2010–2019
Fivoriana masina
Aprily 2018


Fivoriana masina

Ry rahalahy sy ranabavy, nangataka ahy ny Filoha Nelson mba hisahana ny raharahan’ny fivoriana masina izay hiangonantsika androany.

Izao dia fotoana tena manan-danja ho an’ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao.

Nanomboka tamin’ny 10 ôktôbra 1880 izany, raha notohanana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany handimby an’i Brigham Young i John Taylor, ireo fotoana tsirairay avy ireo dia natokana mba ho fivoriana masin’ny Fiangonana manontolo hanehoana ny feon’ny Fiangonana.

Hanatanteraka ny fanohanana araka ireo kôlejy sy vondrona tsirairay isika. Na aiza na aiza misy anao dia asaina ianao hitsangana, nefa tsy hanao izany raha tsy efa nolazaina, ary haneho amin’ny fananganana tanana fa manohana ireo anarana izay atolotra eto. Tsy tokony haneho fanohanana ianao raha tsy efa nangatahana hitsangana.

Ireo Manampahefana Ambony voatendry ho ao amin’ny Tabernakely sy ao amin’ny efitrano ho an’ny daholobe ao amin’ny Temple Square no hanara-maso ny fanohanana ao amin’ireo toerana ireo. Any amin’ireo ivon-toeran’ny tsatòka dia ny fiadidian’ny tsatòka no hanara-maso ny fanohanana. Raha toa misy manohitra ny olona atolotra dia asaina izy ireo hihaona amin’ny filohan’ny tsatòkany.

Hanomboka isika izao. Averiko indray, aza mitsangana sy maneho fanohanana raha tsy efa nasaina hanao izany.

Angatahina ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany mba hitsangana.

Aroso amintsika ny hanohanan’ny Fiadidiana Voalohany ny Filoha Russell Marion Nelson ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ireo ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izay manohana dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanan’ny Fiadidiana Voalohany an’i Dallin Harris Oaks ho Mpanolotsaina Voalohany ary i Henry Bennion Eyring ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana.

Ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izay manohana dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanan’ny Fiadidiana Voalohany an’i Dallin Harris Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary i Melvin Russell Ballard ho filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izay manohana dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanan’ny Fiadidiana Voalohany ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo an’i: M. Russell Ballard, i Jeffrey R. Holland, i Dieter F. Uchtdorf, i David A. Bednar, i Quentin L. Cook, i D. Todd Christofferson, i Neil L. Andersen, i Ronald A. Rasband, i Gary E. Stevenson, i Dale G. Renlund, i Gerrit Walter Gong, ary i Ulisses Soares.

Ry mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, aoka isika haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanan’ny Fiadidiana Voalohany an’ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Ry mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, aoka isika haneho izany.

Afaka mipetraka izao ny ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Asaintsika handray ny toerany miaraka amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Loholona Gong sy ny Loholona Soares.

Ry mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, tafiditra ao anatin’izany ny Loholona Gong sy ny Loholona Soares, angatahana ianareo hitsangana.

Aroso amintsika ny hanohanan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo an’i Russell Marion Nelson ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, miaraka amin’ireo mpanolotsainy sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo araka ny nanolorana azy ireo sy nanohanan’ny Fiadidiana Voalohany azy ireo.

Ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay manohana dia aoka haneho izany.

Afaka mipetraka ianareo.

Asaintsika ireo Fitopololahy Manampahefana Ambony sy ireo mpikambana ao amin’ny Episkôpà Mpiahy mba hitsangana.

Aroso amintsika ny hanohanan’ireo Fitopololahy Manampahefana Ambony rehetra sy ireo mpikambana ao amin’ny Episkôpà Mpiahy an’i Russell Marion Nelson ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, miaraka amin’ireo mpanolotsainy sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo araka ny nanolorana azy ireo sy nanohanan’ny Fiadidiana Voalohany azy ireo.

Ireo Fitopololahy Manampahefana Ambony rehetra sy ireo mpikambana ao amin’ny Episkôpà Mpiahy izay manohana dia aoka haneho izany.

Afaka mipetraka ianareo.

Asaintsika ireto manaraka ireto mba hitsangana, na aiza na aiza misy anareo manerana izao tontolo izao: ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, patriarika voatendry, mpisorona avo, ary loholona rehetra.

Aroso aminareo mba hotohanana i Russell Marion Nelson ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, miaraka amin’ireo mpanolotsainy sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo araka ny nanolorana azy ireo sy nanohanana azy ireo.

Ireo rehetra izay manohana aoka haneho izany.

Raha misy manohitra dia aoka haneho izany koa.

Aoka hipetraka ianareo.

Asaina hitsangana avokoa ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana rehetra, izany hoe ny vehivavy 18 taona no ho miakatra rehetra.

Aroso aminareo mba hotohanana i Russell Marion Nelson ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, miaraka amin’ireo mpanolotsainy sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo araka ny nanolorana azy ireo sy nanohanana azy ireo teo.

Ireo izay manohana, aoka haneho izany amin’ny fananganana tanana.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Afaka mipetraka ianareo.

Aoka hitsangana daholo ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna, izany hoe ireo mpisorona sy mpampianatra ary diakona voatendry rehetra.

Aroso aminareo mba hotohanana i Russell Marion Nelson ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, miaraka amin’ireo mpanolotsainy sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo araka ny nanolorana azy ireo sy nanohanana azy ireo teo.

Ireo izay manohana, aoka haneho izany amin’ny fananganana tanana.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Afaka mipetraka ianareo.

Aoka hitsangana daholo ireo zatovovavy 12 ka hatramin’ny 18 taona.

Aroso aminareo mba hotohanana i Russell Marion Nelson ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, miaraka amin’ireo mpanolotsainy sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo araka ny nanolorana azy ireo sy nanohanana azy ireo teo.

Ireo izay manohana, aoka haneho izany amin’ny fananganana tanana.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Afaka mipetraka ianareo.

Izao dia asainay ny mpikambana rehetra, na aiza na aiza misy anareo, mba hitsangana azafady, tafiditra ao anatin’izany ireo rehetra izay efa natsangana teo aloha.

Aroso aminareo mba hotohanana i Russell Marion Nelson ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, miaraka amin’ireo mpanolotsainy sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo araka ny nanolorana azy ireo sy nanohanana azy ireo.

Ireo izay manohana, aoka haneho izany amin’ny fananganana tanana.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Afaka mipetraka avokoa ianareo izao.

Misaotra anareo ry rahalahy sy ranabavy, ny amin’ny fitiavanareo sy ny fanohananareo.