2013
Fanofanana ny Mpitarika Maneran-tany—Fomba Fiasa Vaovao
Aprily 2013


Fanofanana ny Mpitarika Maneran-tany—Fomba Fiasa Vaovao

Ny mpikamban’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao afaka volana vitsivitsy dia handray anjara amin’ilay fomba fiasa vaovao mitondra faharisihana ao anatin’ny Fanofanana ny Mpitarika Maneran-tany.

Ny Fanofanana ny Mpitarika Maneran-tany amin’ity taona ity dia tsy halefa hojerena ao anatin’ny fotoana anankiray fotsiny ho an’ireo mpitarika any amin’ny paroasy sy tsatòka toy ireo fivoriana fanofanana teo aloha. Ity anankiray ity kosa dia misy fizarana fohy miisa sivy—hita ao anatin’ny DVD sy ao amin’ny LDS.org—izay hamporisika ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpitarika rehetra, ny mpikambana ary ny fianakaviana mandritra ity taona ity sy any aoriana.

Ny zava-kinendrin’ny fanofanana dia hoe “Manamafy orina ny Fianakaviana sy ny Fiangonana amin’ny alalan’ny Fisoronana.” Ny Mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo miaraka amin’ireo Manampahefana Ambony hafa sy mpiandraikitra hafa maneran-tany, ao anatin’ilay fanofanana, dia manome torolalana tena tsara mikasika:

  • Ny fomba ahafahan’ny fianakaviana mahazo tanjaka sy fiadanana amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana.

  • Ny fomba hanampiana ny fianakaviana tsirairay hiaina ireo fitahian’ny fisoronana.

  • Ny fomba hanamafisan’ireo izay mpihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ny tokantrano sy ny fianakaviana.

  • Ny fomba hanompoana araka ny fomban’i Kristy.

  • Ny fomba hitaizana ny zanaka ao anatin’ny hazavana sy ny fahamarinana.

Hahazo ny tahadikan’io DVD io ireo vondron’ny Fiangonana rehetra ary ny filankevitry ny paroasy sy ny tsatòka dia angatahana mba hijery izany iray manontolo. Tokony hiaraka hikaon-doha izy ireo aorian’izany mikasika ny fomba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka mba hahazo tombontsoa avy amin’ilay torolalana.

Afaka mijery ireo fizarana tsirairay ao anatin’ilay DVD sy mifanakalo hevitra momba an’izany ny mpikambana mandritra ny fivoriana sy ny fotoam-pianarana. Afaka mijery ireo fizarana ireo ny fianakaviana sy ny olona tsirairay, miaraka amin’ireo loharano fanampiny mba hampivelarana ny fandalinany izay hita ao amin’ny wwlt.lds.org.

Ao anatin’ny toe-javatra tsirairay ampiasana azy, ny ampahany manan-danja indrindra ao amin’ny fanofanana dia hiseho rehefa tapitra ilay fizarana ary manomboka ny fifanakalozan-kevitra. Rehefa misaintsaina sy mizara ny zavatra henony sy tsapany ary mijoro ho vavolombelona mikasika izany ny mpitarika sy ny mpikambana ary ny fianakaviana, dia hanentana ny fanahin’izy ireo ny Fanahy Masina ary hampianatra azy ireo ny fomba hampiharana ny torolalana ao anatin’ireo toe-javatra iainany manokana. Ity Fanofanana ny Mpitarika Maneran-tany ity dia hanampy amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviana sy ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ireo zavatra iainana ireo.

Mitarika fifanakalozan-kevitra mikasika ny maha zava-dehibe ny fampiasana ireo fanalahidin’ny fisoronana ny Loholona L. Tom Perry sy ny Loholona Donald L. Hallstrom ary ny Eveka Dean M. Davies.

Mifanakalo hevitra mikasika ireo fitahiana avy amin’ny fananana ny fisoronana any amin’ny tokantrano tsirairay ny Loholona M. Russell Ballard, Linda K. Burton, ny Loholona Ronald A. Rasband, Elaine S. Dalton, Rosemary M. Wixom, ary Eveka Gary E. Stevenson izay mijoro eo ivelan’ny tranon’i Mary Fielding Smith ao amin’ilay toerana This Is the Place Heritage Park.