2013
Ny Maha Zava-dehibe ny Namana Tsara
Aprily 2013


Mampianatra ny Jeunes Soyez Forts(Ry Tanora, Mahereza)

Ny Maha Zava-dehibe ny Namana Tsara

Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny zavatra ataontsika ny namana, indrindra ao anatin’ny fahatanorantsika. “Hisy fiantraikany eo amin’ny fisainanao sy ny zavatra ataonao izy ireo ary hanampy mihitsy aza amin’ny famaritana hoe lasa olona toy ny inona ianao.”1 Ary rehefa misafidy namana tsara ianao dia, “ho hery lehibe sy fitahiana ho anao izy ireo. … Hanampy anao ho lasa olona tsara kokoa izy ireo ary hanamora kokoa ny fiainanao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”2

I Elaine S. Dalton, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany dia mampianatra ny maha zava-dehibe ny fitadiavana namana tsara sy ny maha namana tsara ny tena ao amin’ny pejy 52–53 ao amin’ity laharana ity. “Ny fitadiavana ny tena tsara indrindra ao amin’ny olona iray hafa no fototry ny finamanana marina,” hoy izy.

Ny fanorenana finamanana eo amin’ireo fitsipika ireo dia hanampy ny zatovo hanorina finamanana maharitra sy fahaizana mifandray ara-piaraha-monina izay hihoatra ilay hoe lasa “mpinamana” tsotra fotsiny ao anatin’ny tranonkalan’ny tambajotra ara-tsôsialy. Amin’ny maha ray aman-dreny anao dia afaka manampy ny zanakao ianao mba hahatakatra ny maha zava-dehibe ny maha namana tsara azy ireo ary ny maha zava-dehibe ny fisafidianana namana izay hamporisika azy ireo hiaina ny filazantsara. Mety hanampy ireto sosokevitra manaraka ireto.

Sosokevitra Enti-mampianatra ny Zatovo

  • Miaraha amin’ny fianakaviana mba hikaroka ohatra momba ny namana tsara ao amin’ny soratra masina. Ifanakalozy hevitra hoe inona avy ireo toetra nahatonga ireo finamanana ireo ho mafy orina. Diniho ny mikasika an’i Davida sy i Jonatana (jereo ny 1 Samoela 18–23), i Rota sy i Naomy (jereo ny Rota 1–2), ary i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià (jereo ny Môsià 27–28; Almà 17–20).3

  • Avereno jerena ny fizarana mikasika ny namana ao amin’ny Jeunes Soyez Forts (Ry Tanora, Mahereza). Zarao amin’ireo zatovonao ny fiantraikan’ny fananana namana teo amin’ny fiainanao. Asao izy ireo mba hizara ny fomba nitaomany ny namany ary ny fomba nitaoman’ny namany azy ireo.

  • Vakio ny lahatenin-drahavavy Dalton ao amin’ity laharana ity. Resaho ilay tanjona napetraky ny zanany vavy Emi mba hitady namana tsara. Ampio ny zanakao hametraka tanjona mikasika izay karaza-namana tiany hotadiaviana sy tiany hahatongavana.

  • Manaova takarivan’ny mpianakavy hizarana hevitra mikasika ny fanorenana finamanana toy ny hoe: “Mba hananana namana tsara dia aoka ianao ho namana tsara. Manehoa fahalianana marina amin’ny hafa; mitsikia ary avelao ho fantany fa tianao izy ireo. Ento amin-katsaram-panahy sy amim-panajana ny rehetra ary aza mitsara sy mitsikera ireo manodidina anao.”4

Sosokevitra Enti-mampianatra ny Ankizy

  • Tafiditra ao anatin’ny maha namana ny fanampiana ny hafa. Vakio ny “Standing Up for Caleb” (Mijoro ho an’i Caleb) ao amin’ny Liahona Martsa 2009 ary resaho amin’ny ankizy ireo fomba ahafahan’izy ireo ho tsara fanahy amin’ny olona tsirairay izay mifanena aminy.

  • Tokony hanapa-kevitra isika ao anatin’ny toe-javatra rehetra miseho hoe ho karaza-namana toy ny inona isika. Iaraho mihira ny “Jésus Christ est mon modèle”5 ary aorian’izay dia resaho amin’ny zanakao ny fomba ahafahany misafidy ny ho namana tsara toy ny Mpamonjy ao anatin’ny toe-javatra samihafa.

Fanamarihana

  1. Jeunes, Soyez Forts (Bokikely, 2011), 16.

  2. Jeunes, Soyez Forts, 16.

  3. Jereo ny Jeffrey R. Holland, “Real Friendship,” New Era, Jona 1998, 62–66.

  4. Jeunes, Soyez Forts 16.

  5. “Jésus Christ est mon modèle,” Chants pour les enfants, 40.

Sary nataon’i Taia Morley