2013
Mankalaza ireo Tempoly!
Aprily 2013


Mankalaza ireo Tempoly!

I Darcie Jensen dia monina any Californie, Etazonia.

Nony vita ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny taona 1893 dia nifaly ireo Olomasin’ny Andro Farany. Naharitra 40 taona vao tontosa ny fananganana io tempoly io. Koa satria nanolotra vola ireo ankizy hanampiana tamin’ny fananganana ny tempoly dia nanapa-kevitra ny Filoha Wilford Woodruff hanao fivoriana fanokanana manokana niisa dimy mba hahafahan’ireo ankizy manatrika.

Ankehitriny dia misy tempoly maro maneran-tany, ary mbola manampy amin’ny fankalazana ny fahavitan’ireo tempoly ireo ankizy. Jereo ny fomba nandraisan’ireo ankizy anjara tany aloha sy ankehitriny.

Ankizy mihoatra ny 12.000 no tonga tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny fanokanana. Ireto ankizy ireto izay avy any amin’ny Paroasin’i Sugar House dia nandeha fiaran-dalamby.

Ity tapakila ity dia nahafahan’ny ankizy hatramin’ny 16 taona hanatrika fanompoam-pivavahana fanokanana manokana ho an’ny Tempolin’i Salt Lake. Apôstôly sy mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany no niresaka tamin’ireo ankizy tao anatin’ny tempoly.

Indraindray dia averina tokanana ireo tempoly rehefa avy nasiana fanamboarana. Nihira sy nilanja fanilo ireo ankizy tao amin’ny Kilonga nandritra ny fampisehoana izay nankalazana ny famerenana ny fanokanana ny Tempolin’i Anchorage, Alaska.

Isan-kerinandro, raha eo an-dalam-piorenana ny Tempolin’i Gilbert, Arizona, dia nametraka tanjona ireo ankizy ao amin’ny Kilonga avy ao amin’ny Tsatòkan’i Highland Gilbert Arizona ny hanompo olona iray ao amin’ny paroasin’izy ireo.

Raha teo an-dalam-piorenana ny Tempolin’i San Diego, Californie dia nanamboatra karipetra iray miloko marevaka ireo ankizy tao amin’ny Kilonga avy any Mexique ho an’ny Tempoly. Nijoro teo ambonin’io karipetra io ireo Manampahefana Ambony nandritra ny lanonana fametahana ny tsangambato tamin’ny fotoam-panokanana.

Nanao dia nandritra ny adiny telo nankany amin’ny Tempolin’i Regina Saskatchewan ireo ankizy avy ao amin’ny Kilonga tany Manitoba, Kanadà mba hikasika ny rindrin’ny tempoly ary hanolo-tena ny hiditra ao anatiny indray andro any.

Niarahaba ireo mpitsidika ireo ankizy avy ao amin’ny Kilonga nandritra ny varavarana misokatra ho an’ny Tempolin’i Kiev, Ukraine tamin’ny alalan’ny fihirana ny hoe: “Oh, j’aime voir le temple.”

Ankizy tao amin’ny Kilonga maherin’ny 800 avy any Afrika Andrefana no nihira ny “Zanaky ny Ray aho” tamin’ny fankalazana ara-kolotsaina talohan’ny nanokanana ny Tempolin’i Accra Ghana.

Misy vatofehizoro ahitana ny taona izay nanokanana azy ny tempoly tsirairay. Mandritra ny fanokanana dia fehezin’ireo Manampahefana Ambony amin’ny rihitra io vatofehizoro io. Nanampy tamin’ny fametahana rihitra teo amin’ny vato fehizoro teo amin’ny Tempolin’i Kansas City, Missouri i Isaac B., 9 taona.

Nihira ho an’ny Filoha Gordon B. Hinckley ireo ankizy tao amin’ny Kilonga tamin’izy tonga hanokana ny Tempolin’i Aba, Nigeria.

Sary (avy eo amin’ny ankavia): nahazoana lalana tamin’ny Tsatòkan’i Highland Gilbert Arizona; nahazoana lalana tamin’ny Tranombokin’ny Tantaram-piangonana; nahazoana lalana tamin’i Richard N. Holzapfel; nalain’i Lynn Howlett; nalain’i Mabel sy Delbert Palmer; nahazoana lalana tamin’i Russell K. Anderson; nalain’i David M. W. Pickup; nalain’i Lori Garcia; nalain’i Gerry Avant; ary nalain’i Julie Dockstader Heaps; sary nataon’i Brad Teare