2013
Ny Toerana izay Nanorenana ny Fiangonana
Aprily 2013


Manaraka ny dia

Ny Toerana izay Nanorenana Ny Fiangonana

Andao hiaraka aminay hizaha toerana iray manan-danja eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana!

Raha te-hijery ny toerana nanorenana voalohany ny Fiangonana i Maggie sy Lily E. dia tsy mila mijery lavitra loatra. Tena mifanila amin’ny trano Fiangonana ao Fayette, New York izany, izay toerana hiangonan’izy ireo isaky ny Alahady!

Tsy tao anaty trano fiangonana no nananganana ny Fiangonana, fa tao anatin’ny trano iray vita amin’ny vatan-kazo. Tonga nipetraka tao i Joseph Smith, niaraka tamin’ny fianakaviana Whitmer, tamin’ny taona 1829. Tsy eo intsony ilay trano tany am-piandohana saingy eo amin’ilay toerana nisy azy mihitsy ity trano vita amin’ny vatan-kazo ity.

Ny trano fiangonana izay hiangonan-dry Maggie sy Lily dia ahitana ivontoerana ho an’ny mpitsidika izay misy fampirantiana mikasika ny tranon-dry Whitmer sy ireo zavatra miavaka izay nitranga tao.

1. Tato no namita ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith.

2. Tety ivelany, tsy lavitry ny trano, no nahitan’ny lehilahy telo ny anjely Môrônia sy ireo takela-bolamena. Antsoina hoe ireo Vavolombelona Telo izy ireo satria nahita maso ireo takelaka. Azonao jerena ao amin’ny fiandohan’ny Bokin’i Môrmôna ny tenivavolombelon’izy ireo.

3. Tamin’ny 6 Aprily 1830 dia teo amin’ny olona 60 teo no tonga nanatrika fivoriana manokana iray. Nanangana ny Fiangonana tamin’ny fomba ôfisialy i Joseph Smith ary dia namasinina sy nozaraina ny fanasan’ny Tompo. Io no fivorian’ny fanasan’ny Tompo voalohany!

4. Vantany vao vita ilay fivoriana dia natao batisa tety ivelany ireo ray aman-drenin’i Joseph Smith sy olon-kafa maromaro.

Sary nalain’i Brent Walton; sary nataon’i Robert T. Barrett © IRI; Fananganana ny Fiangonana, nataon’i Robert T. Barrett, tsy azo adika