2013
Fahafatesana sy Fiainana: Fomba Fijerin’ireo Mpisava Lalana ny Fitsanganana amin’ny Maty
Aprily 2013


Fahafatesana sy Fiainana

Fomba Fijerin’ireo Mpisava Lalana ny Fitsanganana amin’ny Maty

Rehefa nanao dia nankany amin’ny faritra andrefan’i Etazonia ireo olona niova fo tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana mba hiaraka hivondrona amin’ireo Olomasina, dia nahita fahafatesan’olona saingy nahazo hery tamin’ny alalan’ilay finoany vaovao ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ireo. Ireto manaraka ireto misy sombiny amin’ny tantaran’ireo mpisava lalana izay mampiseho ny fanantenan’ireo Olomasina ny Fitsanganana amin’ny maty miaraka amin’ireo fampianarana mampahery avy amin’ireo Filohan’ny Fiangonana dimy voalohany.

I Robert Aveson, Tantaran’ny raim-pianakaviana Olomasin’ny Andro Farany iray tsy fantatra anarana izay namoy ny zanany lahy tao anatin’ilay dia niala tany New York nankany Utah tamin’ny 1866:

“Nohadiana niaraka tamin’ny fanampian’ny namana iray ilay fasana kely ary napetraka tao anatin’izany ny vata-mangatsiakan’ilay maty. Raha matin’ny areti-mifindra ilay zaza dia tsy nisy tompom-pahoriana mba tafavory, na fotoam-pivavahana araka ny tokony ho izy, na voninkazo, na hira ara-panahy na kabary am-pandevenana ilazana ny mombamomba ilay olona. Saingy alohan’ny nandehanan’ilay ray nidonam-pahoriana dia nanao izao vavaka fanokanana fohy manaraka izao tamin’ny fitenin-drazany izy (Danois): …

“‘Ry Ray any an-danitra: Nomenao ity harena sarobidy kely ity aho—ity zazalahy kely mahatehotia ity, ary dia nantsoinao izy izao. Mangataka Anao aho mba hanao izay ahafahan’ny nofony mandry eto tsy hisy mpanelingelina mandra-pahatongan’ny marainan’ny fitsanganana amin’ny maty. Hatao anie ny sitraponao. Amena.’

“Ary rehefa nitsangana avy teo amin’ny tany izy dia izao no teny fanaovam-belomany hoe:

“‘Veloma, Hans kely malalako—ilay zanako lahy mahafatifaty.’ Dia nanohy tamin’ny herim-po ny lalany nankany amin’ny toerana nilasiany izy niaraka tamin’ny loha nitanondrika sy fo malahelo.”1

Filoha Joseph Smith (1805–44):

“Tena fampiononana ho an’ireo nidonam-pahoriana, rehefa tsy maintsy misaraka amin’ny vadiny na ny rainy na ny reniny na ny zanany na havana malalany izy ireo, ny fahafantarana fa na dia alevina sy levona aza ilay vatana teto an-tany dia mbola hitsangana indray izy ireo mba hitoetra ao amin’ny lelafo mandrakizay ao amin’ny voninahitra tsy mety maty, ka tsy halahelo na hijaly na ho faty intsony fa ho mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Jesoa Kristy.”2

I Joseph Watson Young (1828–73), zanaky ny iray tampo tamin’i Brigham Young izay nanao dia niala tany Angletera nankany Etazonia tamin’ny 1853:

“Toe-javatra mampalahelo ny fandevenana namana iray an-dranomasina amin’ny alim-be miaraka amin’ny vavolombelona vitsy kely izay manirery. … Tsy nanana havana tao an-tsambo izy na olona iray manokana nitomany azy afa-tsy namana mpanompo iray. Izany no fanantenana tena irian’ny fon’olombelona izay rava tao anatin’ny fotoana fohy. Namoy ny zava-drehetra io tovolahy io mba handehanana any Ziona ary feno fanantenana mivaivay ny amin’ny hoavy izy ka tsy nieritreritra kely akory hoe halevina ao anatin’ilay onja mahery ny vatany. Kanefa tsy maty toy ireo izay tsy nanana fanantenana izy satria ao amin’Andriamanitra ny fiadanany ary nanana fahatokiana feno hitsangana amin’ny maty amim-boninahitra ao anatin’ilay marainan’ny olo-marina izy.3

Filoha Brigham Young (1801–77):

“Tena lohasaha maizina sy aloka ilay antsointsika hoe fahafatesana! Tena hafahafa ilay hoe mandao izao fiainana izao raha ny vatana no resahana, dia mankany amin’ny tsy misy! Tena maizina izany lohasaha izany! Tena tsy takatry ny saina izany lalana izany ary tsy maintsy diavintsika irery. Te hilaza aminareo aho ry namako sy rahalahiko fa raha afaka mijery ny zavatra araka ny fisehony isika ary rehefa ho hitantsika sy ho takatsika izy ireo, dia tena tsinontsinona ity aloka sy lohasaha maizina ity ka hiverina kely ary handinika sy hieritreritra isika rehefa mandia izany hoe inona no maha tombontsoa lehibe teo amin’ny fiainako iray manontolo an’izany, satria nandao ilay toe-piainana iray ahitana fahoriana, fitomaniana, fahamavomavoana, fanaintainana, tebiteby ary fahadisoam-panantenana aho ka nankany amin’ny toe-piainana iray izay ahafahako mihanoka tanteraka araka ny tokony ho izy fiainana iray izay azo iainana tsy misy vatana.”4

I Dan Jones (1811–62), Gallois niova fo, izay nandeha sambo niaraka tamin-dramatoa Williams sy mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana nankany Etazonia tamin’ny 1849:

“Nihombo haingana ny aretin-dramatoa Williams avy any Ynysybont akaikin’i Tregaron [Pays de Galles], ary niseho ny mari-pamantarana fa tsy haharitra ela intsony izy. … Nilaza izy fa ny mari-boninahitra lehibe indrindra azony hatramin’izay dia ny fahafahany ho lasa mpikamban’ilay fiangonana marin’ny Zanak’Andriamanitra ka tsy nisy tahotra mikasika ilay fiainana iray hafa tany an-tsainy ary nanaporofo bebe kokoa ny heriny mihoatra noho ny hatramin’izay ny finoany tamin’izay. … Nanoro hevitra mafy ireo zanakalahiny izy mba ho mahatoky foana mandra-pahatongan’ny fahafatesana ka hahazo fitsanganana amin’ny maty tsara kokoa miaraka aminy izy ireo. … Mbola nahira-tsaina izy nandritra ny alina ary ny ampitson’izany tamin’ny efatra sy fahefany maraina dia lasa tamim-piadanana ny fanahiny ary namela tsiky teo amin’ny molony.”5

Filoha John Taylor (1808–87):

“Tena mitondra fampiononana tokoa ho an’ireo izay mitomany noho ny fahafatesan’ireo namana malala ny fahafantarana fa mbola hiaraka amin’izy ireo indray isika! Tena mitondra fandrisihana ho an’ireo izay miaina araka ireo fitsipiky ny fahamarinana nambara, indrindra indrindra angamba ho an’ireo izay efa hadiva hifarana ny fiainany ka nijaly nandritra ny fotoana ela sy naharitra hatramin’ny farany, ny fahafantarana fa afaka fotoana fohy dia hitsangana avy ao am-pasana isika ary ho lasa fanahy velona sy tsy mety maty mba hiaina ao amin’ilay fivondronan’ireo namany nozahan-toetra sy nitokiana, ka tsy handalo fahafatesana intsony ary hamita ilay asa izay nasain’ny Ray nataontsika!”6

I Andrew Jenson (1850–1941), mpifindra monina Danoa izay nanao dia tao anatin’ny vondron-tsaretin’i Andrew H. Scott, niala tany Nebraska, Etazonia nankany Utah tamin’ny 1866:

“Rehefa nanatrika ny fametrahana ny vata-mangatsiakan’izy ireo [nofon’ireo namana niaraka nanao dia taminay] tao anaty tany, tany amin’ny tany efitra izahay dia nitomany daholo na nahatsapa toy ny te hitomany satria tena nampalahelo sy mafy ny fieritreretana ny fandevenana olon-tiana tamin’ny fomba toy izany, ary tsy maintsy tonga dia mandeha ireo namana sy havana avy eo ka tsy mba manana fanantenana hamangy indray ny fasan’ireo olony maty akory. … Saingy ho hita ny fasan’izy ireo rehefa hitsoka ny trompetrany i Gabriela ny marainan’ny fitsanganana amin’ny maty. Nalevina nandritra ny diany nankany Ziona izany ny vatan’ireo olona maty ireo. Nantsoin’ny Tompo hody any aminy mialohan’ny hahatongavany tany amin’ilay toerana tokony halehany izy ireo. Tsy navela hahita an’i Ziona ao amin’ny nofo izy ireo saingy hahazo voninahitra sy hifaly any aoriana. Maty teo am-piezahana nankato an’Andriamanitra sy nitandrina ny didiny izy ireo ary sambatra ireo izay maty ao amin’ny [Tompo].”7

Filoha Wilford Woodruff (1807–98):

“Raha tsy miaraka amin’ny filazantsaran’i Kristy dia iray amin’ireo lohahevitra tena mampalahelo indrindra azo eritreretina ny fahafatesana, saingy raha vao mandray ny filazantsara isika ary mianatra mikasika ny fitsipiky ny fitsanganana amin’ny maty dia tena miala ilay alahelo sy fijaliana nateraky ny fahafatesana. … Ny fitsanganan’ny maty dia mampahafantatra ny tenany eo anoloan’ny sain’ny olona nomena fahalalana ary manana fototra ianteheran’ny fanahiny izy. Izany no fihevitry ny Olomasin’ny Andro Farany ankehitriny. Fantatsika tsara fa tsy ao anatin’ny haizin’ny tsy fahalalana isika raha mikasika izany zavatra izany. Nambaran’Andriamanitra tamintsika ny momba izany ary mahatakatra tsara ny fitsipiky ny fitsanganana amin’ny maty isika, ary mitondra fampahalalana mikasika ny fiainana sy ny fitsanganana amin’ny maty ny filazantsara.”8

I William Driver (1837–1920), mpisava lalana izay nanao dia niala tany Angletera nankany New York, Etazonia tamin’ny 1866:

“Narary mafy nandritra ny alina iray manontolo ka hatramin’ny 7:30 maraina i Willie zanako malalako ary tamin’izay no nesorina taminy ny fanaintainany. Andriamanitra anie hitahy ilay fanahiny sarobidy. Tena nijaly izy. Maty tao anatin’ny fahasimban’ny saretin’Andriamatoa Poulter tany St. Ann’s Hill, Wandsworth, Surrey, Angleterre izy. Akory ny alaheloko noho izany fahoriana lehibe izany. Tompo ô! ampio aho amin’ny alalan’ny herinao mba hanaiky izao ary omeo hery mba hanompo bebe kokoa Anao amim-pahamendrehana sy amim-pahatokiana. Enga anie aho hiaina ao anatin’ny fiomanana mba hihaona aminy any amin’ny toerana iray misy fifaliana sy tsara kokoa miaraka amin’ilay anabavy malalany Elizabeth Maryann ary enga anie ho tafiditra amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty aho mba hihaona amin’izy ireo.9

Filoha Lorenzo Snow (1814–1901):

“Ho be voninanitra sy tsy hianjadian’ny aretina sy fahafatesana intsony ny vatantsika any amin’ilay fiainana ho avy. Tsy misy zavatra tena tsara toy ny olona iray izay manana vatana nitsangana tamin’ny maty sy be voninahitra. Tsy misy zavatra hafa mahafinaritra kokoa noho ny hoe ao anatin’izany toe-javatra izany isika sy manana ny vadintsika sy zanatsika ary ny namantsika miaraka amintsika.”10

Fanamarihana

  1. Robert Aveson, “Leaves from the Journal of a Boy Emigrant,” Deseret News, Mar. 12, 1921, 4:7; hita ao amin’ny lds.org/churchhistory/library/pioneercompanysearch.

  2. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 52.

  3. Joseph W. Young, Journal, Mar. 6, 1853, Church History Library, Salt Lake City, Utah; hita ao amin’ny mormonmigration.lib.byu.edu.

  4. Enseignements des Présidents de l’Église: Brigham Young (1997), 273.

  5. “Taratasy avy amin’i Kapiteny. D. Jones ho an’ny Mpanonta ny Udgorn Seion,” ao amin’ny Ronald D. Dennis, The Call of Zion: The Story of the First Welsh Mormon Emigration, boky 2 (1987), 164–65; hita ao amin’ny mormonmigration.lib.byu.edu.

  6. Teachings of Presidents of the Church: John Taylor (2001), 50–51.

  7. Diarin’i Andrew Jenson, 20 Aog. 1866, ao amin’ny Journal History of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 8 Ôkt. 1866, Church History Library, Salt Lake City, Utah, 6; hita ao amin’ny lds.org/churchhistory/library/pioneercompanysearch.

  8. Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff (2004), 82–83.

  9. Frank Driver Reeve, ed., London to Salt Lake City in 1866: The Diary of William Driver (1942), 42; hita ao amin’nymormonmigration.lib.byu.edu.

  10. Lorenzo Snow, ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1900, 63.

Sary nataon’i Michael T. Malm ARY NY LAFIKY NY LAHATSORATRA NATAON’I Welden C. Andersen © IRI

Ankavia: Filoha Brigham Young. Eo ambony: Joseph Watson Young.

Ankavanana: Filoha John Taylor. Eo ambony: Dan Jones.

Sary nampidirina:Brigham Young, nataon’i John Willard Clawson; sarin’i Joseph Watson Young, nahazoana lalana avy tamin’ny Church History Library; sarin’i Dan Jones © IRI; John Taylor, nataon’i A. Westwood, nahazoana lalana avy tamin’ny Church History Museum

Ankavia: Filoha Wilford Woodruff. Ambony: Andrew Jenson.

Ankavanana: Filoha Lorenzo Snow. Ambony: William Driver.

Sary nampidirina: Wilford Woodruff, nataon’i H. E. Peterson © IRI; sarin’i Andrew Jenson, nataon’i Harold Howell Jenson, nahazoana lalana avy tamin’ny Church History Library; sarin’i William Driver, nahazoana lalana avy tamin’ny Church History Library; Lorenzo Snow, nataon’i Lewis Ramsey, nahazoana lalana avy tamin’ny Church History Museum © IRI