2013
Nitsangana Tamin’ny Maty Izy
Aprily 2013


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Nitsangana Tamin’ny Maty Izy

Sary
Nosoratan’ny Filoha Henry B. Eyring

Loharanon’ny fanantenana sy fandraisana fanapahan-kevitra ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny tena fisian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Ary afaka miseho amin’ny zanak’Andriamanitra rehetra izany. Loharanon’ny fanantenana sy fandraisana fanapahan-kevitra izany ho ahy indray andro fahavaratra iray tamin’ny Jona 1969 rehefa nodimandry ny reniko, ary toy izany foana nanomboka tamin’izay sy nandritra ireo taona rehetra hatramin’izay ary mbola ho toy izany mandra-pahitako azy indray.

Voasolo fifaliana teo no ho eo ihany ilay alahelo avy amin’ny fisarahana vetivety. Mihoatra noho ny fanantenana fihaonana ao anatin’ny fifaliana izany. Satria nanambara zavatra maro tamin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Tompo ary satria namafisin’ny Fanahy Masina tamiko ny fahamarinan’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia azoko alaina sary an-tsaina hoe hanao ahoana izany ho tafaraka indray amin’ireo olon-tiantsika izay masina sy nitsangana tamin’ny maty izany:

“Ireny no ireo izay hivoaka amin’ny fitsanganan’ ny marina amin’ny maty. …

“Ireny no ireo izay voasoratra any an-danitra ny anarany, izay Andriamanitra sy i Kristy no mpitsaran’ ny rehetra.

“Ireny no ireo izay olona marina natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa, ilay mpanalalan’ny fanekempihavanana vaovao, izay nanatontosa ity sorompanavotana fanaperana ity tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany ihany” (F&F 76:65, 68–69).

Hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny vatana izay tsy ho faty intsony ny zanaky ny Ray any an-danitra rehetra izay teraka teto amin’izao tontolo izao satria nandresy ny fahafahatesana i Jesoa Kristy. Noho izany ny fijoroako ho vavolombelona sy ny anao mikasika izany fahamarinana mendri-piderana izany dia afaka manala ilay alahelo avy amin’ny fahalasan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray izay tiana ary manolo izany amin’ny fanantenana ao anatin’ny fifaliana ary fanapahan-kevitra hentitra.

Nomen’ny Tompo ny fanomezan’ny fitsanganana amin’ny maty isika rehetra, noho izany dia apetraka ao anatin’ny vatana tomombana ny fanahintsika (jereo ny Almà 11:42–44). Hiseho amin’ny endrika tanora sy miramirana ny reniko ary hoesorina aminy ny vokatry ny fahanterana sy ny fijaliana ara-batana nandritra ny taona maro. Ho tonga eo aminy sy eo amintsika toy ny fanomezana izany.

Saingy ireo ao aminay izay maniry ny hiaraka aminy mandrakizay dia tsy maintsy misafidy hanao zavatra mba hahatongavana amin’izany fiarahana izany ary hiaina any amin’ilay toerana izay hitoeran’ny Ray sy ilay Zanaka Malalany nitsangana tamin’ny maty amim-boninahitra. Any ihany no toerana ahafahan’ny fianakaviana mitohy mandrakizay. Ny fananana fijoroana ho vavolombelona mikasika izany fahamarinana izany dia nampitombo ny finiavako hanao izay hahatongavako sy ireo izay tiako any amin’ny ambaratonga ambony indrindran’ny fanjakana selestialy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay miasa eo amin’ny fiainantsika (jereo ny F&F 76:70).

Ny Tompo dia manome fitarihana ho antsika ao anatin’izany fikatsahantsika ny fiainana mandrakizay izany ao amin’ireo vavaky ny Fanasan’ny Tompo izay manampy ahy ary afaka manampy anareo koa. Asaina isika mba hanavao ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa isaky ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Mampanantena isika fa hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy. Ireo mari-pamantarana ny sorona nataony dia manampy antsika hankasitraka ny halehiben’ny fanaintainana nozakainy mba hamahana ny fatotry ny fahafatesana sy mba hanolorana antsika ny famindram-po ary mba hanomezana ny famelana ny fahotantsika rehetra raha toa isika misafidy ny hibebaka.

Mampanantena isika fa hitandrina ny didiny. Ny famakiana ny soratra masina sy ireo tenin’ny mpaminany velona ary ny fihainoana ireo mpandahateny nentanim-panahy mandritra ny fivorian’ny Fanasan’ny Tompo dia mampahatsiahy antsika ny fanekempihavanana nataontsika dia ny hoe hanao izany. Mitondra ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ireo didy izay tena tsy maintsy tandremantsika amin’izany andro izany ny Fanahy Masina.

Mampanantena Andriamanitra ao anatin’ny vavaky ny Fanasan’ny Tompo fa handefa ny Fanahy Masina mba hiaraka amintsika (jereo ny Môrônia 4:3; 5:2; F&F 20:77, 79. Hitako tao anatin’izany fotoana izany fa Andriamanitra dia afaka manome ahy fahatsapana hoe manao ahoana izany tafa sy dinika manokana izany. Nataony tato an-tsaiko ny zavatra nataoko izay mahafaly Azy, ny tokony hibebahako sy hahazoako famelan-keloka ary ireo anarana sy endrik’olona izay asainy tompoiko.

Rehefa nandeha ny taona dia navadik’izany zavatra niainana niverimberina izany ho fahatsapana fiantrana ilay fanantenana ary nitondra fahatokiana fa nomena famindram-po aho tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty sy Mpamonjy antsika ary ohatra tonga lafatra ho antsika sy mpitarika antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Tokony “[hampiharintsika amin’ny tenantsika] ny tenin’ ny soratra masina rehetra mba ho tombontsoan[tsika] sy ho fianarana ho an[tsika]” (1 Nefia 19:23). Vakio ny vavaky ny Fanasan’ny Tompo izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:76–79. Aorian’ny famakiana ireo fampianaran’ny Filoha Eyring mikasika ny vavaky ny Fanasan’ny Tompo dia azonao atao ny manasa ireo izay ampianarinao mba hieritreritra fomba ahafahan’ireo vavaka ireo mitarika ny fiainany sy manampy azy ireo hiverina hiaraka hiaina indray amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sary nataon’i Matthew Reier; Nitsangana tamin’ny Maty Izy, nataon’i Del Parson, tsy azo adika