2013
Mamaly ny Antso mba Hisian’ny Misiônera Bebe Kokoa: Mamolavola Toetran’olona ho Misiônera ao An-tokantrano sy ao Am-piangonana
Aprily 2013


Mamaly ny Antso mba Hisian’ny Misiônera Bebe Kokoa: Mamolavola Toetran’olona ho Misiônera ao An-tokantrano sy ao Am-piangonana

Mipetraka eo anoloan’ny faritra misy ny peta-drindrina izay feno sarin’ny zatovolahy sy zatovovavy miisa 37 ao amin’ny paroasiny ny Eveka Victor Nogales ao amin’ny Paroasy Parque Chacabuco, Buenos Aires Tsatòkan’i Argentina Congreso. Rehefa lasa mandeha manao asa fitoriana ny iray amin’izy ireo dia asiany soratra kely eo akaikin’ilay sary.

“Mientanentana tokoa ireo zatovoko rehefa miditra ato amin’ny biraoko ka mahita ireo sary sy soratra kely,” hoy izy. “Mamporisika azy ireo hanomana ny fanaovany asa fitoriana izany.”

Io paroasy any Buenos Aires io dia maneho tsara ny foto-pisainana mitodika amin’ny asa fitoriana. Tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ny taona 2012, dia tanora miisa 19—olona niova fo ny 14 amin’izy ireo—no nandao ny tokantranony mba hanao asa fitoriana mandritra ny fotoana feno any amin’ny firenena valo. Mihoatra ny 80 isan-jato amin’ireo zatovo izay manana ny maha izy azy no nanolo-tena hanao asa fitoriana.

Nanao fangatahana maro ireo mpitarika ny Fiangonana taona vitsy lasa izay mba hisian’ny zatovo maro kokoa hanao asa fitoriana.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ny Aprily 2005 izay fotoana fohy taorian’ny namoahan’ny Fiangonana ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera, dia nanoro hevitra ireo fianakaviana sy mpitarika ny Loholona M. Russell Ballard avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôtsôly Roambinifolo mba hanorina foto-pisainana mitodika amin’ny asa fitoriana ary hanomana zatovolahy sy zatovovavy maro kokoa hanompo amim-pahamendrehana amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hahatakatra hoe iza izy ireo ary amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo ny fotopampianarana (jereo ny “One More,” Liahona, Mey 2005, 69).

Ny fanambaran’ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Ôktôbra 2012 hoe nampidinina ny sokajin-taona ahafahana mirotsaka ho misiônera dia fampahatsiahivana iray hafa fa hafainganin’ny Tompo ny asany.

Maro ireo fianakaviana sy mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny no mandray ireo hafatra ireo am-po ary mametraka fombafomba tena tsara mikasika ny fanaovana asa fitoriana any amin’ny faritra misy azy ireo.

Manampy ny Zatovo Hahatakatra hoe Iza Izy Ireo

Ho valin’ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no nahafahanao nanomana ny maro tamin’ny zatovonao mba ho vonona hanompo?” dia namaly ny Eveka Nogales hoe: “Tamin’izaho voantso ho eveka, dia ny zatovon’ny paroasiko no nibahana tato an-tsaiko voalohany ary nataoko mazava tamin’ireo mpitarika hafa tao amin’ny paroasy fa mila mandray anjara eo amin’ny fiainan’izy ireo izahay.”

Ohatra, ireo misiônera rehetra avy ao Chacabuco dia nanana antso daholo tao amin’ny paroasy talohan’ny nandehanan’izy ireo. Matetika ireo olona vita batisa vao haingana sy mpikambana malaina no nasaina mba ho mpampianatra, ary dia nanampy azy ireo hiomana hampianatra ny filazantsara izany.

Nanao izay nanomanana ara-panahy ny zatovo koa ny Eveka Nogales hiatrehany ny asa fitoriana tamin’ny alalan’ny fiarahana miasa amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno teo an-toerana.

Rehefa nanolo-tena ny hisahana ny zatovon’ny paroasy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana dia nahazo valisoa izy ireo tamin’ny fahitana ny halehiben’ny fivoaran’ilay foto-pisainana mitodika amin’ny asa fitoriana.

Fianakaviana Mifantoka amin’ny Asa Fitoriana

Fantatr’i Garth sy i Eloise Andrus avy ao Draper, Utah, États-Unis ny dikan’izany hoe manana fianakaviana mifantoka amin’ny asa fitoriana izany. Manana zafikelilahy 17 izy ireo izay nanao asa fitoriana ary efa nanao asa fanompoana sy fitoriana miisa enina ny tenan’izy ireo.

Nilaza ny Rahalahy Andrus fa ny famolavolana foto-pisainana mitodika amin’ny asa fitoriana eo amin’ny fianakavianao dia zavatra atomboka raha vao mbola kely ny zanakao.

Nanaiky izany Rahavavy Andrus. “Tsy tokony hokobonina mangina ao am-po ny fiandrandrana hanao asa fitoriana fa tokony horesahanao amin’ny zanakao sy ny zafikelinao izany toy ireny hoe manantena ny hanaovan’izy ireo asa fitoriana ireny ianao—rehefa mandeha manao asa fitoriana ianao fa tsy hoe, raha,” hoy izy.

Ny fampianarana ny zatovo hoe iza izy ireo amin’ny alalan’ny fanehoana ohatra eo amin’ny fanaovana asa fitoriana dia zava-dehibe ihany koa. Tamin’ny 1980 ny Rahalahy sy ny Rahavavy Andrus no nanaiky ny antson’izy ireo voalohany ary handeha hanao asa fitoriana koa ny zanak’izy ireo faralahy tamin’izay.

Nanoratra ho azy ireo ny iray tamin’ireo zafikeliny lahy rehefa naharay fanomezana avy amin’izy ireo mba hanampiana azy hiomana amin’ny asa fitoriany. Hoy Rahavavy Andrus hoe: “Nisaotra anay izy [noho ilay fanomezana], saingy nilaza izy hoe: ‘Fa ny tena zava-dehibe dia ny misaotra anareo noho ny ohatra nasehonareo.’”

Mampianatra ny Fotopampianarana

“Ny zatovontsika dia manana zo hiandrandra fa ny ray aman-dreniny sy ny mpitarika ary ny mpampianatra azy ireo ao amin’ny Fiangonana dia hanao izay vitany mba hahafantarany sy hahatakarany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” hoy ny Loholona Ballard. “Hanamafy ny fahamarinana ao am-pon’izy ireo ny Fanahy Masina ary handrehitra ny Fahazavan’i Kristy ao anatin’ny fanahiny. Ary dia hanana misiônera iray hafa voaomana tsara indray ianao” (M. Russell Ballard, “One More,” 71).

Eo amin’ny 9600 km avy eo Buenos Aires indray no misy ny Sampana Horseshoe Bend any amin’ny faritra ambanivohitra eo akaikin’i Boise, Idaho, États-unis izay nahita fivoarana tena lehibe koa eo amin’ny asa fitoriana rehefa nanamafy ny ezaka hampianatra ny filazantsara tamin’ireo zatovony ireo fianakaviana sy mpitarika.

Misy tanora sivy no manao asa fitoriana ao anatin’ilay sampana kely misy mpikambana 75.

Nanamafy ny antony hanompoana sy ny tombontsoa avy amin’izany ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Ny misiônera rehetra … dia manompo miaraka amin’ilay faniriana tokana hanao izay hahatsara kokoa ny fiainan’ny hafa,” hoy izy. “Ny fanapahan-kevitra hanao asa fitoriana dia hanefy ny hoavy ara-panahin’ilay misiônera sy ny an’ny vadiny ary ny an’ny taranany ho avy. Ny faniriana hanompo dia vokatra tsotra fotsiny nateraky ny fiovam-pon’ny olona iray sy ny fahamendrehany ary ny fiomanany” (“Anontanio ny Misiônera! Afaka Manampy Anao Izy Ireo!” Liahona, Nôv. 2012, 18).

Nanaiky izany i Martin Walker, filohan’ny Tsatòkan’i Emmett Idaho. “Ny fanaovana asa fitoriana dia mametraka zatovo iray eo amin’ny lalana iray izay hisy fiantraikany eo amin’ny taranaka maro ho avy,” hoy izy. “Manao izay vitanay izahay eto amin’ny tsatòka eo amin’ny fanomanana ny zatovo amin’ny asa fitoriana.”

Ao anatin’izany fanomanana izany ny fampianarana ny zatovo ny fotopampianarana. Ny zatovo ao amin’ny Sampan’i Horseshoe Bend dia afaka manatrika isan-kerinandro ny kilasy fiomanana amin’ny asa fitoriana izay ampianaran’ny filohan’ny misiôna teo aloha iray—fanofanana izay mameno ny fanofanana amin’ny asa fitoriana omen’ny fivoriana fanomanana ny zatovo amin’ny asa fitoriana isam-bolana ataon’ny tsatòka ary ny Lasin’ny Fisoronana Aharôna.

I LaRene Adam—iray amin’ireo zanaka enin’ny Rahalahy sy Rahavavy Andrus—dia niaraka nanompo tamin’i Jim vadiny tany amin’ny Misiônan’i Copenhagen Danemark nanomboka tamin’ny 2007 ka hatramin’ny 2009. Nijoro ho vavolombelona mikasika ny maha zava-dehibe ny fampianarana ny zanaka ny filazantsara any an-tokantrano izy.

“Ny iray amin’ireo zavatra tsara indrindra azonao atao mba hanampiana ny zanakao hanana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny asa fitoriana dia ny fanaovanao takarivan’ny mpianakavy sy ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina,” hoy izy. “Raha omenareo izany fototra mafy orin’ny fandalinana ny filazantsara sy ny fahalalana ny filazantsara izany izy ireo dia tena tsara omana kokoa ary tena mahafantatra bebe kokoa mikasika ny filazantsara.”

Mijoro eo amin’ny fitoeran’ny peta-drindrina izay mampiseho ireo zatovo rehetra ao amin’ny paroasiny ny Eveka Victor Nogales ary tafiditra ao anatin’izany ireo izay manao asa fanompoana amin’izao fotoana izao.

Sary nahazoana lalana avy amin’i Paul L. Garvin