2010–2019
Teny fanolorana
Aprily 2018


Teny fanolorana

Manambara fanovana rafitra manan-danja eo amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka ato amintsika izahay mba hanatontosana ny asan’ny Tompo amin’ny fomba mahomby kokoa.

Misaotra anao ry Rahalahy Holmes tamin’ny hafatra manan-danja nozarainao.

Ry rahalahy isany, tena malahelo tokoa ny Filoha Thomas S. Monson sy ny Loholona Robert D. Hales isika. Kanefa isika dia mila “[m]androso hatrany hanao ny asan’ny Tompo.”1

Feno fankasitrahana tokoa ny tenako amin’ny lehilahy tsirairay izay mihazona ny fisoronana masina. Ianareo no fanantenan’ny Mpanavotra antsika izay maniry ny “mba hahazoan’ny olona tsirairay kosa miteny amin’ny anaran’ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay Mpamonjy izao tontolo izao.”2 Tiany ireo zanakalahiny voatendriny rehetra mba hisolo tena Azy, hiteny ho Azy, hiasa ho Azy, ary hitondra fitahiana eo amin’ny fiainan’ireo zanak’ Andriamanitra manerana izao tontolo izao mba “ho afaka hitombo eto an-tany [manontolo] koa ny finoana.”3

Ny sasany aminareo dia manompo any amin’ny toerana izay efa niorenan’ny Fiangonana an-taonany maro. Ny hafa kosa any amin’ny toerana izay vao tsy ela no niorina tao ny Fiangonana. Ho an’ny sasany dia lehibe ny paroasy misy azy. Ho an’ny hafa kosa dia kely ny sampana misy anareo no sady lavitra be. Na inona na inona toe-javatra iainanareo manokana, nytsirairay avy aminareo dia mpikambana iray ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana izay nomena adidy masina mba hianatra sy hampianatra, hitia sy hanompo ny hafa.

Izao hariva izao izahay dia manambara fanovana rafitra manan-danja eo amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka ato amintsika mba hanatontosana ny asan’ny Tompo amin’ny fomba mahomby kokoa. Any anivon’ny paroasy tsirairay, dia hikambana ho kôlejy iray ihany manomboka izao ny kôlejin’ny mpisorona avo sy ny kôlejin’ny loholona. Ity fanamboarana ity dia hampitombo tokoa ny fahafahana sy ny fahaiza-manaon’ireo lehilahy izay mihazona ny fisoronana hanompony hafa. Ireo lehilahy ho lasa loholona atsy ho atsy dia horaisina sy hokarakaraina ao amin’izany kôlejy izany. Any amin’ny tsatòka tsirairay, ny fiadidian’ny tsatòka dia hanohy hiahy ny kôlejin’ny mpisorona avo eo anivon’ny tsatòka. Kanefa ny mpikambana mandrafitra izany kôlejy izany dia miankina amin’izay antso ao amin’ny fisorona misy, izay ho hazavaina rehefa avy eo.

Izao ny LoholonaD. Todd Christofferson sy ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia hampianatra antsika bebe kokoa mahakasika ireo fanovana lehibe ireo.

Ireo fanovana ireo dia efa nodinihana amam-bolana maro. Nanana fahatsapana filana fanatsarana maika ny fomba fikarakarantsika ireo mpikambana ao amintsika sy ny fanaovana tatitra mikasika ny fifandraisantsika tamin’izy ireo izahay. Mba hanaovana izany, dia mila manamafy orina ny kôlejin’ny fisoronana misy antsika isika mba hanomezana torolalana bebe kokoa momba ny fanompoana amim-pitiavana sy feno fanohanana izay tian’ny Tompo hatao ho an’ireo Olomasiny.

Ireo fanovana ireo dia azo avy amin’ny fanentanam-panahy avy amin’ny Tompo. Rehefa ampiharintsika ireo dia ho mahomby kokoa mihoatra noho ny teo aloha isika.

Mirotsaka ao amin’ny asan’Ilay Andriamanitra Tsitoha isika. I Jesoa no Kristy! Mpanompony feno fanetrentena isika! Hitahy anareo anie Andriamanitra ry rahalahy eo am-pianarantsika sy eo am-panaovantsika ny adidintsika, izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.