2010–2019
Ny fon’ny mpaminany
Aprily 2018


Ny fon’ny mpaminany

Afaka mifaly isika fa tafapetraka amin’ny toerany ny mpaminan’ny Tompo ary ny asan’ny Tompo dia tontosa araka ny fomba masina natorony.

Nivavaka mafy aho ny mba hiarahan’ny Fanahy Masina amintsika anio mandritra izao fotoana masina indrindra izao. Ny zavatra natrehantsika rehetra maso teo dia tena mampitolagaga raha notohanana tao anatin’ny fivoriana masina ny mpaminany faha-17 ao amin’ity fotoampitantanana ity.

Teo am-pikatsahako fitarihana mba hahafantatra ny lohahevitra tian’ny Tompo horesahako anio dia tonga tato an-tsaiko ny resadresaka nataoko vao tsy ela tamin’ny Fiadidiana Voalohany vaovao. Tao anatin’izany resadresaka izany dia nizara zavatra toy izao ny iray amin’ireo mpanolotsaina: “Tena manantena tokoa aho fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia afaka ny hahatakatra hoe hatraiza ny lanjan’ny zavatra nitranga tamin’ny niantsoana ny mpaminanintsika vaovao, dia ny Filoha Russell M. Nelson izany, ary ny hevitra fonosin’ny fivoriana masina izay hitranga mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ary ny fahamasinan’izany.” Nanohy hatrany izy hoe: “Efa 10 taona izay no lasa, ary maro, indrindra ireo zatovon’ny Fiangonana, no tsy mahatsiaro na tsy mbola niaina izany mihitsy taloha.”

Sary
Filoha David O. McKay

Nahatonga ahy hisaintsaina ireo zavatra niainako izany. Ny mpaminany voalohany tsaroako dia ny Filoha David O. McKay. 14 taona aho tamin’izy nodimandry. Tsaroako ny fahatsapana fahalasana izay nisy niaraka tamin’ny fahafatesany, ny ranomaso teo amin’ny tarehin-dreniko ary, ny alahelo tsapan’ny fianakaviana manontolo. Tadidiko fa tonga tao am-bavako mora foana ny teny hoe “Mba tahio ny Filoha David O. McKay” rehefa nivavaka aho hany ka raha tsy nitandrina aho, na dia taorian’ny nahafatesany aza, dia tafateny ho azy an’ireo teny ireo ny tenako. Nanontany tena aho raha toa ny foko sy ny saiko afaka hampitovy ny zavatra tsapako momba azy sy ny fitokisako azy amin’ireo izay handimby azy. Saingy saika toy ny ray aman-dreny izay tia ny zanany tsirairay avy, dia afaka nitia sy nahatsapa fifandraisana ary nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Filoha Joseph Fielding Smith, izay nandimby ny Filoha McKay aho, ary toy izany koa ho an’ireo mpaminany tsirairay taorian’izay: i Harold B. Lee, Spencer W. Kimball, Ezra Taft Benson, Howard W. Hunter, Gordon B. Hinckley, Thomas S. Monson, ary ankehitriny, ny Filoha Russell M. Nelson. Nanohana tanteraka ny mpaminany tsirairay tamin’ny fananganana tanana sy ny fo manontolo aho.

Rehefa nodimandry ny mpaminany malalantsika dia azo atao tsara ny mahatsapa fahalasana sy alahelo. Saingy ny alahelontsika dia amaivanin’ny fifaliana sy fanantenana tonga rehefa miaina ny iray amin’ireo fitahiana lehiben’ny Famerenana amin’ny laoniny isika: ny fiantsoana sy fanohanana mpaminany velona iray eto ambonin’ny tany.

Noho izany aho dia hiresaka momba izany lamina masina izany araka ny nampiharana azy nandritra izay 90 andro lasa izay. Hanoritsoritra izany ao anatina fizarana efatra aho: voalohany, ny fahafatesan’ny mpaminanintsika sy ny faharavan’ny Fiadidiana Voalohany; faharoa, ilay anelanelam-potoana eo am-piandrasana ny Fiadidiana Voalohany ho tafapetraka indray; fahatelo, ny fiantsoana mpaminany vaovao; ary fahefatra, ny fanohanana ilay mpaminany sy Fiadidiana Voalohany vaovao amin’ny alalan’ny fivoriana masina.

Ny fahafatesan’ny mpaminany iray

Sary
Fanaovam-belona ny Filoha Thomas S. Monson
Sary
Filoha Thomas S. Monson

Tamin’ny 2 janoary 2018 dia niampita ny voaly i Thomas S. Monson mpaminany malalantsika. Hanana toerana ao am-pontsika mandrakizay izy. Ny Filoha Henry B. Eyring dia nanolotra teny fampiononana tamin’ny fahalasan’ny Filoha Monson izay manoritsoritra tsara ny zavatra tsapantsika: “Ny toetra mampiavaka ny fiainany, tahaka ny an’ny Mpamonjy, dia ny fikatsahany hatrany ny hanampy ny mahantra sy ny marary ary ny olon-drehetra mihitsy aza, manerana izao tontolo izao.”1

Nanazava ny Filoha Spencer W. Kimball hoe:

“Rehefa dila ny famirapiratan’ny kintana iray dia mipoitra ny anankiray hafa, aim-baovao no hisolo ny fahafatesana.

“Tsy manam-piafarana ny asan’ny Tompo. Na dia rehefa nodimandry aza ny mpitarika tena matanjaka iray dia tsy misy fotoana, na dia vetivety monja aza tsy hisian’ny fitarihana ato amin’ny Fiangonana, satria eo ny hatsarampanahin’ Andriamanitra mitondra fitohizana sy fifandimbiasana. Efa nisy hatrany izany … talohan’ity fotoampitantanana ity, ny olona dia nandevona sy nisaona tamim-panajana, ary dia nitodika tamin’ny hoavy.”2

Ny tetezamita itarihan’ireo Apôstôly

Ny fotoana anelanelan’ny fahafatesan’ny mpaminany iray sy ny fananganana indray ny Fiadidiana Voalohany dia antsoina hoe “tetezamita itarihan’ireo Apôstôly.” Mandritra izany fotoana izany, ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, eo ambany fitarihan’ny filohan’ilay kôlejy, dia miara-mihazona ireo fanalahidy hitantanana ny fitarihana ny Fiangonana. Nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Misy fitarihana foana ato amin’ny Fiangonana, ary raha toa tsy eo intsony ny Fiadidian’ny Fiangonana noho ny fahafatesana na antony hafa, dia ireo Apôstôly Roambinifolo no lohan’ny Fiangonana manaraka, ambara-tafapetraky ny fiadidiana iray indray.”3

Sary
Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Ny vanim-potoana tetezamita farany indrindra dia nanomboka tamin’ny nahafatesan’ny Filoha Monson tamin’ny 2 janoary ary nifarana 12 andro taty aoriana tamin’ny alahady 14 janoary. Tamin’ny marainan’io Sabata io dia nivory tao amin’ny efitra avon’ny Tempolin’i Salt Lake tao anatin’ny fanahin’ny fifadian-kanina sy vavaka ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, teo ambany fiahian’ny Filoha Russell M. Nelson, ilay Apôstôly efa ela nanompoana indrindra sy Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Fiantsoana mpaminany vaovao

Nandritra io fivoriana masina sy tsy hay adinoana io, taorian’ny fanehoana firaisankina sy ny fankatoavan’ny rehetra izay zavatra efa mahazatra, dia naka toerana araka ny filaharany tamin’ny naha-Apôstôly tranainy indrindra azy Ireo Rahalahy, dia nipetraka teo amin’ny seza miisa 13 ao anaty antsasa-paribolana izy ireo ary nanangana tanana mba hanohanana ny fametrahana indray ny Fiadidiana Voalohany aloha, dia avy eo mba hanohanana ny Filoha Russell Marion Nelson ho Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Izany fanohanana izany dia narahan’ny fivondronan’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ao anatina faribolana iray ary ny fametrahan’izy ireo ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny Filoha Nelson mba hanendry sy hanokana azy, ka ny Apôstôly efa ela nanompoana indrindra manaraka no feo solontena.

Dia nanendry ireo mpanolotsainany ny Filoha Nelson avy eo, ny Filoha Dallin Harris Oaks sy ny Filoha Henry Bennion Eyring, ka ny Filoha Oaks no Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Filoha Melvin Russell Ballard no Filoha mpisolo toerana an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Taorian’ny fanehoana fanohanana toy izany hatrany dia natokan’ny Filoha Nelson ho amin’ny anjara fanompoany tsirairay avy ireo Rahalahy ireo. Zavatra niainana farany izay masina izany, ary tena nahatsapana ny Fanahy. Ambarako aminareo ny fijoroako ho vavolombelona tena marina fa ny sitrapon’ny Tompo, izay nokatsahinay tamin’ny alalan’ny vavaka tamin-kafanampo, dia naseho tamin-kery nandritra ireo zavatra natao sy tranga tamin’io andro io.

Sary
Ny Fiadidiana Voalohany

Niaraka tamin’ny fanendrena ny Filoha Nelson sy ny fanorenana indray ny Fiadidiana Voalohany dia nifarana ny tetezamita itarihan’ireo Apôstôly, ary ny Fiadidiana Voalohany vaovao izay vao tafapetraka dia nanomboka niasa ka mahavariana mihitsy fa tsy nihato mihitsy na dia iray segondra monja aza tamin’ny fitantanana ny fanjakan’ny Tompo eto an-tany.

Fivoriana masina

Tamin’ny maraina teo dia nifarana araka ny baiko nazavaina tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ilay lamina masina: “Fa ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana sy amin’ny faneken’ny rehetra ao amin’ny fiangonana, amin’ny fivavaky ny finoana,”4 ary “Mpisorona Avo Miahy telo, … notohanana tamin’ny fahatokiana, ny finoana ary ny vavaky ny fiangonana no miforona ho kôlejin’ny Fiadidian’ny Fiangonana.”5

Ny Loholona David B. Haight dia nilazalaza momba ny tranga iray niseho teo aloha izay mitovy amin’ny zavatra nandraisantsika anjara androany:

“Vavolombelona sy mpandray anjara amina fotoana faran’izay masina isika, dia fivoriana masina mba hampiharana zavatra masina izany. Toy ny tamin’ny fahizay dia nisy ny fifadian-kanina sy vavaka betsaka natolotry ny Olomasina manerana izao tontolo izao mba handatsahana amin’izy ireo ny Fanahin’ny Tompo, izay tena tsapa tokoa … nandritra ity fotoana tamin’ity maraina ity.

“Araka izany anarany izany, ny fivoriana masina dia entina hilazana fotoana masina sy matotra ary feno fanajana izay hihaonan’ny Olomasina eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany.”6

Ry rahalahy sy ranabavy isany, afaka mifaly isika, ary mihiaka hoe “Hosana!” mihitsy aza, fa tafapetraka amin’ny toerany ny mpitondratenin’ny Tompo, mpaminanin’ Andriamanitra iray, ary ny Tompo dia finaritra satria tontosa araka ny fomba masina natorony ny asany.

Ny Filoha Russell M. Nelson

Izany lamina masina izany dia mitondra amin’ny fisian’ny mpaminany iray voantson’ Andriamanitra indray. Tahaka ny naha anisan’ireo olona lehibe indrindra niaina tety an-tany an’ny Filoha Monson dia torak’izany koa ny Filoha Nelson. Efa voaomana tsara sy nofanin’ny Tompo manokana mba hitarika antsika amin’izao fotoana izao izy. Fitahiana lehibe izao ny fananantsika ny Filoha Russell M. Nelson malalantsika ho mpaminanintsika feno fitiavana sy fanolorantena, ilay Filohan’ny Fiangonana faha-17 amin’izao fotoampitantanana farany izao.

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Tena lehilahy miavaka tokoa ny Filoha Nelson. Nanana tombontsoa hanompo ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy niaraka taminy aho, ka izy no filohako tao amin’ilay kôlejy nandritra ny roa taona mahery kely. Niray diataminy aho ary mahavariana ahy ny heriny satria tsy maintsy mizotra haingana ny olona iray sao tsy maharaka azy! Raha ny totaliana dia nitsidika firenena miisa 133 izy nandritra ny androm-piainany.

Niantefa tamin’ny rehetra izy, na tanora izany na antitra. Toa fantany avokoa ny olon-drehetra ary talentany manokana ny fitadidiana anarana. Ny olona rehetra izay mahafantatra azy dia mahatsapa fa izy no olona tiany indrindra. Ary dia toy izany ny momba antsika tsirairay avy, noho ny fitiavany sy ny fiahiany ny olona tsirairay.

Ny niarahako voalohany tamin’ny Filoha Nelson dia noho ny antony ara-pivavahana, saingy lasa nahafantatra ihany koa ny lafiny ny ara-kasan’ny fiainan’ny Filoha Nelson talohan’ny niantsoana azy ho Manampahefana Ambony aho. Araka ny fantatry ny maro aminareo dia mpandidy fo ikoizana manerana izao tontolo izao ny Filoha Nelson ary, tamin’izy nanomboka niasa ho mpitsabo dia anisan’ny voalohany namolavola milina solon’avokavoka sy fo. Izy dia niasa tao anatin’ny ekipa iray izay nanatontosa ny fandidiana fo misokatra voalohany natao tamin’ny olombelona iray tamin’ny taona 1951 tamin’ny alalan’ny familiana vonjimaika ny ra tsy handalo ny fo sy ny havokavoka. Ny Filoha Nelson dia nanatanteraka ny fandidiana ny fon’ny Filoha Spencer W. Kimball, fotoana tsy ela talohan’ny nahalasa mpaminany ny Filoha Kimball.

Sary
Ny Filoha Nelson amin’ny maha-mpandidy azy

Mahaliana tokoa fa, rehefa nifarana noho ny antso ho Roambinifololahy 34 taona lasa izay ny asan’ny Filoha Nelson tamin’ny naha-mpitsabo matihanina azy izay nampatanjahany sy nitsaboany fo, dia nanomboka tamin’izay ny fanompoana amin’ny maha-Apôstôly izay nanolorany tena tamin’ny fampatanjahana sy fitsaboana fon’olona aman’aliny manerana izao tontolo izao, ny tsirairay amin’izany dia nankaherezina sy notsaboin’ny teniny sy ny asany feno fahendrena sy fanompoana ary fitiavana.

Sary
Ny Filoha RussellM. Nelson amin’ny Apostoly azy
Sary
Ny Filoha Nelson miarahaba ny mpikambana
Sary
Ny Filoha Nelson miaraka amin’ny zafikely

Fo tahaka ny an’i Kristy

Rehefa maka sary an-tsaina ny atao hoe fo tahaka ny an’i Kristy amin’ny fiainana andavan’andro aho dia ny Filoha Nelson no hitako. Mbola tsy nahita olona hafa maneho izany toetoetra izany amin’ny avo indrindra mihoatra noho ny ataony aho. Tena fotoana fianarana mahavariana ho ahy ny naha tamin’ny toerana izay nahafahako nandinika mivantana ny fiasan’ny fo tahaka ny an’i Kristy an’ny Filoha Nelson.

Herinandro vetivety monja taorian’ny niantsoana ahy ho ao amin’ny Roambinifololahy tamin’ny ôktôbra 2015 dia nanana fahafahana nianatra mivantana ny mombamomba ny asan’ny Filoha Nelson tamin’ny lasa aho. Voasa aho hanatrika fotoan-dehibe iray izay nandraisany mari-pankasitrahana amin’ny mpamaky lain’ny mpandidy fo azy. Rehefa niditra tao amin’ilay toerana nanaovana ny lanonana aho dia talanjona tamin’ny fahitana ny isan’ireo matihanina tonga hanome voninahitra sy hankasitraka ny asa vitan’ny Filoha Nelson taona marobe lasa izay fony izy mpitsabo sy mpandidy fo.

Io hariva io dia matihanina maro no nijoro ary naneho voninahitra sy fanajana ny anjara biriky tena goavana nentin’ny Filoha Nelson tamin’io sehatr’asa ara-pitsaboana io. Na dia nahavariana tahaka ny inona aza ny famariparitan’ny mpanolotra ny zava-bitan’ny Filoha Nelson isan-karazany, dia nanaitra ahy kokoa ny resadresaka nifanaovako tamin’ilay lehilahy nipetraka teo akaikiko. Tsy fantany hoe iza aho, saingy nahafantatra ny Filoha Nelson izy amin’ny hoe Dr. Nelson, talen’ny fiofanana ho mpitsabo manampahaizana manokana amin’ny fandidiana ny ao amin’ny tratra tao amina sekoly ara-pitsaboana iray tamin’ny 1955.

Mpianatry ny Filoha Nelson taloha io lehilahy io. Nizara fahatsiarovana maro izy. Ny tena nahaliana dia ny fanoritsoritany ny fomba fampianaran’ny Filoha Nelson, izay, hoy izy, nampalaza be azy. Nanazava izy fa ny ampahany lehibe amin’ny fanofanana ireo dokotera miofana ho manampahaizana manokana amin’ny fandidiana fo dia nitranga tao amin’ny efitra fandidiana. Tao ireo dokotera mpiofana dia nandinika sy nanatontosa fandidiana eo ambany fanarahamason’ny mpampiofana, izany hoe fianarana anaty laboratoara izany. Nozarainy tamiko fa ny tontolon’ilay efitra fandidiana raha teo ambany fitarihan’ireo mpandidy mpampiofana sasany dia nikorontana, nahatsapana fifaninanana sy feno faneriterena, ary nifantoka tamin’ny fitiavantena. Nolazain’io lehilahy io fa tontolo nanahirana izany, ary nanambany mihitsy aza indraindray. Vokatr’izany dia nahatsiaro mihitsy ireo dokotera mpiofana fa hisy fiantraikany amin’ny hoavin’izy ireo ara-kasa izany.

Dia nazavainy avy eo ny tontolo niavaka hita tao amin’ny efitra fandidian’ny Filoha Nelson. Nahatsapana fitoniana sy filaminana ary fanajana izany. Ny fitondrana ireo dokotera mpiofana dia natao tamim-panajana feno. Saingy taorian’ny fampisehoana ny lamina arahina iray dia nandrasan’ny Dr. Nelson tamin’ny mpiofana tsirairay avy ny fampiharana amin’ny fenitra avo indrindra. Dia mbola nanoritsoritra hatrany ity lehilahy fa ireo vokatra tsara indrindra teo amin’ny fandidiana marary sy ny mpandidy nahomby indrindra dia avy amin’ny efitra fandidian’ny Dr. Nelson.

Tsy nahagaga ahy akory izany. Izany no zavatra tsikaritro mivantana sy tena nahazoako fitahiana ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Nahatsiaro aho fa, amin’ny lafiny iray, dia anisan’ireo “mpiofana eo ambany fitarihany” aho.

Ny Filoha Nelson dia manana fomba tena miavaka amin’ny fampianarana ny hafa ary fanolorana fanitsiana amin’ny fomba izay hisin’ny lafitsaran-javatra sy ny fanajana ary ny fankaherezana. Izy dia ohatra mivaingan’ny fo tahaka ny an’i Kristy ary maodely ho antsika rehetra. Noho izy dia mianatra isika fa amin’ny toe-javatra rehetra mety hisy antsika dia afaka ny hifanaraka amin’ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fihetsitsika sy ny fontsika.

Ankehitriny isika dia manana fitahiana lehibe hanohana ny mpaminanintsika, ny Filoha Russell M. Nelson. Nandritra ny fiainany izy dia niandriana ireo anjara andraikiny maro tamin’ny naha-mpianatra, ray, profesora, vady, mpitsabo, mpitarika ao amin’ny fisoronana, raibe, ary Apôstôly azy. Nanatanteraka ireo anjara andraikitra ireo izy, dia mbola manohy ny fanatanterahana izany hatrany, amin’ny fananana ny fon’ny mpaminany.

Ry rahalahy sy anabavy, ny zavatra natrehantsika maso sy nandraisantsika anjara androany, dia ny fivoriana masina izany, dia mitondra amin’ny fijoroako ho vavolombelona fa ny Filoha Russell M. Nelson no mpitondratenin’ny Tompo velona ho an’ny olombelona rehetra. Ampiako ihany koa ny fijoroako ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.