2013
Nisy Zavatra Tsy Nety teo amin’ny Fiaramanidina Nentiko
Aprily 2013


Nisy Zavatra Tsy Nety teo amin’ny Fiaramanidina Nentiko

Craig Willie, Utah, Etazonia

Indray hariva raha nampandroso ny fiaramanidiko feno mpandeha aho ho eny amin’ny lalana fiaingana, dia nanana fahatsapana hoe nisy zavatra tsy nety tsara teo amin’ny fitaovana familiana an’ilay fiaramanidina. Mba hanamarinana ilay fahatsapana ara-panahy nananako dia novitaiko ilay lalana mitondra hatreny amin’ny lalana fiaingana ary nanao faribolana vitsivitsy aho. Toa tsy nisy olana teo amin’ny zavatra rehetra.

Nanontany tena aho hoe “Moa ve aho tokony hiainga ary hitondra ireo mpandeha mba hahatongavany ara-potoana any amin’ny toerana halehan’izy ireo, sa ve aho tokony hiverina any amin’ny varavarana fiondranana?” Nahafantatra aho fa hiteraka fahatarana lava be ny fiverenana. Tsy azo ifanenana ny lalana mankeny amin’ny lalana fiaingana. Ho voatery hiandry ny tour de contrôle aho handrindra ny fifamoivoizana mba hahafahako miverina mifanohitra amin’ny fizotry ny fifamoivoizana. Avy eo dia ho voatery hiandry ireo ekipa mpanamboatra izay hijery tsara ilay fiaramanidina izahay. Mety hiteraka olana maro ho an’ilay fiaramanidina ny fahatarana sy ho an’ireo mpandeha izay nila nihaona tamin’olona sy nila nanatratra fiaramanidina iray hafa rehefa ho tonga any amin’ilay toerana halehanay. Nanontany tena ihany koa aho hoe ahoana no ho fihetsiky ny departemanta misahana ny fikojakojana eo anatrehan’ny tatitra ataoko hoe nisy olana ilay fiaramanidina kanefa tsy nanana porofo aho ankoatra ny fahatsapana iray nahery vaika.

Amin’ny maha kapitenin’ilay fiaramanidina ahy dia tompon’andraikitra amin’ny fiarovana anay aho, koa dia nanapa-kevitra aho hanaraka ilay fahatsapana nananako ary dia niverina.

Rehefa tonga teo amin’ny varavarana fiondranana aho dia nilaza tamin’ny mpanamboatra ny simba amin’ny fiaramanidina fa nahatsapa fa nisy zavatra tsy nety tamin’ilay fiaramanidina saingy tsy nahafantatra hoe inona ilay olana. Tsy nino izy hoe nisy olana.

“Mety hoe ilay lalana somary mando fotsiny angamba,” hoy izy. “Mety nisolifatra teo ambonin’ny tara angamba ianao.” Na izany aza anefa dia nanaiky ihany izy hijery ny milina mampivily ny kodiarana aloha. Rehefa avy nanamarina izany izy dia nangatahiny aho hampidina ireo mpandeha mba hahafahany mitondra ilay fiaramanidina hihodina hanao fanandramana.

Rehefa niverina izy 30 minitra taty aoriana dia tena sahiran-tsaina mafy. Naheno feo nikasokasoka tsitapatapaka izy nandritra ilay dia fanandramana. Rehefa nanitsaka ny frein izy raha hihodina hiverina ho any amin’ny varavarana fiondranana iny dia tsy voafehiny intsony ilay fiaramanidina ary saika namantana nivoaka ny lalana.

Hita tamin’ny fizahana tsara kokoa fa tsy nandalo fanamarinana araka ny tokony ho izy ny frein ny omalin’io. Raha toa aho ka nampipetraka ilay fiaramanidina aorian’ny sidina saika hataonay, dia ho namotsotra ireo freins, ary tsy ho nahafehy ilay fiaramanidina intsony aho.

Nomena fiaramanidina hafa hoentina aho ary dia voatitra soa aman-tsara tany amin’ny toerana halehany ireo mpandeha, fa nisy fahatarana adiny telo.

Faly aho fa nihaino ny bitsiky ny Fanahy. Fantatro fa hitari-dalana antsika ny Fanahy raha toa isika ka mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ary mihaino ireo bitsika izay tonga.