2013
Vaovao Manodidina ny Fiangonana
Aprily 2013


Vaovao Manodidina ny Fiangonana

Mitady Sarin-jatovo

Ny Tarigetra Ifampizarana amin’ity taona ity dia ny hoe “Mitsangana eo amin’ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina” (F&F 87:8). Ry zatovolahy sy zatovovavy, mitady ny sarinareo mitsangana eo amin’ny toerana masina ny Liahona. Ireo sary ireo dia mety mampiseho anareo manokana fotoana iarahana amin’ny fianakaviana, manao asa fanompoana, manao asa fitoriana, mamorona zavakanto, mandalina ny filazantsara, mamantatra ny zava-boahary ary manao zavatra maro hafa koa! Toy izao no fomba handefasanareo ny sarinareo:

  • Asaivo misy olona iray maka sary anao mitsangana eo amin’ny toerana masina.

  • Alefaso email amin’ity adiresy ity ny sarinao à haute résolution: liahona@ldschurch.org.

  • Asio hafatra mikasika ny antony maha-masina ilay toerana izany.

  • Ampidiro ao anatin’ny email alefanao azafady ny anaranao feno, ny daty nahaterahanao, ny anaran’ny paroasy sy tsatòka misy anao (na sampana sy distrika) ary ny adiresy email an’ny ray aman-dreninao.

Haseho ao anatin’ny laharana iray izay ho avy ireo sarin-jatovo manerana an’izao tontolo izao.

Namangy an’i Maroc ny Apôstôly Iray

Tamin’ny Desambra 2012, taorian’ny nanorenana ny tsatòkan’ny Fiangonana faha-3000 tany Sierra Leone any Afrika Andrefana dia nandeha nitsidika manokana ny sampana kelin’ny Fiangonana sady lavitra iray tany Rabat any Maroc ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Nandritra ny fivoriana fampaherezam-panahy iray natao ny Alahady hariva dia nizara ny fitiavan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao ny Loholona Holland na dia vitsy aza izy ireo ary na dia lavitra aza ny misy azy ireo.

“Tsy hadino ianareo ary tafiditra ao anatin’ilay asa mahatalanjona noho ny famaritan’ny Tompo sy ny fanafainganany ny fanangonana an’i Isiraely ao anatin’izao fotoampitantanana farany izao,” hoy izy.

Notokanana ny Tempolin’i Tegucigalpa Honduras

Taorian’ny fampisehoana ara-javakanto sy ny varavarana misokatra nandritra ny telo herinandro dia notokanana tao anatin’ny fotoam-pivoriana telo ny Tempolin’i Tegucigalpa Honduras ny Alahady 17 Martsa 2013 ary nampitaina mivantana tamin’ireo vondrona rehetra an’ny Fiangonana tao Honduras sy Nicaragua izany.

Faly ireo mpikambana avy any Honduras, izay nanao dia mandritra ny ora maro toy ny fomba hatrizay mankany amin’ny Tempolin’i Guatemala City Guatemala, rehefa nahita fa notokanana ny tempoly voalohany ao amin’ny firenena. Tao anatin’ny taratasy tamin’ny 09 Jiona 2006 no nanaovan’ny Fiadidiana Voalohany fanambarana voalohany mikasika izany tempoly izany ary nangadiana tamin’ny 12 Septambra ny fototr’io toerana amin’izao fotoana izao io.

Namangy an’i Allemagne ny Filoha Monson

Tamin’ny faramparan’ny taona 2012 teo dia nandeha tany Allemagne ny Filoha Thomas S. Monson mba hihaona amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana any Hamburg, Berlin, Munich, sy Frankfurt ary handrisika azy ireo mba hanaraka an’i Jesoa Kristy.

“Nampianatra ny famelan-keloka tamin’ny alalan’ny famelana ny hafa Izy,” hoy izy tamin’ireo mpikambana tany Frankfurt. “Nampianatra ny fangorahana tamin’ny alalan’ny fanehoana fangorahana Izy.” Nampianatra fanoloran-tena tamin’ny alalan’ny fanolorany ny Tenany Izy.”

Ampisehon’ny zatovo manerana an’izao tontolo izao ny fomba hitsanganany eo amin’ny toerana masina.