2013
Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy
Aprily 2013


Fanovozan-kevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy

Ity laharana ity dia ahitana lahatsoratra sy zavatra atao azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Ireto misy ohatra vitsivitsy.

“Ny Asa Nanirahana an’i Jesoa Kristy sy ny Asa Fanompoana Nataony,” pejy 18: Ny Loholona Russell M. Nelson dia mizara lafin-javatra dimy teo amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy izay azontsika alain-tahaka. Ifanakalozy hevitra ireo lafin-javatra ireo sy ny fomba hampiharana azy ireo eo amin’ny fiainanao. Azonao atao ny mamaky tantara iray avy ao amin’ny fiainan’ny Mpamonjy ao anatin’ny soratra masina na mijery horonan-tsarin’ny Baiboly (biblevideos.lds.org) izay mampiseho ny iray amin’ireo lafin-javatra ireo. Azonao atao ny mamarana amin’ny alalan’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fiainany sy ny asa fanompoana nataony ary mihira ny “Ah, Donne-moi Père” (Cantiques, no. 70).

“Inona no Atao hoe Tena Namana?” pejy 52: Azonao atao ny manomboka amin’ny fametrahana fanontaniana hoe: “Inona no atao hoe tena namana? Vakio ny famaritana nomen’ny Loholona Robert D. Hales ary ifanakalozy hevitra ny hoe tokony ho karazana namana toy ny ahoana isika. Mizarà zava-niseho tao anatin’ny fotoana iray izay nanehoan’ny olona iray taminao hoe tena namana izy ary lazao ireo toetra izay afaka manampy ireo olona ao amin’ny fianakaviana ho namana tsara kokoa ho an’ny hafa.

“Mankalaza ireo Tempoly!” pejy 62: Iaraho mijery amin’ny fianakavianao ireo fomba samihafa nentin’ny ankizy nankalaza ny tempoly. Asehoy ny sarin’ny tempoly akaiky indrindra ny toerana misy anao ary lazao ny maha zava-dehibe ny tempoly. Hamafiso fa any amin’ny tempoly ihany no azo hamehezana ny fianakaviana. Azonao atao ny mamarana izany amin’ny alalan’ny fihirana ny “Afaka hiaraka mandrakizay ny fianakaviana” (pejy 65).

Amin’ny fiteninao

Ny Liahona sy ny fitaovan’ny Fiangonana hafa dia misy amin’ny fiteny maro ao amin’ny www.languages.lds.org.

Sary NALAIN’I Cody Bell © IRI