2013
Misafidy ilay Ampahany Tsara Kokoa
Aprily 2013


Misafidy ilay Ampahany Tsara Kokoa

Indraindray ianao dia voatery mamoy zavatra tsara iray hahazoana zavatra iray tsara kokoa.

Indray andro dia nanaitra ny mpanazatra azy tamin’ny taranja kayak i Zoltán Szücs avy any Szeged, Hongrie, raha nilaza taminy fa tsy ho any Alemana hanao fifaninanana iray.

“Nifanitsaka tamin’ny andro hanaovana batisa ahy ilay izy, koa dia nolaviko,” hoy i Zoltán.

Fito ambin’ny folo taona i Zoltán dia efa nahazo fandresena tamin’ny fifaninanana maro tamin’ny taranja kayak. Fanatanjahantena tena malaza izany any Hongrie, ary dia namiratra tamin’izany i Zoltán—namiratra mihitsy ka tena mety azo ho heverina ny hahatongavany ho matihanina. Ankoatra ny fanapahan-kevitra ny tsy hanao fifaninanana anankiray monja, dia atsy ho atsy dia hafoin’i Zoltán tanteraka ny fanaovana kayak. Nanana zavatra hafa tsaratsara kokoa hatao izy.

Nitondra soa an’i Zoltán ny fanaovana kayak. Nandritra ireo taona niarahana niasa tamin’ny mpanazatra azy dia nianatra fifehezan-tena sy fankatoavana ary asa mafy izy. Nianaran’i Zoltán ihany koa ny fisorohana ny fampiasana zavatra sy fahazaran-dratsy izay mety hisy voka-dratsy eo amin’ny hatsaran’ny zava-bitany. Tsy fiainana mora izany; mampanirery izany ary raha lasa matihanina dia vao mainka handany fotoana misimisy kokoa. Manao fanazarana adiny 12 isan’andro ireo matihanina ary voatery manao fifaninanana amin’ny andro Alahady.

“Nandany ny ankamaroan’ny fotoanako ny fanaovana kayak,” hoy i Zoltán. “Tena tia be loatra izany mihitsy aho. Noho izy io dia zavatra maro no tsy nataoko teo amin’ny fiainako.”

Izany no antony nahatonga an’i Zoltán nanapa-kevitra fa tsy afaka ny sady hanokana ny tenany amin’ny filazantsara no hanokana ny tenany amin’ny fanaovana kayak izy. Tamin’ny taona 2004 dia nolazainy ny mpanazatra azy fa tsy hanao kayak intsony izy.

Tany am-piandohan’izany taona izany dia nanomboka nampianatra ny renin’i Zoltán ireo misiônera. Tsy nandray anjara tamin’ireo lesona izy. Tamim-pimonomononana no nanekeny ny fanasan-dreniny hanatrika ny batisany. Saingy nanohina ny fony ny zavatra tsapany raha vao niditra ny trano fiangonana izy. Nanaiky ny hihaona tamin’ireo misiônera i Zoltán. Anisan’ny anton’izany ny fahitany hoe nitovitovy taminy izy ireo.

“Nahaliana ahy ireo misiônera satria olona tsotra toy ny olon-drehetra izy ireo saingy nanaraka fitsipi-piainana avo kokoa,” hoy izy.

Noho ireo fenitra avo kokoa izay efa iainan’i Zoltán tamin’ny maha mpanao kayak azy, dia mora taminy ny nanaiky fa manan-danja ireo fampianaran’ny filazantsara. Natao batisa izy roa volana taty aoriana.

Tamin’ny voalohany dia nieritreritra izy hoe afaka manohy manao kayak ihany fa tsy manao fifaninanana amin’ny andro Alahady. Saingy noho izy karazan’olona izay raha vao nanolotena amin’ny zavatra atao na fianarana iray dia te-hanao izany araka izay tsara indrindra vitany, dia nisafidy izy ny hamoy tanteraka ny fanaovana kayak.

Nanandrana izy indray mandeha hanao kayak ho toy ny fialamboly taorian’ny batisany. Rehefa nanao izany izy dia nangatahan’ny mpanazatra azy hanampy eo amin’ny fampianarana ireo hafa sy handrindra ireo dia atao noho izy tsy mandray anjara amin’ny fifaninanana. Saingy tsy te-hanao fanoloran-tena hanao kayak izy—na zavatra hafa—izay mety hanelingelina ny maha mpanara-dia azy.

Koa dia nampirimin’i Zoltán ny fivohiny ary nanokan-tena izy ho amin’ny asa fanompoana ato am-piangonana tao anatin’ny fanapahan-kevitra iray izay mitovitovy tamin’ilay noraisin’ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) tamin’izy nanambady. Ny Filoha Hunter dia mpiangaly mozika nikohizana izay nahay nitendry zava-maneno am-polony. Ny hariva izy dia nilalao tao anatin’ny ôrkesitra iray, saingy nifanipaka tamin’ny fenitry ny filazantsara ny fomba fiainan’ireo izay niaraka taminy. Koa dia nampirimin’ny Filoha Hunter ireo zava-manenony ary tsy namoaka izany izy raha tsy indraindray ihany rehefa manao fiaraha-mientan’ny mpianakavy izay iarahan’izy ireo mihira.1

Manimanina ny fanaovana kayak i Zoltán, saingy takany fa mahery loatra ny fitiavany manao kayak ka afaka hifaninana amin’ny fitiavany ny Tompo, ary mety handresy, raha toa izy ka mijanona ho akaikin’io taranjam-panatanjahantena io.

Azo ampiharina amin’ny zavatra atao rehetra izay mampanalavitra antsika amin’izay tian’Andriamanitra hahatongavantsika io fitsipika io. Ho antsika tsirairay dia mety ho tsara kokoa ny mandia ny fiainana tsy miaraka amin’ny zavatra sasantsasany—na dia zavatra tsara aza izy ireny—toy izay hampidi-doza ny fiainantsika mandrakizay noho ny fananana azy ireny.

“Lasa fiainako ny Fiangonana,” hoy i Zoltán. “Noho ny fahafantarako fa tsy azoko atao fivelomana ny fanaovana kayak raha te ho mazoto ato am-piangonana, ary ho fialamboly fotsiny ihany izany, dia lasa mora foana ny namoy izany. Ho solon’izany dia tiako ho ny Ray any An-danitra no nifantohako.”

Nanomboka nandalina ny filazantsara tamin’ny fahazotoana izay fanehony rehefa misy tanjona iray tiany ho tratrarina i Zoltán. Nametraka tanjona izy hanao asa fitoriana. Nanam-paniriana izy hijanona ao amin’ny fireneny ary hampianatra ny hafa.

Nanompo tany Hongrie izy ary ankehitriny dia mpampianatra teny Anglisy any amin’ny sekoly ambaratonga famaranana. Mbola manohy mametraka ny laharam-pahamehany amin’ny filazantsara hatrany izy. “Misy zavatra izay ilaintsika hafoy satria manelingelina ny fanarahana an’Andriamanitra,” hoy izy. “Mora ny mamoy ny ratsy raha vao fantatsika hoe tokony hamoy izany isika. Matetika dia tsy tsapantsika hoe tonga ny fotoana tokony hanajanonana zavatra tsara iray hahazoana zavatra iray tsaratsara kokoa. Mihevitra isika fa hoe satria tsy ratsy ilay izy, dia afaka mifikitra amin’izany isika sady manaraka ihany ny drafitr’Andriamanitra.” Saingy mahafantatra i Zoltán fa tsy maintsy mamoy ny tsara isika raha toa ka manakana antsika amin’ny fanarahana ny drafitr’Andriamanitra ho antsika izany.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Eleanor Knowles, Howard W. Hunter (1994), 81.

Zoltán Szücs, avy ao Szeged, Hongrie, dia namoy ny fanaovana kayak mba hananana fotoana bebe kokoa ho an’ny filazantsara.

Etsy ambony: sary © Thinkstock; etsy ambany: sary nalain’i Adam C. Olson