, ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka manomboka izao dia ahitana mpisorona avo manompo amin’izao fotoana izao ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpikambana ao amin’ny episkôpà, mpikambana ao amin’ny filankevitra avon’ny tsatòka, ary ny patriarika am-perinasa. Tsy mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka ireo mpitam-boky sy mpitantsoratra mpanatanteraky ny paroasy sy ny tsatòka. Rehefa mitsidika ny paroasy iray ny olona iray izay mpisorona avo, patriarka, Fitopololahy, na Apôstôly am-perinasa ka maniry ny hanatrika ny fivorian’ny fisoronana, dia hivory hiaraka amin’ny kôlejin’ny loholona izy.

Rehefa isaorana amin’ireo antso ireo amin’ny fotoany ireo rahalahy, dia hiverina any amin’ny rantsana misy azy izy amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny kôlejin’ny loholona.

Inona no anjara asan’ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka? Ny fiadidian’ny tsatòka dia mivory miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo mba hikaondoha, hijoro ho vavolombelona, ary hanolotra fampiofanana. Hitohy ireo fivorian’ny tsatòka araka ny voalaza ao amin’ny boky torolalantsika miaraka amin’ny fanatsarana roa:

Voalohany, ny paroasy sy ny tsatòka dia tsy hanao ireo fivorian’ny kômity mpanatanteraky ny fisoronana intsony. Raha toa ka misy olana manokana mipoitra ao amin’ny paroasy, toy ny olana ara-pianakaviana manahirana na olana tsy mahazatra eo amin’ny lafiny fifanampiana, dia azo resahana ao anatin’ny fivorian’ny episkôpà somary hitarina izany. Ny raharaha tsy dia manahirana hafa dia azo resahina ao anatin’ny filankevitry ny paroasy. Ilay nantsoina hoe fivorian’ny kômity mpanatanteraky ny fisoronana eo anivon’ny tsatòka dia ho antsoina hoe “fivorian’ny filankevitra avo” ankehitriny.

Faharoa, tsy hatao intsony ilay fivoriana isan-taona ho an’ireo voatokana ho mpisorona avo ao amin’nytsatòka. Ny fiadidian’ny tsatòka anefa dia hanohy hanao fivoriana isan-taona ho an’ny kôlejin’ny mpisorona avo ao amin’ny tsatòka araka izay natao filazana anio.

Afaka manana kôlejy mihoatra noho ny iray ve ny paroasy iray? Ny valiny dia eny. Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 107, andininy 89, rehefa misy mpihazona ny fisoronana Melkizedeka betsaka noho ny mahazatra ao amin’ny paroasy iray dia afaka manangana kôlejin’ny loholona mihoatra noho ny iray ireo mpitarika. Rehefa izany no mitranga dia tokony hisy fifandanjana eo amin’ny salan-taona sy traikefa ary anjara fanompoan’ny fisoronana sy ny tanjaka.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mandroso miaraka amin’ity fanavaozana ny kôlejy ao amin’ny paroasintsika sy tsatòkantsika ity isika dia hahita fitahiana marobe. Mamelà ahy hizara ohatra vitsivitsy.

Eo ambany fitarihan’ny eveka, betsaka kokoa ireo loharano avy amin’ny fisoronana afaka manampy amin’ny asa famonjena. Izany dia hahitana ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny asan’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana, fanaovana asa araka ireo zavatra ilain’ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona, ary fanampiana ireo misiônera mba hitondra fanahy ho any amin’i Jesoa Kristy.

Rehefa miverina mba hizara ny traikefan’izy ireo amin’ny kôlejin’ny loholona ireo mpitarika niahy teo aloha dia hisy fikambanana kôlejy matanjaka kokoa.

Hisy karazana fanomezam-pahasoavana sy fahafaha-manao zavatra bebe kokoa ao anatin’ny kôlejy.

Hisy fahaizana mandamim-potoana sy fahafahana bebe kokoa mba hanampiana amin’ireo zava-misy ilaina maika ao anatin’ny paroasy sy ny kôlejy ary amin’ny fanatontosana ireo asa fanompoana isan-karazany ataontsika.

Hisy fitomboan’ny fanofanana sy firaisan-kina rehefa mizara traikefa ny loholona vaovao sy ny mpisorona avo manan-traikefa, miara-mipetraka, ao amin’ny fivorian’ny kôlejy sy amin’ireo asa ampiandraiketina.

Antenaina fa hanana fotoana malalaka hanatontosany ny antsony mba hiandry ny ondriny sy hanompo ireo sahirana ireo eveka sy filohan’ny sampana.

Takatray fa samy hafa ny paroasy sy tsatòka tsirairay. Na eo aza ireo fahasamihafana ireo dia manantena izahay fa hanatanteraka ireo fanovana ireo haingana ianareo aorian’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity. Nahazo fitarihana avy tamin’ny mpaminanin’ Andriamanitra isika! Fitahiana sy andraikitra goavana izany. Aoka isika hanatontosa izany amin’ny fahamarinana sy fahazotoana rehetra!

Mampahatsiahy anareo aho fa ny fahefan’ny fisoronana dia tonga amin’ny alalan’ny fanokanana sy fanendrena, saingy ny tena herin’ny fisoronana, ilay hery mba hanao asa amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa Kristy, dia tsy afaka ny ho tonga raha tsy amin’ny alalan’ny fananana fiainana marina irery ihany.

Nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith, ilay mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Tompo nanao hoe:

“Indro ka jereo, hiahy ny ondrinareo Aho ka hanangana loholona ary haniraka azy ireo ho any aminy.

“Indro, hohafainganiko amin’ ny fotoany ny asako.”6

Izao tokoa ny fotoana iray izay hanafainganan’ny Tompo ny asany.

Aoka isika hampiasa ity fahafahana ity mba hisaintsainana sy hanatsarana ny fiainantsika mba hifanitsy tsara kokoa amin’ny sitrapony, mba ho mendrika ireo fitahiana maro nampanantenainy ho an’ireo marina sy mahatoky isika.

Ry rahalahy, misaotra anareo amin’ny zavatra rehetra ataonareo mba handraisana anjara amin’ity asa goavana ity. Enga anie isika handroso ato amin’ity tanjona lehibe sy be voninahitra ity.

O, rehefa tapitra ny ady,

Rehefa mitsahatra ny fifanjihirana sy disadisa,

Ka ho voaro miaraka ny rehetra

Ao anatin’ny lohasahan’ny fiadanana,

Eo anoloan’ilay Mpanjaka mandrakizay,

Hidera ny anarany mandrakizay

Ny olona marobe sy matanjaka,

Ary izao no ho hiran’izy ireo:

Fandresena, fandresena

ho an’ilay nanavotra antsika!

Fandresena, fandresena

ho an’i Jesoa Kristy, Tompontsika!

Fandresena, fandresena, fandresena

ho an’i Jesoa Kristy, Tompontsika!7

Androany isika rehetra dia mijoro ho vavolombelon’ny Tompo izay manambara ny sitrapony amin’ny alalan’ny mpaminaniny, ny Filoha Russell M. Nelson. Mijoro ho vavolombelona aho fa izy no mpaminanin’ny Tompo eto an-tany. Mijoro ho vavolombelona aho momba ny Tompo Jesoa Kristy, izay Mpanavotra sy Mpamonjy lehibentsika. Asany ity, ary sitrapony ity, izay ijoroako ho vavolombelona matanjaka amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.