2013
Manampy ireo ankizy hiomana ho amin’ny batisa
Aprily 2013


Manampy ireo ankizy hiomana amin’ny batisa

Ny fahazazana dia fotoanan’ireo zavatra mahafinaritra izay vao voalohany no atao eo amin’ny fiainana. Ny fotoana voalohany hitaingenana bisikileta, na hidirana any an-tsekoly, na hanandramana sakafo iray vaovao mbola tsy fihinana no ohatra vitsivitsy amin’ireo tranga mampientanentana izay miantraika eo amin’ny fiainan’ny ankizy iray. Amin’ny maha olon-dehibe antsika dia manana fahafahana isika hanampy ankizy eo amin’io lalana izay ahitana zava-baovao io. Amin’ny maha olon-dehibe antsika ato amin’ny Fiangonana, dia manana fahafahana ihany koa isika hanampy azy ireny hivoatra ao amin’ny filazantsara (jereo ny F&F 68:25). Inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa ho fotoana iray mahafinaritra sy manan-danja ny batisan’ny ankizy iray—ilay fanekempihavanana voalohany izay ataon’ny olona iray amin’ny Raintsika any an-danitra be fitiavana?

“Tanjona fototr’ity Fiangonana ity ny hampianatra ny tanora: ao an-tokantrano aloha ary avy eo ao am-piangonana,” hoy ny nampianarin’ny Filoha Boyd K. Packer.1

Ao amin’ireto ohatra manaraka ireto dia ahitana ray aman-dreny mizara ny fomba izay nanomanan’izy ireo ny zanany amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana.

Manomboka Aloha Be Izahay

“Ny taona izay maha feno fito taona ny ankizy tsirairay dia fotoana iray tokony hankalazaina,” hoy i Lori, renim-pianakaviana manan-janaka efatra. Mampianatra ny zanak’izy ireo mikasika ny batisa izy mivady manomboka amin’ ny andro ahaterahan’izy ireo. Saingy rehefa feno fito taona ny ankizy tsirairay dia manomboka manao fiomanana manokana kokoa ny fianakavian’izy ireo. Manao lesona iray momba ny lohahevitra samihafa izay mifandray amin’ny batisa izy ireo isam-bolana mandritra ny takarivan’ny mpianakavy, toy ny fanekempihavanana sy ny ohatra nasehon’i Jesoa.

Milaza i Lori fa ireo lesona mandritra ny volana izay hitsingerenan’ny fahavalo taona nahaterahan’ilay ankizy dia tena mampihetsi-po manokana. Asehony an’ireo ankizy ireo akanjo izay nanaovan’izy ireo tamin’ny fotoana nandraisan’izy ireo anarana sy tsodrano ary miresaka mikasika ilay andro izay nanatanterahana io ôrdônansy io izy.

Nasongadin’i Lori hoe: “Io no fotoana tsara indrindra hifantohana amin’ireo fitahiana entin’ny fanekempihavanan’ny tempoly.” “Ampianarinay foana amin’io fotoana io hoe ny fisafidianana ny ho atao batisa no dingana voalohany eo amin’ny fiomanana amin’ireo fitahiana entin’ny tempoly.”

Ataonay Raharahan’ny Mpianakavy ilay Izy

Manoro hevitra i Monica, renim-pianakaviana manan-janaka efatra, ny hampandraisana anjara ireo zanaka izay efa lehibebe eo amin’ny fanampiana ireo zandriny hiomana isaky ny misy fotoana ahafahana manao izany. “Tena manampy hery tokoa ny fahenoan’ny zaza iray ny zokiny lahy na ny zokiny vavy, izay efa zatovo, mijoro ho vavolombelona sy mizara ny zavatra efa niainany,” hoy izy. Manampy i Lori hoe indraindray dia asain’izy ireo ilay ankizy miomana amin’ny batisa hampianatra ireo zandriny izay zavatra nianarany.

Ataonay Fitaovana Hitoriana ny Filazantsara ilay Izy

Rehefa feno valo taona ny zanakavavin’i Daniel, dia fantatr’i Daniel fa ho tian’ny zanany vavy ny hizara ny andron’ny batisany amin’ireo namany izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Koa dia nanapa-kevitra ny fianakavian’izy ireo hizara fanasana amin’ireo namana any an-tsekoly sy eo amin’ny mpiara-monina hanatrika ny batisan’i Allison. Nasaina ireo namana ireo hitondra andinin-tsoratra masina izay tian’izy ireo indrindra ao amin’ny Baiboly rehefa hanatrika ilay batisa. Taorian’ilay batisa dia notsipihan’i Allison tao anatin’ilay boky soratra masina vaovao azony ireo andinin-tsoratra masina ireo ary nosoratany teo amin’ny sisiny ny anaran’ireo namany.

“Mazava ho azy fa amin’ny maha fianakaviany anay, dia nandray anjara be izahay tamin’io andro io. Fa navelanay koa izy hiaraka tamin’ireo namany fotsiny nandritra ny fotoana kely taorian’ilay batisa sy hiresaka amin’izy ireo mikasika izay zavatra tsapany,” hoy i Daniel. “Tena fotoana mamy tokoa ny nahita ny zanakay naneho ohatra.”

Nataonay Famerenana Ilay Dinidinika amin’ny Eveka

Tsaroan’i Kimberly, izay renim-pianakaviana manan-janaka manakaiky ny taona hanaovana batisa, ny fotoana nandrosoany tao amin’ny biraon’ny eveka hanao dinidinika ho an’ny batisa tamin’izy valo taona. “Tena nitaintaina be mihitsy aho!” hoy i Kimberly.

Amin’izao fotoana izao izy dia miezaka manao izay tsy hahatsapan’ny zanany fitaintainana be. Miresaka amin’ireo zanany izy mivady mikasika ny dinidinika ataon’ny eveka ary mametraka fanontaniana amin’izy ireo mikasika ny batisa toy ireny hoe manao tafa sy dinika ireny. Ireo dinidinika ireo dia mihoatra noho ny fanazarana ireo ankizy amin’ny fizotran’ilay dinidinika—mamporisika ireo ankizy koa izany handinika lalina ny dikan’ny fanekempihavanan’ny batisa ho azy ireo.

Fotoana Mahafinaritra Ahafahana Manao Zavatra izany ho Anay

Ireo ray aman-dreny ireo dia manamarika faingana fa tsy nanao zavatra diso tafahoatra mihitsy izy ireo teo amin’ny fanomanan’izy ireo ny zanany amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana, fa maro tamin’izy ireo no nampiasa teny toy ny hoe “lalina” sy “tsy miovaova” hamaritana ireo lesona izay nampianarin’izy ireo nandritra ny taona maro. “Nataonay azo antoka fa takatr’ireo zanakay hoe dingana manan-danja teo amin’ny fiainany izany, ary tena nanan-danja be izany,” hoy i Kimberly. “Nataonay azo antoka foana fa izahay no nanomana azy ireo, fa tsy nanantena fotsiny hoe ny mpampianatra azy ireo ao amin’ny Kilonga no hampianatra azy ireo.”

Fotoana tena mahafinaritra no nomena antsika ahafahana manao zavatra hanampiana ireo zanaka izay tiantsika hiomana amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana! Raha manao izany amim-bavaka isika dia hiaraka amintsika ny Tompo mba hanao io fotoana voalohany hanaovana fanekempihavanana io ho tonga fototra mafy orina ho an’ny fivoarana ara-panahy amin’ny hoavy.

Fanamarihana

  1. Boyd K. Packer, “Teach the Children,” Liahona, Mey 2000, 16.

Sary nalain’i John Luke sy Craig Dimond ary Cody Bell