2013
Fampahafantarana ny mpaminany iray
Aprily 2013


Fampahafantarana ny Mpaminany Iray

Wilford Woodruff

Nanao asa fitoriana tany Grande Bretagne i Wilford Woodruff tany amin’ny taona 1840 tany ho any. Noho io asa fanompoana io dia olona maherin’ny 1.000 no vita batisa. Taty aoriana i Wilford Woodruff dia lasa filohan’ny Tempolin’i St. George Utah. Tamin’ny naha Filohan’ny Fiangonana azy dia nanao izay ahatongavan’i Utah ho lasa fanjakana izy. Izy koa no nandray ilay fanambarana ary namoaka ny Filazana ôfisialy 1 izay nanome torolalana ireo Olomasina hampitsahatra ny fanambadiana maro.

Sary
Wilford Woodruff

Fanambarana Ôfisialy

Sary nataon’i Robert T. Barrett