2013
Naverin’ i Jesoa Kristy tamin’ ny Laoniny tamin’ ny Andro Farany ny Fiangonany
Aprily 2013


Mitondra ny Kilonga Mody

Naverin’ i Jesoa Kristy tamin’ ny Laoniny tamin’ ny Andro Farany ny Fiangonany

Azonao ampiasaina ity lesona sy asa atao ity hianarana bebe kokoa mikasika ny tarigetran’ ny Kilonga amin’ ity volana ity.

Alaivo sary an-tsaina hoe mandeha mikaroka harena miafina iray ianao. Aiza ianao no hitady ilay harena miafina? Ahoana no fomba hahitanao izany? Mety hisy vata misy harena miafina ve? Inona no mety ho ao anatiny?

Ny vata misy harena miafina sasantsasany dia ahitana firavaka tsara tarehy sy vola vy sarobidy. Fa amin’ny maha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia manana harena miafina izay mbola manan-danja bebe kokoa noho izany isika: ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Tsy mahafantatra an’io harena miafina io ny ankamaroan’ny olona, ka dia anisan’ny iray amin’ireo adidintsika ny mizara izany amin’ny olona maro araka izay tratrantsika.

Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôliny dia very na novaina ireo fampianarana manan-danja sy ôrdônansy sasantsasany tao amin’ny filazantsara, anisan’izany ny batisa, ny fahefan’ny fisoronana, ny tempoly, ny mpaminany velona ary ny fanasan’ny Tompo.

Ireo harena miafin’ny filazantsara ireo dia naverina tamin’ny laoniny daholo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ny ala kely iray ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy raha nivavaka iny izy mba hahalalana ny fahamarinana.

Taty aoriana i Joseph dia nandray ireo takela-bolamena sy nandika izany hanjary Bokin’i Môrmôna. Ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana fampianarana izay sarobidy amintsika satria manazava fahamarinana maro izay very tany aloha tany. Mahazo fitahiana maro isika noho ny fananantsika ireo fahamarinan’ny filazantsara ireo.

Akory ny hasarobidin’ireo harena miafina ireo!

Sary nataon’i Bryan Beach