2013
Miaraka Mandalina Ireo Lahatenin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana
Aprily 2013


Sora-pitadidiana mikasika ny Fihaonamben’ny Fiangonana Volana Aprily

Miaraka Mandalina Ireo Lahatenin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana

Mipetraka any Utah, Etazonia i Greg Batty.

Nampivelatra tokoa ny fifanakalozan-kevitra nataonay mikasika ny filazantsara eo anivon’ny fianakaviana ny fanovana ny fomba fandalinanay ny fihaonambe.

Nandritra ny taona maro izahay dia nifaly namaky amin’ny maha fianakaviana ny tao anatin’ny laharan’ny fihaonambe, ka natao lahatsoratra iray isaky ny mandeha izany. Rehefa manomboka izany izahay dia mipetraka manodidina ny latabatra fotsiny ary mifandimby mamaky mafy andinin-tsoratra iray avy. Saingy hitanay fa namaky izany izahay mba hamitanay azy ary tsy nijanonjanona akory mba hieritreretana an’ilay hafatra.

Mba hahazoana tombontsoa bebe kokoa avy amin’ny zavatra novakianay dia nividy laharan’ny fihaonambe ho an’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana izahay ary nanao drafitra hoe firy ireo lahateny tokony ho halalininay isan-kerinandro mba hahafahanay mamaky azy rehetra alohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana manaraka. Misy herinandro sasany izay hamakianay lahateny iray ary herinandro hafa hamakianay roa, saingy tsy maintsy mandalina ilay lahateny sy manisy marika ireo ampahany izay tiany ny tsirairay. Ary avy eo dia mifampianatra ireo ampahany izay nasianay marika izahay mandritra ny takarivan’ny mpianakavy.

Matetika ny zanakay no manana fanontaniana izay nampivelatra ny fifanakalozan-kevitray, na izaho sy ny vadiko no mametraka fanontaniana avy amin’ny zavatra nohalalininay. Nankafizinay ny fihainoana ireo zatovonay manazava ny valintenin’izy ireo mikasika ireo fanontaniana ireo sy mizara ny zavatra nianarany tany amin’ny seminera na tany am-piangonana na tao anatin’ny fandalinan’izy ireo manokana. Lasa fomba tsara iray hifampihainoana tsy tapaka ny fijoroana ho vavolombelona tsotsotran’ny tsirairay ao anatin’ny tontolo iray tena ahazoana aina sy milamina izany.

Vetivety dia lasa nitovy tamin’izany koa ny fandalinanay soratra masina isa-maraina. Misy andro izay tsy hamakianay afa-tsy andininy vitsivitsy alohan’ny hahatongavan’ilay fotoana haingana hifanakalozan-kevitra mikasika ireo andininy ireo ary ny fiantefan’izany eo amin’ny zavatra miseho manodidina anay.

Lasa feno fifampiresahana sy fihomehezana ary firaisan-kina ny marainanay ankehitriny alohan’ny hiatrehanay ny adidinay tsirairay avy. Manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka mikasika ny torohevitry ny mpaminanintsika mba hiaraka handalina sy hivavaka isan’andro izahay. Niova ho fianakaviana izay mifampianatra sy mifankahery ny fianakavianay. Izany rehetra izany dia vokatry ny faniriana ny hahazo tombontsoa bebe kokoa avy amin’ny fihaonamben’ny fiangonana.

Sary NALAIN’I Aubry Startin © IRI