2013
Herinandron’ny Paska
Aprily 2013


Herinandron’ny Paska

Nanatanteraka ny Sorompanavotana i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika—izay nahitana ny fijaliany tao Getsemane, ny Fanomboana Azy teo Golgota, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty avy tao am-pasana—nandritra ilay herinandro farany teo amin’ny fiainany.

Nandritra ny Filankevitra tany an-danitra talohan’ny nahariana ny tany dia namelabelatra ny drafiny ho antsika zanany ny Ray any an-danitra. Nihoby tamim-pifaliana isika rehefa nisafidy ny hanatanteraka ny drafitry ny famonjena i Jesoa Kristy (jereo ny Joba 38:7 sy Abrahama 3:27). Niaina tao anatin’ny fiainana tsy nisy fahotana i Jesoa izay naterak’i Maria tany Betlehema. Noho ny Sorompavotany dia afaka miverina miara-miaina amin’ny Raintsika any an-danitra isika ary mahazo ny fiainana mandrakizay. Hiverina amin-kery sy amim-boninahitra mba hipetraka eto an-tany mandritra ny Arivotaona i Jesoa Kristy ary hijoro ho Mpitsara ny olona rehetra Izy amin’ny andro farany.

Ireto misy sary avy amin’ireo horonan-tsary momba ny Baiboly izay mampiseho ny herinandro farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Vakio ireo andinin-tsoratra masina tanisaina eo amin’ny sary tsirairay. Mba hahitana ny fifanesen-java-miseho feno dia jereo ny fampisehoana ny filaharan’ireo soratra masina efatra ao anatin’ny Bible Dictionary (Rakibolan’ny Baiboly) na Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Ireo horonan-tsary mikasika ny Baiboly dia hita ao amin’ny biblevideos.lds.org.

Sary

Ny andro fahadimy talohan’ny Paska dia niakatra tany Jerosalema nitaingina boriky i Jesoa araka ny faminaniana. Noraisin’ny olona ho toy ny Mpanjakany Izy ka nihiaka hoe “Hosana” izy ireo ary namelatra ny lambany sy nampihahaka rantsan-kazo tamin’ny tany teo anoloan’ilay boriky. (Jereo ny Matio 21:1–11; Marka 11:1–11; Zakaria 9:9.)

Sary © IRI

Sary

Nanadio fanindroany ny kianjan’ny tempoly i Jesoa, nandritra ny asa fanompoany teto an-tany. “Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana; fa hianareo kosa manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy,” hoy Izy tamin’ny mpivarotra (Matio 21:13). Taorian’izay dia maro ireo jamba sy malemy no tonga nanatona Azy tao amin’ny tempoly ary nositraniny izy ireo. Saingy rehefa nahita ny fahagagana nataony ireo mpisorona sy mpanora-dalàna dia tezitra izy ireo ary nikatsaka ny hamotika Azy. (Jereo ny Matio 21:12–17; Marka 11:15–19.)

Sary © IRI

Sary

Nanaiky ny ho tonga tety an-tany mba hanavotra ny olona rehetra amin’ny Fahalavoana i Jesoa Kristy. (Jereo ny 1 Nefia 11:16–22, 26–33; Almà 7:10–13.)

Sary © IRI

Sary

Nandritra ny herinandro iray dia nizara ny sasany tamin’ireo toriteny tena mendrika ho tsaroana ny Mpamonjy, ka tafiditra tao anatin’izany ny fampianarany mikasika ny farantsakelin’ny mpitondratena. (Jereo ny Marka 12:41–44; Lioka 21:1–4.)

Sary © IRI

Sary

Nandohalika sy nivavaka ny Mpamonjy tao amin’ny Sahan’i Getsemane ary ny fijalijaliany noho ny fahotan’izao tontolo izao dia nahatonga Azy “hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy” (F&F 19:18). Fotoana fohy taorian’izany dia nisambotra an’i Jesoa i Jodasy Iskariota sy lehilahy maro nirongo fiadiana, dia nandao ny Tompo ny mpianatra rehetra ary nitsoaka. (Jereo ny Matio 26:36–56; Marka 14:32–50; Lioka 22:39–53.)

Sary © IRI

Sary

Nandritra ny fiarahany misakafo farany dia nampanantena ny apôstôliny i Jesoa fa handray ilay Mpampionona na ny Fanahy Masina izy ireo rehefa lasa Izy. Nampianariny izy ireo mba hahatsiaro Azy amin’ny alalan’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Rehefa nanakaiky ny alina dia nanao vavaka ho an’ny mpianany i Jesoa ka nivavaka Izy mba hiray hina ny mpianany. (Jereo ny Matio 26:17–30; Marka 14:12–26; Lioka 22:14–32; Jaona 13–17.)

Sary © IRI

Sary

Taorian’ilay fitsarana tsy ara-dalàna sy fikapohana tsy misy antra dia namela ny tenany mba hohomboana i Kristy ka nanatanteraka ilay “sorona lehibe sady farany” izay nanome fahafahana ny hahazoan’ny zanak’Andriamanitra rehetra famonjena (jereo ny Almà 34:14–15). Talohan’ny naha alina ny andro dia nesorin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa teny amin’ny hazofijaliana ny vatany, dia nofonosiny hariry madinika madio sy nasiany zava-manitra ary naleviny tao amin’ny fasana. (Jereo ny Matio 27; Lioka 23; Marka 15; Jaona 19.)

Sary © IRI

Sary

Raha vao nazava ratsy ny Alahady maraina dia tonga teo am-pasana i Maria Magdalena sy ireo vehivavy mahatoky hafa mba hanosotra zava-manitra bebe kokoa ny vatan’i Jesoa. Nahita izy ireo fa nisy nanakodia ny vato ary nisy anjely roa nanambara tamim-pifaliana hoe: “Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay nolazaina” (Matio 28:6). Nandresy ny fahafatesan’ny vatana ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty ary nanome antsika tsirairay avy fahafahana ho velona indray: “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy” (1 Korintiana 15:22). (Jereo ny Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20).

Sary © IRI